2020
Fahatanterahan’ny faminaniana
Mey 2020


Fahatanterahan’ny faminaniana

Betsaka ireo faminaniana izay tanteraka tamin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, voninahitra ho ahy ny miresaka amin’izao fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manan-tantara izao izay ankalazana ny Fahitana Voalohany nahitan’i Joseph Smith an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany, tao amin’ilay toerana izay tsy isalasalana fa Ala kely Masina. Io fahitana io no nanokatra tamin’ny fomba mahatalanjona ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy izay tranga rehetra naterak’io, nanomboka tamin’ny Bokin’i Môrmôna ka hatramin’ny fiverenan’ny fahefana sy ny fanalahidin’ny fisoronana, ny fitsanganan’ny Fiangonana marin’ny Tompo, ireo tempolin’ Andriamanitra, ary ireo mpaminany sy apôstôly izay mitarika ny asa amin’izao andro farany izao.

Araka ny lamina masina, ireo mpaminan’ Andriamanitra fahiny, rehefa nentanin’ny Fanahy Masina, dia naminany ny amin’ny Famerenana amin’ny laoniny sy izay hitranga amin’ny androntsika, dia ny fotoam-pitantanana farany sy ny fahafenoan’ny fotoam-pahasoavana izany. Izany asa izany mihitsy no “nanentana ny fanahin’” ireo mpahita tany aloha ireo.1 Nandritra ny vanim-potoana rehetra izy ireo dia nilazalaza mialoha, nanonofy, namisavisa, ary naminany ny hoavin’ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany, izay nantsoin’i Isaia hoe “zava-mahagaga sy mahatalanjona.”2

Ireo faminaniana izay tanteraka tamin’ny alalan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, isan’izany Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia betsaka. Anio anefa dia vitsivitsy amin’ireo ankafiziko indrindra ihany no hasongadiko. Izy ireo dia nampianarin’ireo mpampianatra malalako tao amin’ny Kilonga ary teo an-tongotry ny reniko izay anjely fakan-tahaka.

Sary
I Daniela tao an-davaky ny liona

I Daniela, ilay tsy nety lanin’ny liona noho ny finoany an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fanampian’ireo anjely mpanompon’ Andriamanitra, dia anisan’ireo izay nahita ny androntsika tao anaty fahitana. Raha nanome ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara Mpanjaka Babyloniana i Daniela dia naminany fa ny Fiangonan’ny Tompo dia hitsangana amin’ny andro farany toy ny vato kely iray “nendahana tamin’ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana.”3 “Tsy nendahan-tanana,” izay midika hoe tamin’ny alalan’ny fandraisana anjaran’ Andriamanitra, no hitomboan’ny Fiangonan’ny Tompo hatraiza hatraiza mandra-pamenoany ny tany manontolo ka “tsy ho rava mandrakizay … [fa] hitoetra mandrakizay [kosa].”4

Sary
I Daniela milaza ny hevitry ny nofy

Vavolombelona lehibe izany hoe eo am-pahatanterahana ny tenin’i Daniela raha mijery sy mihaino ny fihaonambe anio ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.

I Petera, ilay Apôstôly feno fanolorantena dia nanoritsoritra “andro fampodiana ny zavatra rehetra … hatramin’ny voalohany indrindra.”5 Nanoratra ny Apôstôly Paoly fa amin’ny fahafenoan’ny fotoana dia “[hanangona] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” Andriamanitra6, ka i “Kristy Jesosy no fehizoro indrindra.”7 Nahatsapa mafy an’ireo faminaniana ireo aho rehefa nandray anjara tamin’ny fanokanana ny Tempolin’i Rome, Italie. Tany avokoa ireo mpaminany sy apôstôly rehetra, nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao, tahaka ny nataon’i Petera sy i Paoly. Ny Fiangonana dia ohatra velona ny amin’izany fampodiana izany ry rahalahy sy anabavy, ary ireo mpikambana ao amintsika dia vavolombelona an’ireo faminaniana masina natao efa ela be ireo.

