2020
COVID-19: Hafatra mitondra fitarihana sy fanasitranana ary fanantenana
Mey 2020


COVID-19: Hafatra mitondra fitarihana sy fanasitranana ary fanantenana

Mijoro ho vavolombelona ireo mpikambana ny amin’ny fahitan’izy ireo ny fiasan’ny tanan’ny Tompo na dia ao anatin’izao vanim-potoana hisian’ny fiovana sy fitebitebena ary famoizana aina izao aza.

Niaraka tamiko Izy tamin’izany fotoana izany ary miaraka amiko Izy amin’izao fotoana izao

Raha nipetraka tao an-trano niezaka nampitony ny fitebitebeko teo anatrehan’ny zavatra niseho nanerana an’izao tontolo izao aho, dia nanokatra an-kisendrasendra ny diariko ary nahita izao manaraka izao: “Betsaka ny tahotra tonga rehefa mifoha isan’andro eto amin’ity izao tontolo izao ity, kanefa afaka mandroso tsikelikely isika miaraka amin’ny finoana ireo fampianaran’ny filazantsara. … Mandresy ny tahotra foana ny finoana.”

Fantatro fa nahazo fanambarana ho an’ny tena manokana aho tamin’izay ary nomen’ny Ray any An-danitra ahy tamin’ny alalan’ireo zavatra nosoratako tao anatin’ny diariko taona maro lasa izany. Nahazo fotoana nahatsapana fiadanana aho sy nahazoana fahalalana fa niaraka tamiko ny Ray any An-danitra tamin’izany fotoana izany ary miaraka amiko eto Izy amin’izao fotoana izao.

Danette Gray, Utah, Etazonia

Afaka miasa en ligne ny Fanahy Masina.

Nahazo fahatsapana aho fa tokony hanomboka hampianatra ny kilasin’ny seminera amin’ny alalan’ny fifampiresahana mivantana amin’ny vidéo. Roa andro nialoha ny fampiharana ny fihibohana tao amin’ny tanànanay dia nandray ny lesony voalohany en ligne ny kilasinay.

Nisy ray aman-dreny sasantsasany koa nanatrika ny kilasinay, ary tafiditra tao anatin’izany ireo izay tsy mpikambana. Nohazoniko ny ranomasoko rehefa niara-nandalina ny Môzià 2 izahay. Nahatsapa ny Fanahy izahay rehetra rehefa nianatra fa rehefa eo am-panompoana ny hafa dia manompo an’ Andriamanitra koa. Nianatra be dia be mikasika ny fandraisana sy ny famantarana fanambarana ho an’ny tena manokana aho. Haneho ny fahamarinan’ny filazantsara amin’ny endriny maro ahafahana mahazo izany ny Fanahy Masina. Na dia eo aza ny zava-mitranga eto amin’izao tontolo izao dia tsy misy zavatra afaka manakana ny asan’ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena ny zanany tsy handroso.

Marites Pineda, Mindanao, Philippines

Tsy nisy andro na dia iray monja aza tsy nanatrehanay seminera

Na dia eo aza ny zava-drehetra nitranga noho ny coronavirus, dia faly aho milaza fa tsy nisy andro na dia iray monja aza tsy nanatrehanay seminera! Misy olana vitsivitsy ihany ny fampianarana ny kilasiko amin’ny alalan’ny fifampiresahana mivantana amin’ny vidéo, kanefa tiako ny mijery ny ray aman-dreny sy ireo mpiray tampo mbola zandriny amin’ny taona, mihaino ny fifampiresahanay. Tiako ny hanoloran’izany firaisan-tsaina sy fahazarana manao zavatra iray ho an’ireo fianakavianay ary tena tiako ny fahafahanay manohy mifampizara fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavany antsika.

Mandi Crandell, Yigo, Guam

Manompo an’ireo eo amin’ny lafy roan’ny voaly

Rahavavy misiônera zokiolona nanompo tany amin’ny Misiônan’i Missouri Independence aho rehefa nofoanana ireo fivoriam-piangonana ary nanomboka nihiboka tany amin’ny efitrano fonenanay izahay. Nampiasa ny telefaoninay sy ny solosainay izahay mba hifandraisana amin’ireo mpikambana sy mba hanoloran-tanana an’ireo olona nosahaninay izay tsy niangona matetika.

