2020
Mandeha eo anoloantsika Izy
Mey 2020


Mandeha eo anoloantsika Izy

Mitarika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany ny Tompo. Fantany tsara ny ho avy. Manasa anao ho amin’ilay asa Izy.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, feno fankasitrahana aho miaraka aminareo amin’ity fihaonambe maneran-tanin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ity. Tao anatin’ilay fanasana nataony mba hisaintsaina ny fomba nitahian’ny Famerenan’ny Tompo tamin’ny laoniny ny Fiangonany amin’ity fotoampitantanana farany ity sy nitahian’izany ireo olon-tiantsika, dia nampanantena ny Filoha Russell M. Nelson fa ny zavatra iainantsika dia tsy hotsaroana fotsiny fa tsy ho hay hadinoina mihitsy.

Hotsaroako foana ny zavatra niainako, ary mino tanteraka aho fa ianareo koa torak’izany. Miankina amin’ny tsirairay amintsika ny maha-tsy hay hadinoina izany. Manan-danja amiko izany satria ny zavatra niainako tamin’ny fiomanana ho amin’ity fihaonambe ity dia nanova ahy ka tiako haharitra izany. Aoka hazavaiko izany.

Nitondra ahy tamin’ny rakitsoratra momba ny zava-nitranga iray tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fiomanako. Efa namaky momba an’io zava-nitranga io imbetsaka aho, saingy ho ahy izany dia tatitra hatrany momba ny fivoriana manan-danja iray izay nahitana an’i Joseph Smith, ilay mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Kanefa tamin’ity indray mitoraka ity dia hitako tao amin’ilay tantara ny fomba itarihan’ny Tompo antsika mpianany, ao amin’ny Fiangonany. Hitako ny dikan’izany hoe tarihin’ny Mpamonjin’izao tontolo izao izany ho antsika olombelona, dia tarihin’ilay Mpahary, izay mahafantatra ny zavatra rehetra, ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy. Mampianatra tsikelikely antsika Izy ary mitarika antsika, tsy manery na oviana na oviana.

Ilay fivoriana fariparitako eto dia kihon-dalana lehibe tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Fivoriana nandritra ny andro Sabata iray izay natao tamin’ny 3 aprily 1836 tao amin’ny tempolin’i Kirtland Ohio izany, fito andro taorian’ny nanokanana izany. Nofaritan’i Joseph Smith tamin’ny fomba tsotra io fotoana lehibe teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao io. Voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 110 ny ankamaroan’ny zava-nitranga.

“Tamin’ny tolakandro, dia nanampy ireo filoha hafa nizara ny Fanasan’ny Tompo ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana aho, rehefa avy nandray izany tamin’ny Roambinifololahy, izay nanana tombontsoa manokana hitantana teo amin’ny latabatra masina tamin’io andro io. Rehefa nanatontosa ity fanompoana ho an’ny rahalahiko ity aho, dia nisintona nankeny amin’ny polipitra, ka nony efa tafidina ny efitra lamba, dia niara-niankohoka tamin’i Oliver Cowdery, tao anatin’ny vavaka mangina sy masina aho. Rehefa nitsangana avy nivavaka izahay, dia nosokafana ho anay izao fahitana manaraka izao.”1

“Nesorina hiala ny sainay ny voaly ary nosokafana ny mason’ny fahatakaranay.

“Nahita ny Tompo nijoro teo ambonin’ny arofanin’ny polipitra teo anoloany izahay; ary teo ambany tongony ny lalam-bato volamena tsy nisy fangarony, ka ny lokony dia tahaka ny ambira.

“Ny masony dia tahaka ny lelafo; ny volon-dohany dia fotsy tahaka ny orampanala tsy misy fangarony; ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be, dia ny feon’i Jehovah manao hoe:

“Izaho no voalohany sy farany; Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina; Izaho no mpisolovava anareo ao amin’ny Ray.

“Indro, voavela ny fahotanareo; madio ianareo eo anoloako; koa andrandrao ny lohanareo ary mifalia.