Sary
Ireo mpaminany sy apôstôly tany amin’ny Tempolin’i Italie

I Josefa tany Egypta dia naminany fa amin’ny andro farany any dia “Mpahita iray no hatsangan’ny Tompo Andriamanitro, izay ho mpahita nofinidy ho an’ny nateraky ny kiboko.”8 “Satria hanao ny asa[n’ny Tompo] izy.”9 I Joseph Smith, ilay mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny, io mpahita io.

I Jaona Mpanambara dia naminany momba ny anjely iray avy amin’ilay Tsitoha izay hampiray singa manan-danja maro ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny araka ireto teny ireto: “Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin’izay monina ambonin’ny tany sy amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny, ary ny olona rehetra.”10 I Môrônia io anjely io. Nahita ny androntsika izy, araka ny voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tao anatin’ny fisehoana maro no nanomanany an’i Joseph Smith ho amin’ny fanompoany, isan’izany ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
I Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith

Nanambara mialoha mikasika ny androntsika ihany koa ny mpaminany hafa. I Malakia dia niresaka momba an’i Elia izay hampitodika “ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy.”11 Efa tonga i Elia ary vokatr’izany dia manana tempoly miisa 168 manenika ny tany isika ankehitriny. Ny tempoly tsirairay dia atao ho an’ny mpikambana mendrika manao fanekempihavanana masina ary mandray ôrdônansy feno fitahiana ho an’ny tenan’izy ireo sy ho an’ireo razamben’izy ireo efa nodimandry. Io asa masina voalazalazan’i Malakia io dia “fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.”12

Miaina mandritra izany fotoana nambara mialoha izany isika; isika no vahoaka nasaina hialoha lalana ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany; isika no hanangona ireo zanak’ Andriamanitra, ireo izay hihaino sy hanaiky ireo fahamarinana sy fanekempihavanana ary fampanantenan’ny filazantsara mandrakizay. Io no antsoin’ny Filoha Nelson hoe ilay “fanamby lehibe indrindra, sy tanjona lehibe indrindra ary asa lehibe indrindra eto ambonin’ny tany ankehitriny”13 Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany fahagagana izany aho.

Sary
Fanokanana ny Tempolin’i Durban, Afrika Atsimo

Araka ny iraka nampandraiketin’ny Filoha Russell M. Nelson ahy dia nanokana ny Tempolin’i Durban, Afrika Atsimo aho tamin’ny volana febroary tamin’ity taona ity. Andro tsy hohadinoiko mihitsy mandritra ny androm-piainako izany. Tafaraka tamina mpikambana maro aho, izay nandray ny filazantsara araka ny nambaran’i Jeremia efa ela mialoha manao hoe, “iray isan-tanàna … sy roa isam-pokony.”14 Ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy dia mampiray hina antsika rehetra, maneran-tany, amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika, amin’ny maha-mpiray tampo antsika ao amin’ny filazantsara. Na manao ahoana na manao ahoana endritsika na akanjo tafintsika dia vahoaka iray isika manana Ray any An-danitra izay ny drafiny hatrany am-boalohany ka hatramin’izao dia ny hahatafaray ny fianakaviany amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masin’ny tempoly.

Naminany tamina mpihazona fisoronana vitsy an’isa nivory tao amin’ny tranon-tsekoly iray tao Kirtland Ohio tamin’ny 1834 ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Olona vitsy kely ao amin’ny fisoronana fotsiny no tazanareo eto anio hariva, kanefa ity Fiangonana ity dia hanenika an’i Amerika Avaratra sy Atsimo, hameno an’izao tontolo izao izy ity.”15

Tao anatin’ny taona maromaro tato ho ato dia nitety an’izao tontolo izao aho hihaona amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ireo Rahalahiko ato amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nampandraiketina iraka sahala amin’izany koa. Kanefa iza no mba maharaka ny fandaharam-potoan’ny mpaminany malalantsika, Filoha Nelson, izay nandritra ireo taona roa voalohany naha-Filohan’ny Fiangonana azy dia nihaona tamin’ny Olomasina tany amin’ny “firenena sy faritra Amerikanina miisa roa amby telopolo”16 mba hijoro ho vavolombelona momba ilay Kristy velona.

