2020
Manatona an’i Kristy—Miaina ny maha-Olomasin’ny Andro Farany ny tena
Mey 2020


Manatona an’i Kristy—Miaina ny maha-Olomasin’ny Andro Farany ny tena

Afaka manao zavatra sarotra sy manampy ny hafa hanao torak’izany koa isika noho ny fahafantarantsika hoe Iza no itokiantsika.

Misaotra anao ry Loholona Soares noho ny fijoroana ho vavolombelona mahery dia mahery sy ara-paminaniana izay anananao momba ny Bokin’i Môrmôna. Vao haingana aho izay no nanana fahafahana miavaka hihazona pejy iray tamin’ireo takila natao sora-tanana voalohan’ny Bokin’i Môrmôna. Teo amin’io pejy manokana io no voasoratra voalohany indrindra ireo teny feno fahasahiana avy amin’i Nefia manao hoe: “Ary ny zava-nitranga dia hoy izaho Nefia tamin-draiko: Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ny zanak’olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy.”1

Sary
Pejy nosorata-tanana ny dikatenin’ny Bokin’i Môrmôna tany amboalohany

Raha nihazona io pejy io aho dia heniky ny fankasitrahana lehibe ny amin’ireo ezaka nataon’i Joseph Smith izay 23 taona, nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny “fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra.”2 Feno fankasitrahana ihany koa aho tamin’ireo tenin’ny tovolahy iray antsoina hoe Nefia izay nasaina hanao asa tena sarotra iray mba hahazoana ireo takela-barahina avy tamin’i Labàna.

I Nefia dia nahafantatra fa raha manohy mifantoka amin’ny Tompo izy dia hahomby amin’ny fanatanterahana izay nandidian’ny Tompo azy. Nijanona ho nifantoka tamin’ny Tompo izy nandritra ny fiainany na dia nisedra fakam-panahy, sy fahoriana ara-batana, eny fa na dia ny fivadihan’ny olona tao amin’ny fianakaviany akaiky aza.

Fantatr’i Nefia hoe Iza no azony itokiana.3 Fotoana fohy taorian’ny nilazany hoe: “Indrisy olona fadiranovana aho! Eny, malahelo ny foko noho ny nofoko,”4 dia nanambara izao i Nefia: “Andriamanitro no andriko; Izy no efa nitarika ahy namakivaky ny fahoriako tany an-tany foana; ary efa nitsimbina ahy tambonin’ny rano lalim-be.”5

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika dia samy handalo fanamby sy fitsapana avokoa isika eo amin’ny fiainantsika. Mazàna isika no takina hanao zavatra sarotra izay, raha andramana hatao irery dia, ho mavesatra sy mety tsy ho vita. Rehefa manaiky ilay fanasana nataon’ny Tompo manao hoe: “Mankanesa aty amiko”6 isika dia homeny izay fanampiana, sy fampiononana, ary fiadanana ilaina, tahaka ny nataony tamin’i Nefia sy i Joseph. Na dia mandritra ireo fitsapana faran’izay mafy aza dia afaka mahatsapa Azy mamihana antsika am-pitiavana isika rehefa mitoky Aminy sy manaiky ny sitrapony. Afaka miaina ny fifaliana natao ho an’ireo mpianany mahatoky isika satria i Kristy no fifaliana.”7

Tamin’ny 2014, raha nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno aho, dia sendra toe-javatra tsy nampoizina ny fianakavianay. Raha nidina havoana mideza iray tamin’ny planche à roulette iny ny zanakay faralahy dia nianjera ka niteraka ratra mety mahafaty tany amin’ny ati-dohany. Raha niharatsy ny toe-javatra nisy azy dia nentin’ireo mpitsabo faingana tany amin’ny fandidiana vonjy taitra izy.

Nandohalika teo amin’ny tany tao amin’ny hopitaly izay saika ngazana ny fianakavianay, namboraka ny fonay tamin’ Andriamanitra. Nandritra io fotoana nampitaintaina sy naharary io, dia heniky ny fitiavana sy ny fiadanan’ny Raintsika any An-danitra izahay.