“Aoka ny fon’ny rahalahinareo hifaly, ary aoka ny fon’ny vahoakako rehetra hifaly, ny vahoakako izay efa nanorina ity trano ity tamin’ny heriny ho an’ny anarako.

“Fa indro efa nekeko ity trano ity ary ho eto ny anarako; ary Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po, ao amin’ity trano ity.

“Eny, Izaho hiseho amin’ireo mpanompoko sy hiteny aminy amin’ny feoko ihany, raha mitandrina ny didiko ny vahoakako ary tsy mandoto ity trano masina ity.

“Eny, ny fon’ny an’arivony sy ny an’alina dia hifaly fatratra tokoa noho ny fitahiana izay harotsaka sy ny fanafiana masina izay efa nanafiana ny mpanompoko tao amin’ity trano ity.

“Ary hiely any an-tany hafa ny lazan’ity trano ity; ary izany no fiandohan’ny fitahiana izay harotsaka eo ambonin’ny lohan’ny vahoakako. Izany tokoa. Amena.

“Rehefa nikatona izany fahitana izany, dia nosokafana taminay indray ny lanitra; dia niseho teo anoloanay i Mosesy ary nanolotra anay ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely avy any amin’ny vazan-tany efatra sy ny fitarihana ny firenena folo avy any amin’ny tany avaratra.

“Rehefa izany dia niseho i Elià ary nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama sady nilaza fa ao aminy sy ny taranakay no hitahiana ny fara aman-dimby rehetra.

“Rehefa nikatona izany fahitana izany dia fahitana iray hafa, lehibe sady be voninahitra no nipoitra taminay; fa nijoro teo anoloanay i Elia mpaminany izay nalaina ho any an-danitra ka tsy nanandrana fahafatesana ary nanao hoe:

“Indro, efa migadona tanteraka ny fotoana izay efa notenenin’ny vavan’i Malakia—sady nijoroany ho vavolombelona fa izy [i Elia] dia hirahina mialoha ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra—

“Mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray, fandrao hasiana amin’ny ozona ny tany—

“Koa atolotro ho eo an-tananareo ny fanalahidin’ity fotoampitantanana ity; ary izany no ahafantaranareo fa ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra, dia efa akaiky, mby eo am-baravarana aza.”2

Efa namaky an’ireo zava-nitranga ireo imbetsaka aho. Nohamafisin’ny Fanahy Masina tamiko fa marina ilay tantara. Kanefa rehefa nandalina sy niomana ho amin’ity fihaonambe ity aho dia lasa hitako mazava kokoa ny herin’ny Tompo amin’ny fitarihana amin’ny antsipiriany ny mpianany ao anatin’ny asany.

Fito taona mialoha ny nanomezan’i Mosesy an’i Joseph ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely tao amin’ny Tempolin’i Kirtland dia -nianaran’i Joseph avy tao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna fa ny tanjon’izany dia ny “hampisehoana amin’ny sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely … mba tsy holavina mandrakizay izy.- Tamin’ny 1831, ny Tompo dia nilaza tamin’i Joseph fa ny fanangonana an’i Isiraely dia hanomboka ao Kirtland: -Ary na zovy na zovy sitrako avy amin’io toerana io [Kirtland], dia handeha any anivon’ny firenena rehetra … fa ho voavonjy i Isiraely, ary hotarihiko izy ireo.-”3

Na dia nilaina mba hanangonana an’i Isiraely aza ny asa fitoriana, ny Tompo dia nitaona ireo mpitarika mba hampianatra ny Roambinifololahy, izay lasa anisan’ireo misiônera voalohany hoe: “Tsarovy fa tsy afaka mandeha any amin’ny firenena hafa ianareo raha tsy efa nandray ny fanafiana masina anareo.”4

