2020
Ny tokantrano soa indrindra
Mey 2020


Ny tokantrano soa indrindra

Ny Mpamonjy no injeniera, mpanorina, ary mpandrafitra ny endriky ny ati-trano tonga lafatra indrindra. Ny drafitr’asany dia ny fahalavorariana sy fifaliana mandrakizain’ny fanahintsika.

Nanaitra ny masoko ny tabilao lehibe iray misy dokam-barotra tao Salt Lake City. Dokam-barotra momba ny orinasa mpanao fanaka sy endriky ny ati-trano izany. Tsotra no voalazany: “Manompo ireo tokantrano soa indrindra eto Salt Lake City.”

Nanaitra ilay hafatra—inona no atao hoe “tokantrano soa indrindra”? Nanjary nieritreritra momba izany fanontaniana izany aho, indrindra mikasika ireo zanaka nobeazinay sy i Kathy vadiko ary ny zanaka beazin’izy ireo ankehitriny. Toa ireo ray aman-dreny na aiza na aiza, dia miahiahy sy mivavaka ho an’ny fianakavianay izahay. Mbola manao izany izahay hatramin’ izao. Maniry ny tsara indrindra ho azy ireo isika. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’izy ireo miaina ao anatin’ny tokantrano soa indrindra? Nandinika ireo tokantranon’ny mpikamban’ny Fiangonana notsidihanay sy i Kathy aho. Nasaina tao anatin’ny tokantrano tany Korea sy Kenya, tany Filipina sy Perou, tany Laos sy Letônia izahay. Mamelà ahy hizara famaritana efatra momba ny tokantrano soa.

Voalohany, avy amin’ny fomba fijerin’ny Tompo, ny fananganana tokantrano soa indrindra dia misy ifandraisany amin’ny toetra tsara manokan’ireo olona mipetraka ao anatin’izany. Ireo tokantrano ireo dia tsy natao tonga soa tamin’ny maha-manan-danja na maharitra ny fanak’izy ireo na ny lanja na sarangan’ny olona tompon’izy ireny. Ny toetra soa indrindran’izay mety ho tokantrano rehetra dia ny endrik’i Kristy hita taratra eny amin’ireo mponina ao amin’ilay tokantrano. Ny manan-danja dia ny endrika anatin’ny fanahin’ireo mponina, fa tsy ny rafitra mihitsy.

Ireo toetran’i Kristy ireo dia azo “rehefa afaka elaela”1 amin’ny alalan’ny fivoarana iniana atao manerana ny lalan’ny fanekempihavanana. Nanova ny fiainan’ireo izay miaina amin’ny hatsaram-po ireo toetra araka an’i Kristy. Mameno ny tokantrano amin’ny fahazavan’ny filazantsara izy ireo, na tany na vatosoa ny gorodona. Na ianao irery aza no olona ao amin’ny tokantranonao izay manaraka ilay didy “hikatsaka ireo zavatra ireo”2 dia afaka mitondra anjara biriky amin’ireo fanaka ara-panahin’ny tokantranonao ianao.

Manaraka ny torohevitry ny Tompo isika hoe “mifandamina ianareo; omano ny zavatra rehetra ilaina, ary manorena trano” amin’ny alalan’ny fandaminana, fiomanana, ary fanorenana ny fiainantsika ara-panahy, fa tsy ny tranontsika ara-bakiteny. Rehefa manohy amim-paharetana eo amin’ny lalan`ny fanekempihavanan’ny Mpamonjy isika dia ho lasa “tranon’ny voninahitra, tranon’ny filaminana, [ary] tranon’ Andriamanitra.”3ny tranontsika.

Faharoa, ireo mponina ao amin’ny tokantrano soa indrindra dia maka fotoana handalinana isan’andro ny soratra masina sy ireo tenin’ireo mpaminany velona. Nanasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba “hanova” sy “hanamboatra” ny tokantranontsika amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara.”4 Ambaran’ny fanasana nataony fa ireo tokantrano soa dia honenan’ny asa malefaka sy manan-danja ho an’ny fitomboana manokana sy ny fanamboarana ireo fahalementsika. Fitaovana manova izay ahafahantsika mitombo ho tsara fanahy kokoa, be fitiavana kokoa, ary be fitserana kokoa ny fibebahana isan’andro. Ny fandalinana ny soratra masina dia mitondra antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy, izay manampy antsika eo amin’ny fitomboantsika ny fitiavana sy famindram-pony lehibe.

Milaza tantara ana fianakaviana ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ary ny Voahangy Lafo Vidy, koa tsy mahagaga raha ireo boky masina ireo dia torolalana tsy manam-paharoa amin’ny fanorenana ireo tokantrano soa indrindra. Tantarain’izy ireo ireo ahiahy ananan’ireo ray aman-dreny, ireo antambon’ny fakam-panahy, ny fandresen’ny fahamarinana, ireo sedra rehefa misy mosarena sy fananam-be, ary ny rikorikon’ny ady sy ny valisoan’ny fandriampahalemana. Ampisehoan’ny soratra masina antsika ombieny ombieny ny fomba hahombiazan’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fiainana araka ny fahamarinana sy ny fomba tsy nahombiazan’izy ireo noho ny fanarahana lalan-kafa.