Tsy fantatray izay ho aloaky ny ampitso na raha toa ka hahita ny zanakay lahy velona indray izahay. Fantatray mazava tsara fa teo am-pelatanan’ Andriamanitra ny ainy ary izay ho vokany rehetra, amin’ny fijery mibanjina ny mandrakizay, dia hiara-hiasa ho tombontsoany sy ho tombontsoanay. Tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy no nanomanana tanteraka anay hanaiky izay mety ho zava-mitranga.

Tsy mora taminay izany! Niteraka fijanonana roa volana tany amin’ny hôpitaly ilay loza raha sady niahy misiônera manompo amin’ny fotoana feno mihoatra ny 400 izahay. Niaina fahaverezam-pitadidiana lehibe ny zanakay lahy. Ho fanasitranana azy dia nandalo fitsaboana ny vatana sy ny fiteny ary ny fampiasan-tsaina izay lava sy sarotra izy. Na dia teo aza ireo fanamby dia nahita fahagagana izahay rehefa nandeha ny fotoana.

Takatray mazava tsara fa tsy ireo fitsapana rehetra atrehantsika akory no hanana ireo vokany iriantsika. Kanefa, rehefa mitoetra ho mifantoka amin’i Kristy isika dia hahatsapa fiadanana sy hahita ireo fahagagan’ Andriamanitra, na inona na inona izany, amin’ny fotoany sy amin’ny fombany.

Hisy ireo fotoana izay tsy hahafahantsika mahita mihitsy hoe ny toe-javatra iray mitranga amin’izao dia hiafara tsara ary mety hitenenantsika mihitsy tahaka an’i Nefia hoe: “Malahelo ny foko noho ny nofoko.”8 Mety hisy fotoana hoe ny hany fanantenana ananantsika dia ao amin’i Jesoa Kristy. Fitahiana lehibe ny manana izany fanantenana sy fitokiana izany ao Aminy. I Kristy no ilay hany tokana izay hitazona mandrakariva ireo fampanantenana nataony. Azo antoka ny fiadanany ho an’ireo rehetra izay manatona Azy.9

Ireo mpitarika antsika dia maniry mafy ny hahatsapan’ny rehetra ilay fiadanana sy fiononana avy amin’ny fitokiana sy ny fifantohana amin’ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

Ny mpaminanintsika velona, ny Filoha Russell M. Nelson, dia nampahafantatra ny vinan’ny Tompo ho an’izao tontolo izao sy ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy: “Ny hafatsika ho an’izao tontolo izao dia tsotra sy avy amin’ny fo: manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra ao amin’ny andaniny roa amin’ny voaly isika mba hanatona ny Mpamonjy azy ireo, handray ireo fitahian’ny tempoly masina, sy hanana fifaliana maharitra, ary ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay.”10

Io fanasana “hanatona an’i Kristy” io dia manana dikany manokana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.11 Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy antsika dia nanao fanekempihavanana Taminy isika ary lasa zanany lahy sy zanany vavy ara-panahy.12 Nomena fahafahana ihany koa isika hiara-hiasa amin’ny Tompo amin’ny fanasana ny hafa hanatona Azy.

Rehefa miara-miasa amin’i Kristy isika dia tokony ho ao an-tokantranontsika no ifantohan’ireo ezaka lehibe indrindra ataontsika. Hisy fotoana ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo namana akaiky no hisedra olana. Ny fitaoman’izao tontolo izao, ary mety ho ny fanirian’izy ireo ihany koa, dia mety hahatonga azy ireo hisalasala ny amin’ny fahamarinana. Tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika hanampiana azy ireo sady hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy no hahatsapa ny fitiavantsika. Tsaroako ilay andinin-tsoratra masina lasa fihirana tiantsika manao hoe “Aimez vos frères” izay mampianatra antsika hoe: “Izany no … hahafantaran’ny olona … fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.”13

Rehefa mitia an’ireo izay misalasala ny amin’ny fahamarinana isika, ilay fahavalon’ny fifaliana rehetra dia mety hiezaka ny hanao izay hahatsapantsika tena ho mamadika ireo izay tiantsika raha toa isika ka manohy miaina ny fahafenoan’ny filazantsara sy mampianatra ireo fahamarinana ao amin’izany.