Toa manan-danja teo amin’ny drafitry ny Tompo nandeha tsikelikely noho ny antony roa farafahakeliny ny Tempolin’i Kirtland: Voalohany, niandry ny fahavitan’ny tempoly i Mosesy vao namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ary faharoa, ny Filoha Joseph Fielding Smith dia nampianatra fa “ny Tompo dia nandidy ny Olomasina mba hanangana tempoly iray [ny Tempolin’i Kirtland] izay hanambarana ireo fanalahidin’ny fahefana sy hanafiana masina sy hanomanana ireo apôstôly mba hiasa amin’ny tanimboalobony amin’ny andro farany.”5 Na dia tsy notanterahina tao amin’ny Tempolin’i Kirtland araka ny fahafantarantsika izany ankehitriny aza ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ho fahatanterahan’ny faminaniana dia nanomboka nampahafantarina tao ireo ôrdônansy fanomanana atao any amin’ny tempoly, miaraka tamin’ny fisehoana ara-panahy maro izay nanome fiarovana ireo izay nantsoina hanao asa fitoriana niaraka tamin’ilay fanafiana masina nampanantenaina “hanafiana amin-kery avy any ambony”6 izay nitarika ny fanangonana lehibe tamin’ny alalan’ny asa fitoriana.

Rehefa avy nomena an’i Joseph ireo fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely dia nanentam-panahy ny Mpaminany ny Tompo mba handefa ireo mpikambana ao amin’ny Roambinifololahy hanao asa fitoriana. Rehefa nandalina aho dia nanjary nazava tamiko fa nomanin’ny Tompo tamin’ny antsipiriany ny fomba handehanan’ny Roambinifololahy hanao asa fitoriana any ivelany izay nisy olona vonona ny hino sy hanohana azy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana dia an’arivony no nentina tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laonina tamin’ny alalan’izy ireo.

Araka ny firaketana ananantsika dia tokony ho teo anelanelan’ny 7.500 sy 8.000 teo no natao batisa nandritra ireo asa fitoriana roa nataon’ireo Roambinifololahy tany amin’ireo Nosy Britanika. Nametraka ny fototra ho an’ny asa fitoriana any Eorôpa izany. Tany amin’ny fiafaran’ny taon-jato faha-19 dia teo amin’ny 90.000 teo no nandeha niangona tany Amerika ka ny ankamaroan’izy ireo dia avy tany amin’ireo Nosy Britanika sy ny Scandinavie.7 Nanentam-panahy an’i Joseph sy ireo misiônera mahatoky izay nandeha nanatontosa fijinjana izay tsy maintsy ho toa ny mihoatra noho ny herin’izy ireo, tamin’izany fotoana izany, ny Tompo. Kanefa nataon’ny Tompo tanteraka izany niaraka tamin’ny fijeriny lavitra sy ny fanomanany tonga lafatra.

Tsaroanareo ilay teny saika toy ny tononkalo ao amin’ny fizarana 110 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, manao hoe:

“Indro, efa migadona tanteraka ny fotoana izay efa notenenin’ny vavan’i Malakia—sady nijoroany ho vavolombelona fa izy [i Elia] dia hirahina mialoha ny hahatongavan’ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra—

“Mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray, fandrao hasiana amin’ny ozona ny tany—

“Koa atolotro ho eo an-tananareo ny fanalahidin’ity fotoampitantanana ity; ary izany no ahafantaranareo fa ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra, dia efa akaiky, mby eo am-baravarana aza.”8

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia nahita ny ho avy sy ny fomba hitarihany antsika mba hanampy Azy hanatontosa ireo tanjony amin’ny andro farany.

Raha tao amin’ny Episkôpà Mpiahy aho taona maro lasa izay dia nasaina nanara-maso ny vondrona nisahana ny famolavolana sy ny fanatsarana izay nanamboatra ny fantatsika amin’ny hoe FamilySearch. Mitandrina tsara aho eto milaza ny hoe “nanara-maso” ny famoronana izany, fa tsy hoe “nitarika” ny famoronana izany. Olona manam-pahaizana maro no nandao ny asa hafa ka tonga nanangana zavatra nirian’ny Tompo.

