2020
Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra
Mey 2020


Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra

Manasa anareo aho hahatsiaro isan’andro ny hatsaram-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny zavatra nataon’Izy Ireo ho anareo.

Nandritra ny fotoana rehetra, ary indrindra indrindra mandritra ny fotoan-tsarotra dia namporisika antsika ireo mpaminany mba hahatsiaro ny halehibeazan’ Andriamanitra ary hisaintsaina izay nataony ho an’ny isam-batan’olona, sy ny fianakaviantsika, ary ny olon-drehetra.1 Hita manerana ny soratra masina io torolalana io kanefa mibahan-toerana kokoa izy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny pejin-dohateny dia manazava fa anisan’ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna ny “hampisehoana amin’ny sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely, ny maha-lehibe ny zavatra efa nataon’ny Tompo ho an’ny razany.”2 Ao anatin’ny teny nentina namaranana ny Bokin’i Môrmôna ny fangatahan’i Môrônia manao hoe: “Indro, ta hamporisika anareo aho, rehefa hamaky ireto zavatra ireto ianareo … mba hahatsiarovanareo ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona … sy ny hisainanareo izany ao am-ponareo.”3

Tena manaitra ny fitohizan’ireo fiangaviana avy amin’ny mpaminany mba hisaintsainana ny hatsaran’ Andriamanitra.4 Tian’ny Raintsika any An-danitra hahatsiaro ny hatsaram-pony sy ny hatsaram-pon’ny Zanaka Malalany isika, tsy noho ny fanomezam-boninahitra Azy Ireo fa noho ny fiantraikan’izany fahatsiarovana izany eo amintsika. Mivelatra ny fomba fijerintsika sy ny fahatakarantsika rehefa misaintsaina ny hatsaram-panahin’Izy Ireo. Lasa manetry tena kokoa, mivavaka kokoa, mazoto kokoa isika rehefa misaintsaina ny famindram-pon’Izy ireo.

Ny zavatra niainana iray tena nanindrona niarahana tamin’ny olona notsaboina iray dia naneho ny fomba ahafahan’ny fankasitrahana ny fahalalahan-tanana sy ny famindram-po manova antsika. Tamin’ny 1987 no nifankahafantarako tamin’i Thomas Nielson, lehilahy miavaka iray izay nila fanoloana fo. 63 taona izy tamin’izany ary nipetraka tao Logan, Utah, tao Etazonia. Rehefa avy nanao asa fanompoana ho miaramila nandritra ny Ady Lehibe faharoa izy dia nanambady an’i Donna Wilkes tao amin’ny Tempolin’i Logan Utah. Lasa mpanamboatra trano biriky nazoto sy nahomby izy. Nandritra ireo taona farany nivelomany dia nankafiziny indrindra ny niara-niasa tamin’ny zafikeliny zokiny indrindra, dia i Jonathan, nandritra ireo fialan-tsasatry ny sekoly. Nikolokolo fifandraisana miavaka izy mianaka satria nahita fitoviana betsaka taminy tao amin’i Jonathan i Tom.

Hitan’i Tom fa somary nahasorena ihany ny fiandrasana fo omena. Tsy dia lehilahy nanam-paharetana izy. Olona afaka nametraka sy nahatontosa tanjona foana izy tamin’ny alalan’ny asa mafy sy fahavononana tanteraka. Satria nanana olana teo amin’ny fo i Tom, ka lasa niato ny fiainany andavanandro, dia matetika izy no nanontany ahy ny amin’izay zavatra ataoko mba hanafainganana ilay dingana. Sady nihanihany izy no nanome sosokevitra amin’ireo mety ho fomba azoko atao hisian’ny fo omena azy tsy ho ela.

Indray andro, andro iray nahafaly kanefa nampivarahontsana ihany koa, dia nisy fo omena nety tsara ho an’i Tom. Nitovy ny habe sy ny karazan-dra, ary tanora ilay mpanome, vao 16 taona monja. An’i Jonathan, zafikely malalan’i Tom, ilay fo omena. Ny marainan’io andro io dia naratra mafy ka maty i Jonathan rehefa voadonan’ny fiaran-dalamby iray ny fiara notaingenany.