Fahatelo, ireo tokantrano soa dia manaraka ny drafitra nataon’ny Tompo ho an’ny tokantranony soa, dia ny tempoly. Manomboka amin’ny dingana fototra ny fanorenana tempoly iray: manala ireo kirihitra ary manarina ny tany. Ireo ezaka voalohany mba hanomanana ny tany ireo dia azo ampitahaina amin’ny fitandremana ireo didy fototra. Ireo didy no fototra hiorenan’ny maha-mpianatra. Ny maha-mpianatra mafy orina dia mitarika antsika ho lasa mafy sy maharitra ary tsy ho azo hozongozonina, 5toy ny haram-bin’ny tempoly. Io haram-by io no mamela ny Tompo handefa ny fanahiny hanova ny fontsika.6 Ny fiainana fiovam-po mahery vaika dia toy ny fanampiana endrika mahafinaritra ao amin’ny atin’ny tempoly.

Rehefa manohy amim-pinoana isika dia ovain’ny Tompo tsikelikely isika. Mandray ny endriny misoritra eny amin`ny tarehintsika isika ka manomboka maneho ny fitiavany sy ny hakanton’ny toetrany.7 Rehefa lasa tahaka Azy bebe kokoa isika dia hahatsapa ho mponina ao an-tranony, ary Izy hahatsapa ho mponina ao an-tranontsika.

Afaka mihazona ny tokantranontsika hifandray akaiky amin’ny tranony isika amin’ny alalan’ny fanaovana izay hahamendrika sy fampiasana ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly araka izay matetika indrindra azo atao raha mamela izany ny toe-javatra iainana. Rehefa manao izany isika dia hitoetra ao an-tranontsika koa ny fahamasinan’ny tranon’ny Tompo.

Mijoro eto akaiky eto ny Tempoly mahatalanjon’i Salt Lake. Naorina nanomboka tamin’ny 1853 ka hatramin’ny 1893 ilay tempoly izay natsangan’ireo mpisavalalana tamin’ny fitaovana nentin-drazana, sy ny zava-nisy teo an-toerana, ary ny asa mafy tsy nanam-piafarana. Nanorina zavakanto izay mahatalanjona olona an-tapitrisa ny tsara indrindra azon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany am-boalohany natolotra teo amin’ny asa vaventy, tao-trano, ary endriky ny ati-trano.

Efa ho 130 taona izay no lasa hatramin’ny nanokana ilay tempoly. Araka ny nomarihin’ny Loholona Gary E. Stevenson omaly, ireo fitsipiky ny asa vaventy nampiasaina tamin’ny endriky ny tempoly dia novaina ho fenitra vaovao sy azo antoka kokoa. Ny tsy fanatsarana ny tao-asa vaventin’ny tempoly sy tsy fanamboarana ireo rafitra malemy dia mivadika amin’ny fitokisan’ireo mpamaky lay, izay nanao izay rehetra azon’izy ireo natao ary namela ny fikarakarana ny tempoly ho an’ireo taranaka mifandimby avy eo.

Ny Fiangonana dia nanomboka drafitr’asa famerenana amin’ny laonina mandritra ny efa-taona mba hanatsarana ny rafitra sy tanjaky ny tempoly manoloana ny horohoron-tany.8 Hohamafisina ny fototra, gorodona, ary rindrina. Hitondra ny tempoly ho amin’ny fenitra maoderina ny fahalalana tsara indrindra misy ankehitriny eo amin’ny resaka asa vaventy. Tsy ho hitantsika maso ireo fanovana eo amin’ny rafitra kanefa ho tena misy sy manan-danja ny vokatr’izany. Ao amin’izany asa rehetra izany dia hotanana ny endrika mahafinaritry ny ati-tranon’ny tempoly.

Tokony hanaraka ny ohatra nomena antsika amin’ny fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake isika ka haka fotoana hamakafakana ny tao-asa vaventintsika isorohana ny horohoron-tany ara-panahy mba hahazoana antoka fa manaraka ny toetr’andro izany. Ny fandinihan-tena matetika, miaraka amin’ny fanontaniana ny Tompo hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”9 dia afaka manampy antsika tsirairay hitondra anjara biriky amin’ny fanorenana tokantrano soa indrindra.

Fahefatra, ny tokantrano soa indrindra dia fialofana amin’ireo tafiotry ny fiainana. Nampanantena ny Tompo fa ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra dia “hiroborobo eo amin’ny tany.”10 Ny firoboroboan’ Andriamanitra no hery hibosesehana mandroso na dia eo aza ireo olana eo amin’ny fiainana.

