2020
Loholona Thierry K. Mutombo
Mey 2020


Loholona Thierry K. Mutombo

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsara ny Loholona Thierry K. Mutombo tamin’izy nandray ny antsony hanao asa fitoriana fony izy tovolahy. Natao batisa niaraka tamin’ny fianakavian izy fony izy 10 taona ary nahita ny fomba mahery vaika nanovan’ny filazantsara ny fianakaviany.

Saingy na dia niomana ny hanao asa fitoriana tany amin’ny Misiônan’i Abidjan Côte d’Ivoire aza izy, dia tsy nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny Bokin’i Môrmôna. Tsy mbola namaky izany izy teo aloha.

Nampanaovan’ilay evekany izay nahazo fanentanam-panahy fanamby i Thierry mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna isan’andro mialoha ny handehanany hanao ny asa fitoriany. Nomeny an’i Thierry mihitsy aza ny fanalahidin’ny trano fiangonana teo an-toerana mba hahafahany mandalina amim-pilaminana.

Namaky izany isan’andro tao anatin’ny telo volana i Thierry. Rehefa niditra ny sahan’ny misiôna izy, dia tsy vitan’ny hoe nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny Bokin’i Môrmôna fotsiny fa lasa nanana fahazarana mandalina koa izay nanampy azy tamin’ny naha-misiônera azy.

“Ny Bokin’i Môrmôna no fitaovana faran’izay lehibe ananantsika mba hitondrana olona eo amin’ny fahazavan’ny filazantsara sy mba hanangonana an’i Isiraely niely patrana,” hoy izy.

Naterak’i Antoine Kasuangi Mutombo sy i Marie Therese Matsanga Mutombo tao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo tamin’ny 31 janoary 1976 i Thierry Kasuangi Mutombo. Nivady ara-panjakana izy sy i Tshayi Nathalie Sinda tamin’ny 29 nôvambra 2002. Nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Johannesburg Afrika Atsimo izy ireo taty aoriana tamin’ny 19 nôvambra 2004. Manan-janaka enina izy ireo.

Nahavita fianarana tao amin’ny University of Cepromad ny Loholona Mutombo tamin’ny 2010 izay nahazoany mari-pahaizana momba ny gestion d’entreprise ary tamin’ny 2012 izy dia nahazo mari-pahaizana licence en ressources humaines. Niasa ho an’ny Fiangonana tao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo izy ka mpitantana tao amin’ny Departemanta misahana ny tantaram-pianakaviana sy ny Departemanta misahana ny fikarakarana ny mpiasa ary tompon’andraikitra tao amin’ny Departemanta misahana ny fandrindrana ireo fitaovana.

Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony, dia filohan’ny Misiônan’i Baltimore Maryland ny Loholona Mutombo. Izy teo aloha dia efa filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, tompon’andraikitra misahana ny asa fitoriana teo anivon’ny paroasy, mpampianatra tao amin’ny Sekoly Alahady ary mpitantsoratra mpanatanteraka teo anivon’ny tsatòka.