Rehefa namangy an’i Tom sy i Donna tany amin’ny hopitaly aho dia tena tezitra izy ireo. Sarotra ny maka sary an-tsaina ny zava-nanjo azy ireo, indrindra ny fahafantarana fa azo halavaina ny androm-piainan’i Tom amin’ny fampiasana ny fon-jafikeliny. Tamin’ny voalohany dia nolavin’izy ireo ny fanolorana ilay fo nataon’ireo ray aman-drenin’i Jonathan tao anatin’ny fisaonana, dia ny zanakavavy sy ny vinantolahin’izy ireo. Fantatr’i Tom sy i Donna anefa fa tany amin’ny ati-doha no nahafaty an’i Jonathan, ary takatr’izy ireo fa tsy ny vavaka nataony mba hahita mpanome fo ho an’i Tom no niteraka ny loza nihatra tamin’i Jonathan. Tsia, fanomezana iray izay afaka nitahy an’i Tom tamin’ny fotoana nilany izany ny fon’i Jonathan. Fantatr’izy ireo fa mety hisy zavatra tsara hivoaka avy amin’ity loza ity ka nanapa-kevitra ny hiroso izy ireo.

Nety tsara ilay famindrana fo. Taorian`io dia lasa olom-baovao i Tom. Nihoatra noho ny fahasalamana nihatsara na koa ny fankasitrahana ilay fiovana. Nolazainy tamiko fa isa-maraina izy dia nieritreritra foana an’i Jonathan, sy ny zanany vavy sy ny vinantolahiny, sy ny amin’ilay fanomezana azony, ary izay naterak’izany fanomezana izany. Na dia efa nibaribary hatrany aza ny toetrany faly lalandava sy maherifo voajanahary dia hitako fa lasa matotra kokoa, misaina momba ny hafa kokoa, ary tsara fanahy kokoa i Tom.

Niaina nandritra ny 13 taona fanampiny i Tom taorian’ilay famindrana fo, taona izay tsy ho nananany raha tsy nisy izany. Ny taratasim-pandaharan’ny fandevenana azy dia nilaza fa ireo taona ireo dia namela azy hikasika ny fiainan’ny fianakaviany sy ireo hafa niaraka tamin’ny fahalalahan-tanana sy fitiavana. Nanao soa manokana izy ary ohatra amin’ny fijerena ny lafitsaran-javatra sy amin’ny fahavononana.

Sahala amin’i Tom, isika tsirairay dia nahazo fanomezam-pahasoavana izay tsy azontsika amin’ny tenantsika samirery, dia ireo fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Raintsika any An-danitra, anisan’izany ny fanavotana amin’ny alalan’ny sorona manavotr’i Jesoa Kristy.5 Nahazo fiainana isika teto amin’ity izao tontolo izao ity; hahazo fiainana isika aorian’izany, ary fanavotana mandrakizay sy fisandratana, raha toa ka misafidy ny hahazo izany. Izany rehetra izany dia noho ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Isaky ny mampiasa ireny fanomezana ireny isika, na mahazo tombontsoa avy amin’ireny, na koa mieritreritra azy ireny fotsiny, dia tokony hosaintsainintsika ny sorona, ny fahalalahan-tanana, ary ny indrafon’ireo mpanome azy ireny. Ny fanajana lalina ireo mpanome dia mitondra zavatra mihoatra noho ny hoe mahatonga antsika ho be fankasitrahana fotsiny. Afaka manova antsika ary tokony hanova antsika ny fisaintsainana momba ireo fanomezana avy amin’Izy Ireo.

Fiovana iray tena mahatalanjona ny an’i Almà Zanany. Raha “nandeha tetsy sy teroa … nikomy tamin’ Andriamanitra,”6 i Almà dia nisy anjely niseho. Tamin’ny “feon’ny kotrobaratra,”7 dia niteny mafy an’i Almà ilay anjely noho ny fanenjehany ny Fiangonana sy noho ny “fangalarana ny fon’ny vahoaka.”8 Nampian’ilay anjely izao torohevitra izao: “Mandehana, ary tsarovy ny fahababoan’ny razanao …; ary tsarovy ny mahalehibe ny zavatra efa nataon[‘Andriamanitra] ho azy.”9 Tamin’ireo fananarana rehetra izay azo natao dia izany no namafisin’ilay anjely taminy.

