2020
Ny Fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna
Mey 2020


Ny Fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna

Ireo tranga ara-tantara sy ireo vavolombelona manokan’ny Bokin’i Môrmôna dia manamarina fa tena fahagagana tokoa ny fivoahany.

Indray mandeha raha nivory niaraka tamin’ireo loholon’ny Fiangonana ny mpaminany Joseph Smith dia nanambara hoe: “Esory ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fanambarana dia aiza ny fivavahantsika? Tsy manana isika.”1 Ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, taorian’ny Fahitana Voalohany, ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fomba mahagaga no dingana faharoa tena manan-danja teo amin’ilay Famerenana miandalana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny amin’izao fotoampitantanana izao, taorian’ny Fahitana Voalohany. Ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra an’ireo zanany, momba ny sorompanavotana masina sy feno fandavan-tena nataon’i Jesoa Kristy Tompo, ary momba ny fanompoana faratampony nataony teo anivon’ireo Nefita fotoana fohy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.2 Izany ihany koa dia mijoro ho vavolombelona fa ny sisa tavela amin’ny mpianakavin’ i Isiraely dia ho lasa iray amin’ny alalan’ny asa hataony amin’ny andro farany ary tsy holavina mandrakizay izy ireo.3

Rehefa mandalina ny fivoahan’ity boky soratra masina ity isika amin’izao andro farany izao dia lasa mahatsapa fa fahagagana izy manontolo—nanomboka tamin’ny nahazoan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo takela-bolamena avy tamina anjely masina ka hatramin’ny nandikana azy “tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra,”4 ny nitsimbinana azy, ary ny namoahana azy teo ambany fitantanan’ny Tompo.

Ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia efa nanomboka ela be talohan’ny nandraisan’i Joseph Smith ireo takela-bolamena avy teny an-tanan’ny anjely Môrônia. Mpaminany maro fahiny no naminany momba ny fahatongavan’ity boky masina ity amin’izao androntsika izao.5 Niresaka momba ny boky iray voaisy tombo-kase i Isaia, hoe amin’ny fotoana izay hipoiran’izany dia hifanditra momba ny tenin’ Andriamanitra ny olona. Izany toe-javatra izany no hanome sehatra hahafahan’ Andriamanitra manatontosa ilay asany izay “zava-mahagaga sy mahatalanjona,” izay haha-“foana ny fahendren’ny olon-kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan’ny mazava sainany” raha toa ka ny mpandefitra kosa “hitombo hafaliana amin’i Jehovah, ary ny malahelo ao amin’ny olona dia hifaly amin’ny Iray masin’ny Isiraely.”6 I Ezekiela dia niresaka momba ny tapa-kazon’i Joda (ny Baiboly) sy ny tapa-kazon’i Efraima (ny Bokin’i Môrmôna) izay hatambatra ho iray. Na i Ezekiela (ao amin’ny Testamenta Taloha) na i Lehia (ao amin’ny Bokin’i Môrmôna) dia samy nilaza fa izy ireo dia “hitambatra” hanaporofo ny mahadiso ny fotopampianarana sandoka sy hampiorina fiadanana ary hitondra antsika amin’ny fahalalana ireo fanekempihavanana.7

Tamin’ny takarivan’ny 21 septambra 1823, telo taona sy tapany taorian’ny niainan’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany, dia niseho taminy ny anjely Môrônia, ilay mpaminany Nefita farany tany Amerika fahiny, in-telo, vokatry ny vavaka tamin-kitsim-po izay nataony. Nandritra ny fihaonan’izy ireo izay naharitra ny alina manontolo dia nilaza tamin’i Joseph i Môrônia fa nanana asa iray mahatalanjona ho ampanaovina azy Andriamanitra—dia ny fandikana sy ny fampielezana amin’izao tontolo izao ny teny nentanim-panahin’ireo mpaminany fahiny tany amin’ny kaontinanta Amerikana.8 Ny andro nanaraka izany dia nandeha i Joseph tany amin’ilay toerana tsy dia lavitra ny tranony, izay nandevenan’i Môrônia an’ireo takelaka tany am-paran’ny androm-piainany, taonjato maro lasa tany aloha. Teo amin’io toerana io i Joseph dia nahita an’i Môrônia indray, izay nanoro azy mba hiomana handray ireo takelaka any aoriana.