Ny ohatra asehontsika amin’ny alalan’ny fanolorantenantsika manokana mba hitoetra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia hamaritra indrindra ny fahafahantsika manampy ny hafa hanatona an’i Kristy na hiverina amin’i Kristy.

Raha toa ny tena faniriantsika ka ny hamonjy ireo olona tiantsika, dia ny tenantsika mihitsy no tsy maintsy miara-mitoetra mafy orina amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fiangonany sy ny fahafenoan’ny filazantsarany.

Raha hiverenantsika ny tantaran’i Nefia dia fantatsika fa ny fironan’i Nefia tamin’ny fitokiana ny Tompo dia vokatry ny fironan’ny ray aman-dreniny tamin’ny fitokian’izy ireo amin’ny Tompo ary tamin’ny ohatry ny fitandremana fanekempihavanana nasehon’izy ireo. Miseho amin’ny fomba kanto ao anatin’ilay fahitan’i Lehia momba ny hazon’aina izany. Rehefa avy nihinana tamin’ny voan’ny hazo izay mamy sy mampahafaly i Lehia dia “nanopy ny maso[ny] manodidina [izy], fa angamba mba mety ho hita[ny] koa ny ankohona[ny].”14 Hitany i Sarià, sy i Samy, ary i Nefia nijoro “toy ny tsy nahafantatra izay tokony halehany.”15 Hoy i Lehia avy eo hoe: “Nohofaiko tanana izy ireo; ary nolazaiko azy ireo koa tamin’ny feo avo fa tokony hanatona ahy izy ireo ary hihinana amin’ny voankazo.”16 Mariho tsara fa i Lehia dia tsy niala teo amin’ilay hazon’aina. Nitoetra ara-panahy niaraka tamin’ny Tompo izy ary nanasa ny fianakaviany hankeo amin’ny misy azy mba hanandrana ilay voankazo.

Haka fanahy ny sasany ilay fahavalo mba hiala amin’ny fifalian’ny filazantsara amin’ny alalan’ny fialana amin’ireo fampianaran’i Kristy avy amin’ny Fiangonany. Hataony izay hinoantsika fa afaka mijanona ho mafy orina eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana samirery isika, amin’ny alalan’ny haim-panahintsika manokana, tsy ao anatin’ny Fiangonany.

Amin’izao andro farany izao, ny Fiangonan’i Kristy dia naverina tamin’ny laoniny mba hanampy ireo zanak’i Kristy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana hitoetra eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana isika dia mamaky hoe: “Indro izao no fotopampianarako—na zovy na zovy no mibebeka ka manatona Ahy, dia izy no fiangonako.”17

Amin’ny alalan’ny Fiangonan’i Kristy dia ampatanjahina amin’ny alalan’ny ireo zavatra iainantsika ao anatin’ny fiaraha-monin’ny Olomasina misy antsika isika. Mandre ny feony isika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny, sy mpahitany ary mpanambarany. Ary ny manan-danja indrindra, amin’ny alalan’ny Fiangonany isika dia omena ireo fitahiana ilaina rehetra avy amin’ny Sorompanavotan’i Kristy izay tsy tanteraka raha tsy amin’ny fandraisana anjara amin’ireo ôrdônansy masina.

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonan’i Kristy eto an-tany, naverina tamin’ny laonina amin’izao andro farany izao ho tombontsoan’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa manatona an’i Kristy sy miaina amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika isika dia hahazo ny fitahian’ny fitomboana ao amin’ny fitiavany sy ny fifaliany ary ny fiadanany. Tahaka an’i Nefia dia afaka manao zavatra sarotra sy manampy ny hafa hanao torak’izany koa isika noho ny fahafantarantsika hoe Iza no itokiantsika.18 I Kristy no fahazavantsika sy fiainantsika ary famonjena antsika.19 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.