Nianatra lesona manan-danja iray momba ny olana aho tamin’ny 2002. Raha tany Asunción, Paraguay aho dia nihaona tamin’ireo filohan’ny tsatòka tao amin’ny tanàna. Tamin’io fotoana io dia niatrika olana ara-bola goavana i Paraguay, ary mpikamban’ny Fiangonana maro no nijaly sy tena sahirana mafy. Fony aho nanao asa fitoriana no nandeha tany Amerika Atsimo farany ary tsy mbola tany Paraguay aho. Vao herinandro vitsy monja no nanompoako tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra. Sadaikatra tamin’ny tsy fahafahako hanome torolalana ho an’ireo mpitarika tao amin’ireo tsatòka ireo aho ka nangataka azy ireo hilaza amiko izay nandeha tsara tao amin’ny tsatòkan’izy ireo ihany. Nilaza tamiko momba ireo zavatra izay nandeha tsara ny filohan’ny tsatòka voalohany. Nilaza zavatra izay nandeha tsara sy olana vitsivitsy ny manaraka. Tamin’ny fotoana nitenenan’ilay filohan’ny tsatòka farany dia andiana olana mahasorena maromaro no hany nambarany. Rehefa nohazavain’ireo filohan’ny tsatòka ny halehiben’ilay toe-java-niseho dia niha-niahiahy be aho, saika ho tsy nanan-kambara mihitsy aza.

Teo am-pamaranan’ilay filohan’ny tsatoka farany ny fanamarihany mihitsy no nisy hevitra tonga tao an-tsaiko hoe: “Loholona Clayton, apetraho amin’izy ireo ity fanontaniana ity: ‘Ry filoha isany, amin’ireo mpikambana ao amin’ny tsatòkanareo izay mandoa fahafolon-karena feno, mandoa fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahan-tanana, manatontosa ny antsony ao am-piangonana, mamangy ireo fianakaviana izay vangian’izy ireo amin’ny maha-mpampianatra sy mpamangy isan-tokantrano azy ireo11 isam-bolana, manao takarivan’ny mpianakavy, mandalina ny soratra masina, ary manao vavaky ny mpianakavy isan’andro, firy no manana olana izay tsy voavahan’izy ireo raha tsy miditra an-tsehatra ny Fiangonana ka mamaha ny olana ho azy ireo?’”

Nanaraka ny bitsika noraisiko aho ka napetraka io fanontaniana io tamin’ireo filohan’ny tsatòka.

Nijery ahy tao anatin’ny fahanginana nahatalanjona izy ireo dia niteny avy eo hoe: “Pues, ninguno,” izay midika hoe “Tsy misy na iray aza.” Dia nilaza tamiko izy ireo fa tsy nisy na iray aza tamin’ireo mpikambana izay nanao ireo zavatra rehetra ireo izay nanana olana ka tsy afaka namaha izany samirery. Fa nahoana? Satria nonina tao amin’ny tokantrano soa indrindra izy ireo. Nitondra tanjaka, fahitana, ary fanampiana avy any an-danitra izay nilain’izy ireo tao amin’ny sahotaka ara-toe-karena manodidina azy ireo ny fiainana mahatokin’izy ireo.

Tsy midika izany fa tsy harary ireo olo-marina, na tsy handalo loza, na tsy hiatrika tsy fahombiazana arak’asa, na tsy hiatrika fahasahiranana maro hafa eo amin’ny fiainana. Mitondra olana hatrany ny fiainana an-tany, kanefa imbetsaka no nahitako fa ireo izay miezaka mankatò ireo didy dia voatahy amin’ny fahitana ny lalan’izy ireo mankany amin’ny fiadanana sy fanantenana. Mety ho azon’ny olona rehetra ireo fitahiana ireo.12

Nanambara i Davida hoe: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.”13 Na aiza na aiza honenanareo, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny endriky ny tranonareo, ary na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny firafitry ny fianakavianareo, dia afaka manampy manorina tokantrano soa indrindra ho an’ny fianakavianareo ianareo. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia manolotra drafitra ho an’izany tokantrano izany. Ny Mpamonjy no injeniera, mpanorina, ary mpandrafitra ny endriky ny ati-trano tonga lafatra indrindra. Ny drafitr’asany dia ny fahalavorariana sy fifaliana mandrakizain’ny fanahintsika. Miaraka amin’ny fanampiany be fitiavana, ny fanahintsika dia afaka ny ho tonga izay tiany hahatongavantsika ary ianareo dia afaka ny ho ilay karazany tsara indrindra hahatongavanareo, vonona ny hanorina sy hiaina ao amin’ny tokantrano soa indrindra.

Mijoro ho vavolombelona amim-pankasitrahana aho fa Andriamanitra no Raintsika rehetra. Ilay Zanany Lahy, ny Tompo Jesoa Kristy, no Mpamonjy sy Mpanavotra ny olombelona rehetra. Tian’izy ireo tanteraka isika. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ny Tompo eto an-tany. Mitarika izany ireo mpaminany sy apôstôly ankehitriny. Marina ny Bokin’i Môrmôna. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny no rafitra lafatra indrindra amin’ny fanorenana tokantrano soa indrindra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.