Nametraka tanjona ny hanena ireo ôrdônansy natao in-droa ny Fiadidiana Voalohany. Ny olana lehibe nananan’izy ireo dia ny tsy fahafahana nahafantatra raha toa ka efa tontosa ireo ôrdônansy ho an’ny olona iray. Nandritra ny taona maro, na izay noheverina fa maro, dia nanontany ahy ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Rahoviana no ho vitanao izany?”

Tao anatin’ny vavaka sy ny fahazotoana ary ny fahafoizantena manokan’ireo olona manam-pahaizana dia vita ilay asa nampanaovina. Tonga tsikelikely izany. Ny asa voalohany dia ny hanaovana ny FamilySearch ho mora ampiasaina ho an’ireo izay sahirana mampiasa solosaina. Nisy ny fanovana misimisy kokoa natao, ary fantatro fa mbola hisy hatrany izany, satria isaky ny miroso hamaha ny olana iray nanentanana antsika isika dia manokatra ny fahazoana fanambarana fanampiny izay hanan-danja torak’izany koa nefa mbola tsy fantatra. Ankehitriny ny FamilySearch dia lasa ny zavatra ilain’ny Tompo mihitsy amin’ny ampahan-javatra ao amin’ny Famerenany amin’ny laoniny, fa tsy hoe mba hisorohana ny fampidirana ôrdônansy in-droa fotsiny.

Avelan’ny Tompo hanao fanatsarana isika mba hanampy ny olona hahazo fahatsapana fifankafantarana, eny ho tia ireo razambentsika mihitsy aza ary hanatanteraka ny ôrdônansy any amin’ny tempoly ho azy ireo. Ankehitriny, tahaka ny nahalalan’ny Tompo marina izay hitranga, ny tanora dia lasa mpampianatra solosaina an’ireo ray aman-dreniny sy mpikambana ao amin’ny paroasiny. Ny rehetra dia nahita fifaliana lehibe tao amin’io asa fanompoana io.

Manova ny fon’ny tanora sy ny antitra, ny zanaka sy ny ray aman-dreny, ny zafikely sy ny raibe sy renibe ny fanahin’i Elia. Ato ho ato ireo tempoly dia hahafahana indray mandahatra amim-pifaliana batisa sy ôrdônansy masina hafa. Mitombo ny faniriana hanompo ireo razambentsika sy hamehy ny ray aman-dreny sy zanaka.

Efa hitan’ny Tompo ny hitrangan’izany. Nanao drafitra, tsikelikely, ny amin’izany Izy rehefa nanao ireo fanovana hafa tato amin’ny Fiangonany. Nanabe sy nanomana olona mahatoky izay misafidy ny hanao zavatra sarotra ihany koa izy. Nanam-paharetana tamim-pitiavana lalandava Izy rehefa nampianatra antsika hianatra “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika, etsy kely ary eroa kely.”9 Matotra Izy amin’ny fanatanterahana ny fikasany amin’ny fotoany ary ny fizotran’izany, kanefa ataony ihany koa izay hahazoana antoka fa ny fahafoizantena dia mitondra matetika fitahiana mitohy izay tsy hitantsika mialoha.

Faranako amin’ny fanehoana ny fankasitrahako ny Tompo, izay nanentam-panahy ny Filoha Nelson hanasa ahy hanao fanolorantena hiomana ho amin’ity fihaonambe ity. Nitondra fitahiana ny ora sy vavaka tsirairay nandritra ny fiomanako.

Manasa ny rehetra izay mandre ity hafatra ity na mamaky ireto teny ireto aho mba hanana finoana fa ny Tompo dia mitarika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany. Mandeha eo anoloantsika Izy. Fantany tsara ny ho avy. Manasa anao ho amin’ilay asa Izy. Miaraka aminao ao amin’izany Izy. Manana drafitra mipetraka ho an’ny fanompoanao Izy. Ary na dia rehefa mahafoy tena aza ianao dia hahatsapa fifaliana eo am-panampianao ny hafa hijoro mba ho vonona amin’ny fiaviany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Ray. I Jesoa no Kristy. Fiangonany ity. Mahafantatra sy tia anao Izy. Mitarika anao Izy. Efa nanomana ny lalana ho anao Izy. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.