2020
Loholona Ciro Schmeil
Mey 2020


Loholona Ciro Schmeil

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Niezaka foana nankatò ny Tompo ny Loholona Ciro Schmeil na dia tamin’ny fotoana izay tsy nahatakarany ny zavatra tao ambadiky ny didy iray aza. Nianatra izy fa “rehefa mankatò isika, rehefa mitandrina ny didy isika,” dia “hitahy antsika foana ny Tompo.”

Nahita ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny fankatoavana izy tao anatin’ny fanatanterahany ireo antsony. Fony izy eveka sy filohan’ny tsatòka dia nanana tombontsoa manokana maro izy “nahitana olona maro nanova ny fiainan’izy ireo noho ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny Bokin’i Môrmôna.”

Ny Loholona Schmeil dia teraka tamin’ny 16 aprily 1971 tany Ponta Grossa, Paraná, Brésil, ary zanak’i Bruno sy Erica Schmeil. Lehibe tany Curitiba, Brésil izy ary tamin’ny fotoana niantsoana ny ray aman-dreniny hiahy ny Misiônan’i Campinas Brésil dia lasa nandeha nanompo tany amin’ny Misiônan’i Ogden Utah izy.

Rehefa nianatra tao amin’ny University of Utah ny Loholona Schmeil dia nihaona tamin’i Alessandra Machado Louza, izay mpianatra tao amin’ny Brigham Young University, nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy iray. “Tamin’izahay nihaona vao voalohany nandritra ilay fivoriana fampaherezam-panahy, dia tsy niraharaha ahy mihitsy izy,” hoy izy. Ny Loholona Schmeil anefa tonga dia latsa-pitia vao nahita azy.

Nivady tany amin’ny Tempolin’i São Paulo Brésil izy ireo tamin’ny volana jolay 1994 ary namita ny fianaran’izy ireo tany Etazonia. Niverina nipetraka tany Brésil nandritra ny 20 taona izy ireo talohan’ny nifindran’izy ireo tany Colorado, Etazonia, ary avy eo tany Floride, Etazonia. Manan-janaka roa ny Loholona sy ny Rahavavy Schmeil.

Nahazo mari-pahazaina licence en études d’architecture tao amin’ny University of Utah tamin’ny 1995 ny Loholona Schmeil ary mari-pahaizana maîtrise en gestion d’entreprise avy tao amin’ny Ohio University tamin’ny 2010. Izy dia efa filoha lefitra sy talen’ny fampiroboroboana ny fananan-trano sy tany tao amin’ny Walmart Brasil, talen’ny famokarana tao amin’ny Scopel, mpitantana ny Cia City, ary ny vao haingana dia filoha misahana ny fananan-trano sy tany tao amin’ny JBS S.A.

Ny Loholona Schmeil dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona ary filohan’ny sampana.