Nibebaka i Almà ka nahatsiaro. Taty aoriana dia nozarainy tamin’i Helamàna zanany ny fananaran’ilay anjely. Nananatra i Almà hoe: “Mba tiako ny hanaovanao toy izay efa nataoko ka hahatsiarovanao ny fahababoan’ny razantsika; fa tao amin’ny famatorana izy, ary tsy nisy afaka nanafaka azy afa-tsy ny Andriamanitr’i Abrahama sy … Isaka, ary … i Jakoba; ary Izy dia nanafaka azy marina tokoa tamin’ny fahoriany.”10 Dia hoy fotsiny i Almà hoe: “Mametraka ny fitokiako Aminy aho.”11 Takatr’i Almà fa rehefa mahatsiaro ny fanafahana tamin’ny famatorana sy ny fanohanana nandritra “ny fizahan-toetra sy ny fahasahiranana isan-karazany” isika dia lasa mahafantatra an’ Andriamanitra sy ny maha-azo antoka ny fampanantenany.12

Vitsy amintsika no miaina zavatra be toa an’i Almà, kanefa ny fiovantsika dia afaka ny ho lalina toy izany koa. Niangavy mafy ny Mpamonjy fahiny hoe:

“Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary esoriko amin’ny nofonareo ny fo vato … ka homeko fo nofo ianareo.

“Ary ny fanahiko no hataoko ao anatinareo. …

“… Ka ho oloko hianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.”13

Ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia nilaza tamin’ny Nefita ny fomba fiantombohan’ilay fiovana. Nanondro fotoana manan-danja iray ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra Izy rehefa niteny hoe:

“Ary naniraka ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazo fijaliana; ary taorian’ny efa nanandratana Ahy teo amin’ny hazo fijaliana, dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko. …

“Ary noho izany antony izany no efa nanandratana Ahy; koa, araka ny fahefan’ny Ray, dia hosintoniko ny olon-drehetra hankatỳ Amiko.”14

Inona no ilainao mba ho voasintona ho eo amin’ny Mpamonjy? Diniho ny fanoavan’i Jesoa Kristy ny sitrapon’ny Rainy, ny fandreseny ny fahafatesana, ny fitondrany teo Aminy ireo fahotana sy fahadisoana nataonao, ny fandraisany ny hery avy amin’ny Ray mba hanalalana anao, ary ny fanavotany lehibe indrindra anao.15 Moa ve tsy ampy ireo zavatra ireo mba hanatonana Azy? Natao ho ahy izany. I Jesoa Kristy dia “mijoro mamelatra ny sandriny, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina [ahy sy anao].”16

Ireo fahamarinana ireo dia tokony hanome antsika fo vaovao sy handrisika antsika hisafidy ny hanaraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Na ireo fo vaovao aza anefa dia “mety haniasia, … mety handao ilay Andriamanitra tian[tsika].”17 Hiadiana amin’io zava-mitranga io dia ilaintsika ny misaintsaina isan’andro ireo fanomezana noraisintsika sy izay aterak’izy ireny. Nanoro hevitra ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Mba [tiako] ny hahatsiarovanareo sy hitananareo mandrakariva ao amin’ny fahatsiarovana ny halehibeazan’ Andriamanitra … sy ny hatsaram-pony sy ny faharim-pony aminareo.”18 Raha manatanteraka izany isika dia mendrika ny fitahiana miavaka avy any an-danitra.

Ny fisaintsainana ny hatsaram-po sy ny famindram-pon’ Andriamanitra dia manampy antsika handray bebe kokoa ireo zavatra ara-panahy. Ny fahamoran’ny fandraisana ireo zavatra ara-panahy izay mitombo avy eo no mamela antsika hahafantatra ny fahamarinan’ny zava-drehetra amin’ny herin’ny Fanahy Masina.19 Anisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna, ny fahafantarana fa i Jesoa no Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika manokana, ary ny fanekena fa ny filazantsarany dia neverina tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao.20

Rehefa mahatsiaro ny halehibeazan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika ary koa izay nataon’Izy Ireo ho antsika, dia tsy ho raisintsika ho toy ny zontsika izany, tahaka ny tsy nandraisan’i Tom ny fon’i Jonathan ho zony. Tsaroan’i Tom isan’andro tamin’ny fomba feno fifaliana sy fanajana lalina ilay loza izay nitondra ny fiitaran’ny fiainany. Ao anatin’ny fientanentanana noho ny fahafantarana fa afaka ny ho voatahy sy hasandratra isika, dia tokony hotsaroantsika fa ny famonjena sy ny fisandratana dia tonga avy tamin’ny sarany goavana.21 Afaka ny hifaly amim-panajana lalina isika rehefa mahafantatra fa raha tsy misy an’i Jesoa Kristy dia tsy misy fanantenana isika, kanefa afaka mahazo ny fanomezana lehibe indrindra azon’ny Ray any An-danitra omena isika rehefa miaraka Aminy.22 Io fanajana lalina io indrindra no mamela antsika hankamamy ilay fampanantenana “ny fiainana mandrakizay eto amin’ity izao tontolo izao ity” ka handray any aoriana any ny “fiainana mandrakizay … dia ny voninahitra tsy mety maty” amin’ny tontolo ho avy.23

