2020
Mba hahazoany mahita
Mey 2020


Mba hahazoany mahita

Mitadiava ary mivavaha mba hanana fahafahana hampamirapiratana ny fahazavanareo mba hahazoan’ny hafa mahita ny lalana mankany amin’i Jesoa Kristy.

Ranadahy sy rahavavy, notahiana sy nohavaozin’ny Fanahy izay tsapantsika nandritra ity fihaonambe ity ny fontsika.

Sary
Andrim-pahazavana

Roanjato taona lasa izay no nisy andrim-pahazavana nitranga teo amina zatovolahy iray tany an’alakely iray. Tao amin’izany fahazavana izany i Joseph Smith no nahita an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy, Zanakalahiny. Nampisinda ny haizina ara-panahy izay nandrakotra ny tany ny fahazavan’Izy Ireo ary nampiseho an’i Joseph Smith sy antsika rehetra ny zavatra tokony hatao. Noho ilay fahazavana nambara tamin’io andro io dia afaka mandray ny fahafenoan’ireo fitahiana misy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika.

Noho ny Famerenana tamin’ny laoniny ny filazantsarany dia afaka ny hofenoina amin’ny fahazavan’ny Mpamonjy antsika isika. Saingy tsy natao ho ahy sy ianao ihany izany fahazavana izany. Niantso antsika i Jesoa Kristy manao hoe: “aoka ny fahazavanareo hamiratra eo anoloan’ity vahoaka ity mba hahazoany mahita ny asa soanareo sy hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.”1 Lasa tiako ilay teny hoe: “mba hahazoany mahita.” Fanasana tsotra sy mafonja avy amin’ny Tompo izany mba ho amin’ny nahim-po kokoa ny fanampiana ny hafa hahita ilay lalana mankany amin’i Kristy ka hanatonany an’i Kristy.

Sary
Loholona L. Tom Perry

Fony aho 10 taona dia fahafahana lehibe ho an’ny fianakavianay ny nampiantrano ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nandritra ny iraka notontosainy tao amin’ny tanàna nisy anay.

Nony hariva ny andro dia nipetraka tao amin’ny efitrano fandraisam-bahininay ny fianakavianay sy ry Perry mianakavy mba hankafy tarte aux pommes matsiro namboarin’ny reniko nandritra ny fitantaran’ny Loholona Perry tantara momba ireo Olomasina manerana izao tontolo izao. Tena nitolagaga aho.

Efa alina ny andro raha niantso ahy ho any an-dakozia ny reniko ka nanontany ahy tsotra hoe: “Bonnie a, nomenao hanina ve ny akoho?”

Niontan’ny alahelo ny foko; tsy namahana akoho aho. Tsy te-hiala teo anatrehan’ny Apôstôlin’ny Tompo aho ka nolazaiko hoe afaka mifady hanina mandra-paraina aloha ny akoho.

Tsy ankan-dahatra fa dia “tsia” no valin-tenin-dreniko. Tamin’izay indrindra no niditra ny lakozia ny Loholona Perry ary niteny tamim-pientanentanana tamin’ny feony mangoboka hoe: “Reko hoe misy olona mila mamahana akoho? Afaka manampy anao ve izaho sy ny zanako lahy?”

Lasa hafaliana lehibe ho ahy ny namahana akoho! Nihazakazaka aho naka ilay jiro pika lehibe anay. Nientanentana ery aho nialoha lalana sady nitsambikimbikina erak’ilay lala-masaka mihazo ny toeram-piompiana akoho. Niaraka tamin’ilay jiro pika nisavilivily teny an-tanako, iny izahay namakivaky ny tanin-katsaka sy ny saham-barimbazaha.

Rehefa teo amin’ilay tatatra kely manapaka ny lalana dia nitsambikina avy hatrany aho niampita toy ny fanaoko tamin’ireo alina imbetsaka teo aloha. Tsy tao an-tsaiko ny fikirizan’ny Loholona Perry mba haharaka ny dia ao anaty haizina, amina lalana tsy fantatra. Tsy nanampy azy hahita ilay tatatra ny jiro pikako mikivilivily. Noho ny tsy fahampian’ny hazavana mba ahitana dia latsaka avy hatrany tanaty rano izy sady nidridridridry. Nikoropaka aho nitodika ka nahita ilay namako vaovao nanala ny tongony kotsan-drano tao amin’ilay tatatra sady nanifika ny rano hiala tamin’ilay kirarony hoditra matevina.