Nandritra ny efa-taona taorian’io, isan-taona isaky ny 22 septambra, dia nandray fampianarana fanampiny avy tamin’i Môrônia i Joseph momba ny fahalalana mikasika ny fomba tokony hitantanana ny fanjakan’ny Tompo amin’ny andro farany. Tao anatin’ny fiomanan’i Joseph ihany koa ny famangian’ireo anjelin’ Andriamanitra, ka nampipoitra tsikelikely ny maha-zava-dehibe sy ny voninahitr’ireo tranga izay ho tanteraka amin’ity fotoampitantanana ity.9

Anisan’izany fiomanana izany ny fanambadiany an’i Emma Hale tamin’ny 1827. Nanana anjara asa lehibe tokoa i Emma tamin’ny nanampiany ny Mpaminany nandritra ny androm-piainany sy ny asa fanompoany. Raha ny marina, tamin’ny septambra 1827, dia niaraka tamin’i Joseph tany amin’ilay tendrombohitra nanafenana ireo takelaka i Emma, ary niandry azy raha nanolotra ireo rakitsoratra ho eny am-pelatanan’i Joseph i Môrônia. Nahazo fampanantenana i Joseph fa ho voatsimbina ireo takelaka ireo raha toa ka hanao ny ezaka rehetra izy hiarovana azy ireo mandra-pamerenana azy ireo indray ho eo am-pelatanan’i Môrônia.10

Ry mpiara manompo amiko ato amin’ny filazantsara, ny ankamaroan’ ireo valim-pikarohana hita ankehitriny momba ny fotoana fahagola no mitranga mandritra ny fanaovana fikarohana ambany tany na koa aza rehefa manao tetikasa fanorenana trano. Fa i Joseph Smith kosa dia notarihin’anjely iray ho any amin’ireo takelaka. Izany fotsiny dia efa fahagagana.

Fahagagana ihany koa ny fizotran’ny nandikana ny Bokin’i Môrmôna. Io rakitsoratra fahiny io dia tsy “nadika” tamin’ny fomba mahazatra fanaon’ireo mpandalina ny asa soratra fahagola amin’ny alalan’ny fianarana fiteny fahagola. Tokony hojerentsika amin’ny maha “fanambarana” azy ilay dingana, miaraka amin’ny fanampian’ny fitaovana azo tsapain-tanana natolotry ny Tompo, fa tsy toy ny “fandikana” ataon’olona iray manana fahalalana momba ny fiteny. Nanambara i Joseph Smith hoe tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra, “no nandika[ny] ny Bokin’i Môrmôna avy tamin’ny tarehintsoratra egyptiana fahagola, izay very teo amin’izao tontolo izao ny fahalalana momba azy, ary nijoro irery tao anatin’izany trangan-javatra mampitolagaga izany [izy], zatovo tsy nanam-pahalalana, mba hiady amin’ny fahendren’ny tany sy ireo tsy fahalalana maro tamin’ny taonjato fahavalo ambin’ny folo, tamin’ny alalan’ny fanambarana iray vaovao.”11 Miharihary ihany koa ny fanampian’ny Tompo tamin’ny nandikana ireo takelaka, na fanambarana raha izay no hilazana izany, raha jerena ny fotoana fohy dia fohy feno fahagagana izay nandikan’i Joseph Smith an’izany.12

Ireo mpitantsoratr’i Joseph dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny herin’ Andriamanitra izay tsapa rehefa teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna. Hoy i Oliver Cowdery indray mandeha: “Andro izay tsy hohadinoina na oviana na oviana ireny—ny mipetraka mihaino ny feo tononin’ny fitaoman’ny lanitra dia nanaitra ny fankasitrahana lalina indrindra avy tao amin’ity tratra ity! Isan’andro isan’andro dia notohizako tsy an-kiato ny fanoratana izay miloaky ny vavany, raha [teo am-pandikana] … -ny Bokin’i Môrmôna- [izy].”13

Ireo loharano ara-tantara dia maneho fa nanomboka tamin’ny fotoana izay nahazoan’i Joseph ireo takelaka tamin’ny 1827 dia imbetsaka no nisy nanandrana hangalatra azy ireo taminy. Nanoratra izy hoe “nampiasaina ny fanerena mahery vaika indrindra mba hanesorana [ireo takelaka taminy]” ary “nampiasaina izay tetika rehetra azo foronina hanatanterahana izany.”14 Tamin’ny farany i Joseph sy i Emma dia voatery niala tao Manchester, New York, ho any Harmony, Pennsylvania, mba hahitana toerana azo antoka hanohizana ny asa fandikanteny, lavitra an’ireo andian’olon-dratsy sy ireo olona izay nikatsaka hangalatra ireo takelaka.15 Araka ny voamariky ny mpahay tantara iray: “Toy izany no niafaran’ny dingana sarotra voalohany tamin’ny fikajian’i Joseph ireo takelaka. … Na dia izany aza dia voaro ilay rakitsoratra, ary tao amin’ny fiezahan’i Joseph mafy ny hitsimbina izany dia tsy azo hiodivirana fa nianatra betsaka tokoa i Joseph momba ireo fomban’ Andriamanitra sy ny an’olombelona izay hanampy azy tsara amin’ny fotoana ho avy.”16