Rehefa mieritreritra ny hatsaram-pon’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika dia mitombo ny fitokisantsika Azy Ireo. Miova ny vavaka ataontsika satria fantatsika fa Andriamanitra no Raintsika ary isika dia zanany. Tsy mikatsaka ny hanova ny sitrapony isika saingy mampifanitsy ny sitrapontsika amin’ny Azy sy manao izay hahazoantsika ireo fitahiana tiany omena antsika, araka ny fangatahantsika azy ireny.24 Maniry ny ho malemy fanahy isika, madio kokoa, tsy mihozongozona kokoa, ary hanana toetra toa ny an’i Kristy kokoa.25 Ireo fiovana ireo dia mahatonga antsika ho mendrika ireo fitahiana fanampiny avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’ny fanekena fa ny zavatra tsara rehetra dia tonga avy amin’i Jesoa Kristy dia hampitaintsika amin’ny hafa amin’ny fomba mahomby kokoa ny finoantsika.26 Hanana risim-po isika rehefa miatrika ireo asa sy toe-java-miseho izay toa tsy ho azo tanterahina mihitsy.27 Hampatanjaka ny fahavononantsika hitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika mba hanaraka ny Mpamonjy isika.28 Ho feno ny fitiavan’ Andriamanitra isika, haniry ny hanampy ireo sahirana ka tsy hitsaratsara, hitia ireo zanatsika sy hanabe azy ireo ao amin’ny fahamarinana, hihazona ny famelana ny fahotantsika, ary hifaly mandrakariva.29 Ireo no voa mahagagan’ny fahatsiarovana ny hatsaram-pon’ Andriamanitra sy ny famindram-pony.

Mifanohitra amin’izany, ny Mpamonjy dia nampitandrina hoe: “Ary tsy misy na inona na inona ataon’ ny olona ka manafintohina an’ Andriamanitra na mandrehitra ny fisafoahany afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tànany amin’ ny zava-drehetra.”30 Tsy mieritreritra aho fa voatsiratsira Andriamanitra rehefa manadino Azy isika. Mieritreritra kosa anefa aho fa diso fanantenana lalina Izy. Fantany fa nesorintsika tamin’ny tenantsika ny fahafahana hanatona bebe kokoa Azy amin’ny alalan’ny fahatsiarovana Azy sy ny hatsaram-pony. Dia ariantsika ihany koa ny fahafahany manatona bebe kokoa antsika sy ireo fitahiana manokana nampanantenainy.31

Manasa anareo aho hahatsiaro isan’andro ny hatsaram-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny zavatra nataon’Izy Ireo ho anareo. Aoka ny fisaintsainanareo ny hatsaram-pon’Izy Ireo hamatotra mafy kokoa ny fonareo mirenireny amin’Izy Ireo.32 Saintsaino ny famindram-pon’Izy Ireo, dia ho voatahy amin’ny fahatsapana mora kokoa ny zavatra ara-panahy ianareo ka ho tonga tahaka an’i Kristy bebe kokoa. Ny fandinihana ny fitseran’Izy Ireo dia hanampy anareo ho “mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany,” ambara- “[pandraisana anareo] any an-danitra” mba “hiara-honina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”33

Rehefa niresaka momba ny Zanany Malala ny Raintsika any An-danitra dia nilaza hoe: “Henoy Izy!”34 Rehefa manao asa araka ireo teny ireo sy mihaino Azy isika, dia tsarovy amim-pifaliana sy amin’ny fanajana lalina, fa ny Mpamonjy dia tia mamerina amin’ny laoniny izay tsy azo averina amin’ny laoniny. Tiany ny manasitrana ireo ratra tsy azonareo sitranina, tiany ny manamboatra izay vaky tsy azo amboarina,35 efainy izay tsy mety ho fahamarinana rehetra mihatra aminareo,36 ary tiany ny manasitrana tanteraka ireo fo maratra.37

Rehefa nisaintsaina ireo fanomezana avy tamin’ny Raintsika any An-danitra sy avy tamin’i Jesoa Kristy aho dia lasa fantatro ny fitiavan’Izy Ireo tsy manam-petra sy ny famindram-pon’Izy Ireo tsy takatry ny saina ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.38 Nanova ahy izany fahalalana izany, ary dia hanova anareo ihany koa izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.