Nanampy ahy namahana akoho ny Loholona Perry niaraka tamin’ny kiraro kotsa sy vonton-drano. Rehefa vitanay ny asa dia tamim-pitiavana no nanoroany ahy hoe: “Bonnie a, mila mahita ny lalana aho. Ilaiko mba hanilo ny lalana itsahiko ny jiro.”

Narehitro ny jiroko fa tsy tamin’ny fomba izay ho nanampy ny Loholona Perry. Noho ny fahafantarana fa nila ilay jiroko izy mba hahafahany mamakivaky tsara ilay lalana dia nafantoko teo amin’ny faritra manoloana ny tongony mamindra izany ka afaka niverina tany an-trano tamim-pitokiana izahay.

Ry anadahy sy rahavavy malalako, aman-taona no efa nisaintsainako momba ny fitsipika nianarako avy tamin’ny Loholona Perry. Ny fanasan’ny Tompo mba hamela ny fahazavantsika hamiratra dia tsy hoe mampikivilivily ny tara-pahazavana fotsiny sy manao izay hampazava kokoa izao tontolo izao fotsiny. Fa mampifantoka kosa ny fahazavantsika mba hahafahan’ny hafa mahita ny lalana mankany amin’i Kristy. Fanangonana an’i Isiraely eto amin’ity lafiny ilany amin’ny voaly ity izany, fanampiana ny hafa hahita ny dingana hirosoana manaraka amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra sy fitandremana izany.2

Nijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy manao hoe: “Indro Izaho no fahazavana; efa nanome ohatra ho anareo Aho.”3 Handeha hojerentsika ny iray amin’ireo ohatra nomeny.

Ilay vehivavy teo am-patsakana dia Samaritana izay tsy nahalala an’i Jesoa Kristy ary noraisin’ny rehetra ho olona fanilika teo amin’ny fiaraha-monina nisy azy ihany. Tafahaona taminy i Jesoa ka nanomboka resaka. Resaka rano no noresahany taminy. Avy eo dia nosarihany tamina fahatakarana misimisy kokoa izy raha nanambara ny Tenany ho ny “rano velona.”4

Fantatr’i Kristy tamim-pamindram-po izy sy ny zavatra nilainy. Nihaona tamin’ilay vehivavy teo amin’ny toerana nisy azy Izy ary nanomboka niresaka momba ny zavatra nahazatra sy tsy zoviana taminy. Raha nijanona tamin’izay ny resak’izy ireo dia mety ho fihaonana tsara izany. Saingy tsy ho nitondra tamin’ny fankanesany tany an-tanàna izany mba hanambara hoe: “Handeha hizaha … : Izao angaha no Kristy?”5 Lasa fantany tsikelikely tamin’ilay resadresaka i Jesoa Kristy ary na dia teo aza ny lasany, dia lasa ohatry ny loharanom-pahazavana ho an’ny hafa izy, nanazava ny lalana mba hahazoan’ny hafa mahita.6

Izao dia handeha isika hijery olona roa izay nanaraka ny ohatra nomen’ny Mpamonjy ny amin’ny famirapiratana ny fahazavana. Vao haingana i Kevin namako no nipetraka nisakafo teo akaikina talen’orinasa iray. Niasa saina momba ny zavatra horesahina mandritra ny adiny roa izy. Fitaomam-panahy no narahin’i Kevin ka nanontany izy hoe: “Lazao ahy hoe ny mombamomba ny fianakavianareo. Avy aiza izy ireo?”

Zara raha hain’ilay rangahy ny momba ny firazanany ka navoakan’i Kevin ny telefaoniny sady niteny hoe: “Manana application mampifandray ny olona amin’ny fianakaviany aho. ‘Ndeha horejerentsika hoe inona no mety ho hitantsika.”

Taorian’ny resadresaka naharitra ela dia nanontany toy izao ilay naman’i Kevin vaovao: “Nahoana no tena zava-dehibe tokoa amin’ny fiangonanareo ny fianakaviana?”

Namaly tsotra fotsiny i Kevin hoe: “Mino izahay fa mitohy ny fiainantsika aorian’ny hahafantesantsika. Raha toa ka tadiavintsika ireo razambetsika ary entintsika any amin’ny toerana masina iray antsoina hoe tempoly ny anaran’izy ireo, dia azontsika atao ny ôrdônansin’ny fanambadiana izay mampiray mandrakizay ny fianakaviantsika na dia aorian’ny fahafatesana aza.”7

Tamin’ny zavatra niraisan’izy sy ilay namany vaovao no nanombohan’i Kevin ny resany. Avy eo dia nahita fomba hijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahazavana sy ny fitiavan’ny Mpamonjy izy.