Mba hamenoana ny fotoana dia nanapa-kevitra aho mba hanao tantaram-pianakaviana vitsivitsy, na dia nandritra ny fotoana naharitra aza dia sarotra ho ahy ny nahita anarana vaovao. Rehefa niditra ny FamilySearch aho dia nahita fampahafantarana momba ny firaketana iray izay miandry ny halefa. Io firaketana iray io dia nitarika ahy hahita olona miisa 70 tao amin’ny rohim-pianakaviana nisy ahy. Dimy andro taty aoriana dia nitsahatra ny fitobahan’ireo anarana. Ny harivan’io andro io dia nampahafantarina izahay fa hisaorana ary halefa mody. Nalahelo aho hoe handeha saingy nahatsapa ho voatahy koa aho satria afaka nanompo fianakaviana tany amin’ny lafy ilan’ny voaly nandritra ny fotoan-tsarotra.

Kim Nielson, Oregon, Etazonia

Manao ny anjarantsika mba hampandehanana hatrany ny asan’ny Tompo

Rehefa notoroina hevitra ireo misiônera tany amin’ny faritra nisy anay mba hijanona any amin’ny efitrano fonenan’izy ireo, dia niezaka nanao ny anjaranay izahay tamin’ny alalan’ny fanasana namana iray hamantatra ny momba ny Fiangonana. Nizara tamin’ilay namanay ireo lesona omen’izy ireo tamin’ny alalan’ny telefaonina ireo misiônera. Mahatsapa ny herin’ny Fanahy ao an-tokantranonay izahay noho ny teknôlôjia ananantsika amin’izao fotoana izao. Mahavariana ny mahita ny mbola fitohizan’ny asan’ny Tompo na eo aza ireo olana rehetra eto amin’izao tontolo izao.

Elaina Reich, Washington, Etazonia

Maheno ny hiranay ny Mpamonjy

Misiôneran’ny Fiangonana mpanao asa fanompoana eo anivon’ny fandaharan’asa PathwayConnect any amin’ny Tsatòkan’i Kiev Ukraine aho. Nanapa-kevitra ireo mpitarika ny fandaharan’asa mba hanofana anay rehetra izay mitarika ireo fivoriana miaraka amin’olona mivantana mba hahafahanay mitarika izany fivoriana izany amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny vidéo. Ny ampitson’izany dia nanome toromarika momba ny fihibohana tao Kiev ny fitondram-panjakana.

Tiako ilay fahafahana miara-mivory mba hanatrika PathwayConnect. Ary tiako ilay fahafahana miara-mivory any an-tokantrano isaky ny Alahady mba hiarahana mitsaoka sy mihira. Feno fankasitrahana aho noho ny fananana fahatokiana fa raha misy olona roa na telo mivory amin’ny anarany dia eo Izy. Tsy fantatray hoe haharitra hafiriana izahay no hihiboka aty Kiev, saingy fantatray fa haheno ny hiranay ny Mpamonjy.

Kateryna Serdyuk, Kiev, Ukraine

“Fotoana hifantohana indray amin’ny fianakavianao izao”

Rehefa nitombo izaitsizy ny vaovao mahakasika ny COVID-19, dia tsapako ho toy ny tsy nisy afa-tsy izany no noresahina. Rehefa nandeha teny ny andro dia nanomboka tsy nahazo aina aho ary nihotakotaka mihitsy aza mikasika ny hoavin’ity izao tontolo izao misy antsika ity. 

Indray maraina aho tsy nahita tory intsony ka nipetraka nisaintsaina ny anton’izao rehetra izao. Nisy fahatsapana fiadanana tonga tamin’izay. Nampianaran’ny Fanahy aho fa nanome ahy fanomezana ny Tompo. “Fotoana hifantohana indray amin’ny fianakavianao izao,” ho Izy.

Tena maro ireo zavatra sahanina eo amin’ny fiainana. Ity valanaretina ity dia nanome fahafahana ho an’ny fianakavianay mba hifantoka amin’ny zavatra tena manan-danja, dia ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany. Afaka mandevina ny sasany amin’ireo zavatra manimba izay misarika eto amin’izao tontolo izao aho ary mifantoka amin’ny fampianarana ny zanako mba hibanjina an’i Kristy. Mieritreritra ny amintsika lalandava ny Raintsika any An-danitra. Tsapako kokoa noho ny hatramin’izay izany. 