Tsaroako ny nahazoako ny antsoko hanao asa fitoriana fony aho tovolahy. Naniry ny hanompo tany Allemagne aho, tahaka an-draiko, sy ny rahalahiko, ary ny zaodahiko. Tsy niandry ny hahatongavan’ny hafa tao an-trano aho fa tonga dia nihazakazaka nankany amin’ny boaty fandraisan-taratasy ary nanokatra ilay valopy misy antso. Namaky aho hoe voantso ho any amin’ny Misiônan’ireo Fanjakana Atsinanana, izay tao amin’ny tanànan’i New York no nisy ny foibeny. Diso fanantanenana aho ka dia niditra tao an-trano ary nanokatra ny soratra masiko mba hahitana fampiononana. Nanomboka namaky tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana aho: “Indro ka jereo, manana vahoaka betsaka Aho eto amin’ity toerana ity, eo amin’ny faritra manodidina; ary varavarana mahomby no hovohana eo amin’ny faritra manodidina amin’ity tany atsinanana ity.”17 Io faminaniana nomena ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny 1833 io dia fanambarana ho ahy. Fantatro tamin’izay fa nantsoina ho ao amin’ilay misiôna izay tena nilan’ny Tompo hanompoako mihitsy aho. Nampianatra ny Famerenana amin’ny laoniny aho sy ny fiantombohany tamin’ny fomba mahatalanjona, raha niresaka tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra ka nanao hoe: “Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!”18

Manan-danja be amin’ny Fiangonana manontolo ilay faminanian’i Isaia, izay voaray teo amin’ny 700 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy: “Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra … Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.”19

Azoko sary an-tsaina anio ny mpikambana ato amintsika sy namana an-tapitrisany manaraka ireo fivoriana amin’ny fomba elektrônika amin’ny alalan’ny fahitalavitra, na ny internet, na ireo fomba hafa. Eo am-pipetrahana isika toy ny hoe miaraka “eo an-tampon’ny tendrombohitra.”20 I Brigham Young no nilaza ireo teny mifono faminaniana manao hoe “Ity ilay toerana.”21 Ireo Olomasina, izay razambeko mpamaky lay ny sasany tamin’izy ireo, dia niasa mba hanorenana an’i Ziona tany amin’ireo Tendrombohitra Harambato “araka ny sitrapo sy fanirian’ilay mpandidy ireo firenena eto ambonin’ny tany.”22

Sary
Ny Tempolin’i Salt Lake nandritra ny Lalao Olaimpika tamin’ny 2002

Ankehitriny aho dia mijoro eo amin’ny tany masina izay nisarika mpitsidika an-tapitrisany. Tamin’ny 2002 dia nandray ny Lalao Olaimpika amin’ny andro ririnina i Salt Lake City. Nihira nandritra ireo lanonana fanokafana ny Amboaram-peon’ny Tabernakely, ary ny Fiangonana dia nanolotra fampisehoana sy fandaharana ho an’ireo vahiny sy mpandray anjara avy amin’ny firenena maro dia maro. Hotsaroako foana ny fahitana ny tempoly ao ambadik’ireo fampitana vaovao maneran-tany amin’ny alina.

Sary
Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy ao amin’ny National Association for the Advancement of Colored People (NAACP)

Nandritra ny taona maro dia filohan’i Etazonia, mpanjaka, mpitsara, praiminisitra, masoivoho, ary manam-pahefana avy amin’ny firenena maro no tonga teto Salt Lake City ary nihaona tamin’ireo mpitarika antsika. Ny Filoha Nelson dia nandray ireo mpitarika tao amin’ny National Association for the Advancement of Colored People (Fikambanana nasionaly ho an’ny fampandrosoana ny olona samy hafa fihodirana), izay fikambanana eto Etazonia miady ho an’ny fampitovian-jo tsy misy fanavakavahana mifototra amin’ny fihodirana. Tsaroako aho nijoro teo anilan’ireo namana sy mpitarika ireo raha nanao antso avo niaraka tamin’izy ireo ny Filoha Nelson mba hisian’ny “fifanajana sy firaisam-po kokoa eo amin’ny samy hafa fihodirana eto amin’izao tontolo izao.23