Ny tantara faharoa dia momba an’i Ella, mpilalao baskety any amin’ny oniversite iray. Ny ohatra nasehony dia niantomboka tamin’ny fotoana nahatongavan’ny antsony ho amin’ny fitoriana filazantsara raha mbola tany am-pianarana izy. Nisafidy ny hanokatra ilay taratasy fiantsoana azy teo anoloan’ny ekipany izy. Saika ho tsy misy na inona na inona fantatr’izy ireo momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ary tsy takatr’izy ireo ny fanirian’i Ella hitory ny filazantsara. Nivavaka imbetsaka izy mba hahalala ny fomba hanazavana ny fiantsoana azy hitory filazantsara amin’ny fomba izay hahatsapan’ireo mpiray ekipa taminy ny Fanahy. Inona no valiny?

“Nanao PowerPoint aho,” hoy i Ella, “satria tiako ny misintona ny fifantohan’ny hafa.” Notantarainy azy ireo ny mety hahafahan’ny olona iray manompo amin’ny iray amin’ireo misiôna mihoatra ny 400 sy ny mety hianarana fiteny hafa. Nambarany fa an’arivony maro ireo misiônera efa manompo. Nofaranan’i Ella tamin’ny sarin’ny Mpamonjy sy ity fijoroana ho vavolombelona fohy ity hoe: “Iray amin’ireo zavatra manan-danja indrindra eo amin’ny fiainako ny baskety. Nandehandeha manerana ny firenena aho ary nandao ny fianakaviako mba hilalao ho an’ity mpanazatra ity sy miaraka amin’ity ekipa ity. Ny hany zavatra roa hafa manan-danja amiko ankoatra ny baskety dia ny finoako sy ny fianakaviako.”8

Raha sendra mieritreritra ianareo hoe: “Takamoa 1.000-watts ireo, fa izaho kosa 20-watts,” dia tsarovy fa nijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy hoe, “Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony.”9 Ampahatsiahiviny antsika fa Izy no hitondra ny fahazavana raha mampitodika fotsiny ny hafa any Aminy isika.

Manana fahazavana ampy hozaraina izaho sy ianao amin’izao ankehitriny izao. Afaka manazava ny dingana manaraka isika mba hanampiana olona iray hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy, ary avy eo ny dingana manaraka sy izay aorian’izay.

Manontania tena hoe: “Iza no mila ny fahazavana anananao mba hahitany ny lalana tokony alehany kanefa tsy mahita izany?”

Ry namako malala, nahoana no tena manan-danja ny fampamirapiratana ny fahazavantsika? Nilaza tamintsika ny Tompo fa “mbola misy maro eto an-tany … tsy hahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany izay ahitana izany fotsiny.”10 Afaka manampy isika. Afaka mampamiratra ny fahazavantsika amin’ny nahim-po isika mba hahazoan’ny hafa mahita. Afaka manao fanasana isika.11 Afaka miara-dia amin’ireo izay manao dingana miroso mankany amin’ny Mpamonjy isika na mampiahotra toy ny ahoana aza izany dingana izany. Afaka manangona an’i Isiraely isika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia hampahery vaika ny ezaka madinika rehetra. Hilaza amintsika izay tokony holaizana sy hatao ny Fanahy Masina. Ny fiezahana toy izany dia mety hila antsika hanao zavatra mety tsy hampahazo aina antsika kanefa afaka matoky isika fa ny Tompo dia hanampy antsika hampamiratra ny fahazavantsika.

Tena feno fankasitrahana aho noho ny fahazavan’ny Mpamonjy izay manohy mitarika ity Fiangonana ity amin’ny alalan’ny fanambarana.

Sary
Jesoa mihazona jiro

Manasa antsika rehetra aho mba hanaraka ny ohatra nomen’i Jesoa Kristy sy hijery amim-pangorahana ireo manodidina antsika. Mitadiava ary mivavaha mba hanana fahafahana hampamirapiratana ny fahazavanareo mba hahazoan’ny hafa mahita ny lalana mankany amin’i Jesoa Kristy. Lehibe ny fampanantenana nomeny: “Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.”12 Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy, no lalana, fahamarinana, sy fiainana, ary fitiavana ho an’izao tontolo izao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.