Nianatra i Joseph raha teo am-pandikana ny Bokin’i Môrmôna fa ny Tompo dia hisafidy vavolombelona izay hahita ireo takelaka.17 Izany no ampahan’ny zavatra izay ny Tompo mihitsy no nametraka azy rehefa nilaza Izy hoe “Ary amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana ny teny rehetra.”18 I Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris, izay anisan’ireo naman’i Joseph tany amboalohany tamin’ny fanorenana ilay asa mahatalanjon’ Andriamanitra amin’izao fotoampitantanana izao, no vavolombelona voalohany voantso hizara fijoroana ho vavolombelona manokana mikasika ny Bokin’i Môrmôna. Nijoro ho vavolombelona izy ireo fa nisy anjely iray izay avy teo anatrehan’ny Tompo ary nampiseho azy ireo ilay rakitsoratra fahiny, ary koa hoe hitan’izy ireo maso ireo endri-tsoratra voasokitra teo amin’ireo takelaka. Nijoro ho vavolombelona koa izy ireo fa nandre ny feon’ Andriamanitra avy any an-danitra nanambara fa ireo rakitsoratra fahiny dia voadika tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra sy ny heriny. Avy eo izy ireo dia nodidiana hijoro ho vavolombelona momba izany amin’izao tontolo izao.19

Niantso tamin’ny fomba mahagaga vavolombelona valo hafa koa ny Tompo mba hahita mivantana ireo takela-bolamena ary mba ho vaolombelona manokana ny amin’ny fahamarinana sy ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Nijoro ho vavolombelona izy ireo fa nahita sy nandinika tsara ireo takelaka sy ireo soratra voasokitra teo amin’ireo. Na dia tao anatin’ny fisedrana sy fanenjehana sy karazana fahasarotana rehetra, ary na dia nihozongozona aza ny finoan’ny sasany tamin’izy ireo taty aoriana, ireo vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna iraika ambin’ny folo voafidy ireo dia tsy nanda na oviana na oviana ny teny vavolombelon’izy ireo hoe nahita an’ireo takelaka. Tsy irery intsony i Joseph Smith teo amin’ny fahafantarana ireo fitsidihan’i Môrônia sy ireo takela-bolamena.

Noraketin’i Lucy Mack Smith fa tonga tao an-trano feno firavoravoana ny zanany lahy taorian’ny nampisehoana ireo takelaka tamin’ireo vavolombelona. Nanazava tamin’ny ray amandreniny i Joseph hoe “Ary tsapako ho toy ny hoe nisy enta-mavesatra nesorina tamiko, izay efa saika mavesatra [loatra] ka tsy haiko ho zakaina; ary mahafaly ny foko ny hoe tsy irery tanteraka intsony aho eto amin’izao tontolo izao.”20

Nisedra fanoherana maro i Joseph Smith tamin’ny nanontana ny Bokin’i Môrmôna rehefa tapitra ny fandikana an’izany. Tsy vitany ny nandresy lahatra ny mpanao printy iray nantsoina hoe Egbert B. Grandin tao Palmyra, New York, hanao printy azy io raha tsy efa nanao antoka ny tanim-boliny i Martin Harris, ho fanehoana finoana sy fahafoizan-tena goavana. Noho ilay fanoherana tsy tapaka taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna, tamin’ny ampahany, no namarotan’i Martin Harris tamim-pahatokiana ny 61 ektara (0.6 km2) tamin’ny tanimboliny mba hanefana ny saran’ny fanontana. Tamin’ny alalan’ny fanambarana nomena an’i Joseph Smith no nanoroan’ny Tompo an’i Martin Harris mba tsy hitsiriritra ny fananany ka handoa ny saran’ny fanontana ilay boky izay nirakitra “ny fahamarinana sy ny tenin’ Andriamanitra.”21 Tamin’ny martsa 1830 dia voatonta ny Bokin’i Môrmôna miisa 5000 voalohany, ary ankehitriny dia efa mihoatra ny 180 tapitrisa no efa natonta tamin’ny fiteny mihoatra ny zato.

Ireo tranga ara-tantara sy ireo vavolombelona manokan’ny Bokin’i Môrmôna dia manamarina fa tena fahagagana tokoa ny fivoahany. Na dia izany aza, ny herin’io boky io dia tsy mifototra fotsiny amin’ny tantarany mahatalanjona fa amin’ny hafatra mahery vaika sy tsy manam-paharoa raketiny izay nanova fiainan’olona tsy tambo ho isaina—anisan’izany ny ahy.