Mary Ostler, Nebraska, Etazonia

Efa nanomana antsika ho amin’izao ny Tompo

Sahiran-tsaina kely aho rehefa nolazaina tamin’ny voalohany fa hiato mandritra ny fotoana voafetra ihany ireo fivoriana any am-piangonana. Saingy amin’izao fotoana izao dia afaka mahita ny fomba efa nanomanan’ny Tompo antsika ho amin’izao toe-javatra izao tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny aho. Ny fandalinana ny filazantsara mifantoka amin’ny ao an-tokantrano dia afaka manampy antsika mandritra ny fotoan-tsarotra. Feno fankasitrahana aho fa mbola afaka mandray ny fanasan’ny Tompo isaky ny Alahady ary mandray ireo tenin’ireo mpaminany. Mampahery ny fahafantarana fa mandra-pahafahana miara-mivory indray dia afaka mahatsapa iny Fanahy iny ihany isika.

Emma van As, Gauteng, Afrika Atsimo

Nampianarina ny fomba fitsaohana izahay

Rehefa nandray anjara vao voalohany tamin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo tao an-tranonay izaho sy ny vadiko, dia nahatsapa tamin’ny fomba mahery vaika ny Fanahy aho ka sahirana nihira ilay hira nofidinay. Tao anatin’izay 70 taona mahery nanatrehako ny fotoam-pivavahantsika izay, dia tsy mbola nahatsiaro ho feno fankasitrahana lalina toy izany aho tamin’ireo fitahiana noraisinay amin’ny maha-mpikambana anay sy amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Nampianarina anay hoe ahoana no fomba fitsaohana ary iza no itsaohanay. Marina fa malahelo ny fiarahana amin’ireo Olomasina namana izahay ary ho faly amin’ny fiverenana faran’izay haingana amin’ny “mahazatra”, kanefa feno fankasitrahana aho noho ireo lesona ianaranay eo am-piandrasana izany rehefa manaraka ny torohevitry ny mpaminany ao anatin’ny fitsaohanay izay “mifantoka amin’ny ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana.

Susan Preator, Montana, Etazonia

Mahita fiadanana sy firaisan-kina

Ny fanaovana takariva iarahana ao an-tokantrano dia zavatra iray andrandrainay sy ny zanako lahy isan-kerinandro. Efa mahazatra anay matetika ny manasa mpikambana sy namana ary misiônera any an-tranonay. Dia niova tsy nisy toy izany ny zava-nisy noho ilay valanaretina. Amin’izao fotoana izao izahay dia manao takariva iarahana ao an-tokantrano amin’ny alalan’ny telefaonina miaraka amin’ireo namanay. Tao anatin’izao fotoana izao dia afaka niaraka nanao zavatra maro izahay izay nampifanakaiky anay kokoa.

Feno fankasitrahana tokoa aho noho ny mpaminany malalantsika izy nanasa antsika rehetra mba hifady hanina. Maro tamintsika no afaka nahatsapa ny herin’ny firaisan-kina sy fiadanana tamin’ny alalan’izany zavatra niainana izany. Ao anatin’ny fotoana tahaka izao, ny fiadanana ilaintsika dia ilay avy amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Roshene McKenzie, Kingston, Jamaique

Mitantana ny zava-drehetra Andriamanitra

Roa volana sy tapany monja izay no nanombohako ny asa fitoriako. Voatendry hanompo tany Hermosillo, Mexique aho. Nanana fahafahana nihaona tamin’olona mahafinaritra izay vonona ny handray ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny aho isan’andro. Teo am-pahatsapana fa vao nanomboka nanatratra ny tanjoko aho rehefa nampitsahatra ny asa fitoriako ny COVID-19.

Nandratra fo ny nandao ireo olona izay tena tiako, kanefa nahatsapa fiadanana lehibe sy fiarovana koa aho noho ny fahafantarako fa mbola mitantana ny zava-drehetra Andriamanitra. Feno fankasitrahana aho noho ny fananantsika mpaminany iray sy ireo apôstôly mba hitarika antsika amin’izao fotoana izao. Tahaka ireo misiônera maro eto amin’izao tontolo izao dia matoky aho fa tsy mifarana hatreo ny asa fitoriako. Afaka manampy mba hampandroso ny asan’ny Tompo indray aho atsy ho atsy sy mbola ho fitaovana eo an-pelatanany hatrany mba hitondra fanahy maro kokoa ho amin’ny fibebahana.

Carolina Roman, Porto Rico