Mbola betsaka ihany koa no tonga tao amin’ny Temple Square niara-nivory tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ohatra fotsiny, tamin’ny taon-dasa, raha tsy hitanisa afa-tsy vitsivitsy, dia nandray ny United Nations 68th Civil Society Conference isika (Fihaonamben’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena faha-68 an’ny Firenena Mikambana) isika, izay fivoriana iraisam-pirenena no sady vao sambany no notanterahina ivelan’ny tanànan’i New York. Nihaona tamin’ny Vietnam’s Committee for Religious Affairs (Kômity misahana ny raharaha ara-pivavahana any Vietnam) izahay, ary masoivoho avy any Cuba, Phillipines, Argentine, Roumanie, Soudan, Quatar, ary Arabie Saoudite. Noraisintsika ihany koa ny Sekretera Jeneralin’ny Fikambanamben’ny Silamo maneran-tany.

Ny zavatra fariparitako eto dia ny fahatanterahan’ny faminanian’i Isaia hoe any amin’ny andro farany dia firenena maro no hitanjozotra hankany amin’ny “tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah.”24 Ny tempoly lehiben’i Salt Lake dia mijoro eo afovoan’io haja sy voninahitra io.

Sary
Ny tilikambon’ny Tempolin’i Salt Lake

Tsy ny endritany no nanintona ny olona, na dia tsara tarehy aza ilay toerana misy antsika; fa ny fototry ny fivavahana madio kosa izay miseho amin’ny alalan’ny fanahy, ny fivoarana, ny hatsaram-panahy, ary ny fahalalahan-tanan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ny olona ao aminy; ny fitiavantsika tahaka ny itiavan’ Andriamanitra ary ny fanolorantenantsika ho amin’ny tanjona avo kokoa, izay nantsoin’i Joseph Smith hoe “ny fotokevitr’i Kristy.”25

Tsy fantatsika hoe oviana no hiverina ny Mpamonjy saingy izao no zavatra fantatsika. Tsy maintsy miomana ao am-po sy ao an-tsaina isika, mendrika ny handray Azy ary mahatsapa fa voninahitra ho antsika izany hoe mpandray anjara amin’ireo zavatra rehetra efa nambara mialoha efa ela tokoa.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminan’ny Tompo eto an-tany, ary eo anilany dia ahitana Apôstôly voantson’ Andriamanitra, notohanana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ry rahalahy sy anabavy malalako, mbola mitohy ny Famerenana amin’ny laoniny.

Faranako amin’ny faminaniana nataon’i Joseph Smith, teny izay ijoroako ho vavolombelona fa marina: “Tsy hisy tanan’ny ratsy fanahy afaka hanakana ny fandrosoan’ity asa ity; handrovitsihy ny fanenjehana, hanao tambabe ny mpihetraketraka, hanambatra hery ny tafika, hitatatata ny fanaratsiana, kanefa ny fahamarinan’ Andriamanitra dia handroso amim-pahasahiana sy amim-boninahitra ary tsy hiankina amin-javatra hafa, mandrapanenik’izany ireo kaontinanta rehetra, hitsidihan’izany ny havoana rehetra, handalovany ny firenena rehetra, ary hikasihan’izany ny sofina rehetra, ka ho tanteraka ny tanjon’ Andriamanitra, ary hilaza ilay Jehovah Lehibe hoe vita ny asa.”26 Ijoroako ho vavolombelona fa eo am-pahatanterahana ireo faminanian’i Joseph Smith ireo.

Mampanantena aho fa raha manaraka ny torohevitra azo avy amin’ny fanentanam-panahy izay omen’ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, ireo mpanolotsainy, ireo Apôstôly, ary ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana ianareo, ary raha mandinika tsara izay nosoratan’ireo mpaminany fahiny izay naminany momba ny androntsika dia ho heniky ny fanahy sy ny asan’ny Famerenana amin’ny laoniny lalina ao am-ponareo sy ao amin’ny fanahinareo. Mampanantena anareo aho fa hahita ny tanan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo ianareo, haheno ny bitsiny, ary hahatsapa ny fitiavany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amim-pankasitrahana noho ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany, ho porofon’ny fitiavany tsy manam-paharoa, amena.