Sambany nahavaky manontolo ny Bokin’i Môrmôna aho fony aho mbola zatovo mpianatra seminera. Araka ny toromarika nomen’ireo mpampianatra ahy dia natomboka novakiana tamin’ireo pejy fanolorana izany. Mbola manakoako ato antsaiko ilay fampanantenana voarakitra ao amin’ireo pejy voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna manao hoe: “[Saintsaino] ao am-pon[ao] … avy eo dia hanontan[io am-pinoana] … Andriamanitra … amin’ny anaran’i Kristy, raha marina ny boky. Ireo izay manaraka izany torolalana izany … dia hahazo ny fanambaran’ny fahamarinany sy ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.”22

Rehefa tao an-tsaiko io fampanantenana io, ka nikatsaka tamin-kitsim-po ny hahafantatra misimisy kokoa momba ny fahamarinany, tao anatin’ny fanahin’ny vavaka, dia nohalaliniko ny Bokin’i Môrmôna, tsikelikely, raha namita ireo leson’ny seminera nampanaovina isan-kerinandro. Tsaroako, toy ny vao omaly, fa nisy fahatsapana hafanana nanomboka nivelatra tato amin’ny fanahiko sy nameno ny foko, nanazava ny fahatakarako ary nanomboka tena nankafiziko kokoa hatrany, araka ny voasoritr’i Almà tamin’izy nitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny vahoakany.23 Niova ho fahalalana izany niorim-paka tao am-poko izany fahatsapana izany taty aoriana ka lasa fototry ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ireo tranga sy fampianarana manan-danja ao anatin’io boky masina io.

Tamin’ny alalan’ireo sy ireo traikefa manokana sarobidy hafa no nahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho lasa tena vato ifaharana izay manohana ny finoako an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny fotopampianaran’ny filazantsarany. Izy io dia lasa iray amin’ireo andry izay mijoro ho vavolombelona amiko mikasika ilay sorona fanavotana masina nataon’i Kristy. Lasa ampinga ho ahy mandritra ny androm-piainako izany hiarovana amin’ireo fikasan’ny fahavalo hampalemy ny finoako sy ampidirana tsy finoana ato an-tsaiko ary manome herim-po ahafahako manambara amim-pasahiana ny fijoroako ho vavolombelona momba ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao.

Ry namako malala isany, ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Bokin’i Môrmôna dia tonga andalana nanampy andalana24 toy ny fahagagana ho an’ny foko. Hatramin’izao, io fijoroana ho vavolombelona io dia mbola mitombo hatrany araka ny hanohizako mikaroka amin-kitsimpo mba hahatakarana feno kokoa ny tenin’ Andriamanitra araka izay voarakitra ao amin’io bokin-tsoratra masina mahatalanjona io.

Ho an’ireo rehetra izay mandre ny feoko ankehitriny, dia manasa anareo aho mba handray anjara amin’ilay fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fomba mahagaga ao amin’ny fiainanareo manokana. Mampanantena anareo aho, fa rehefa mandalina amim-bavaka ary tsy tapaka ny teny raketiny ianareo dia afaka misitraka ireo fampanantenana omeny sy ireo fitahiana tsara dia tsara eo amin’ny fiainanareo. Averiko hamafisina indray ilay fampanantenana izay manakoako manerana ireo pejiny: hoe raha “[manontany] an’ Andriamanitra, ilay Ray mandrakizay [ianareo], amin’ny anaran’i Kristy, raha tsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy,” dia hamindra fo Izy ka “haneho ny fahamarinan’izany aminareo … amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”25 Afaka manome toky anareo aho fa hanome valiny anareo Izy amin’ny fomba tena manokana, tahaka ny nataony tamiko sy tamin’ireo maro hafa manerana an’izao tontolo izao. Io traikefanareo io dia ho feno voninahitra sy masina aminareo tahaka ny an’i Joseph Smith taminy, toy izany koa tamin’ireo vavolombelona voalohany sy tamin’ireo rehetra izay nikatsaka ny handray teny vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’io boky masina io sy ny maha azo itokisana azy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tena tenin’ Andriamanitra marina ny Bokin’i Môrmôna. Mijoro ho vavolombelona aho fa io rakitsoratra masina io dia “manazava ny fotopampianaran’ny filazantsara …, manoritsoritra ny drafitry ny famonjena ary milaza amin’ny olona ny tsy maintsy hataony hahazoana fiadanana eo amin’ity fiainana ity sy famonjena mandrakizay amin’ny fiainan-ko avy.”26 Mijoro ho vavolombelona aho fa fitaovan’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna hanatanterahana ny fanangonana an’i Isiraely amin’izao androntsika izao ary hanampiana ny olona hahafantatra an’i Jesoa Kristy Zananilahy. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra ary tia antsika, ary i Jesoa Kristy Zanany Lahy no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ilay vato fehizoron’ny fivavahantsika. Ambarako ireo zavatra ireo amin’ny anarana masin’ilay Mpanavotra sy Mpampianatra ary Tompontsika, dia i Jesoa Kristy, amena.