2020
Antso mendri-kaja manokana
Mey 2020


Antso mendri-kaja manokana

Amin’ny maha-vehivavy manam-pinoana antsika dia afaka misintona fitsipika amin’ireo zavatra niainan’ny Mpaminany Joseph isika mba hanome hevi-baovao antsika amin’ny fandraisana fanambarana ho an’ny tenantsika manokana.

Velom-pankasitrahana aho ny amin’ny fahafahako mampifantoka ny hafatro androany amin’ireo anjara asa mitohy an’ny vehivavy ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Tsy azo ihodivirana fa, eo amin’ny tantara hatrizay, ny vehivavy dia nihazona toerana miavaka ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy hay ny handrefy ny hery fitaomana ananan’ny vehivavy … , tsy eo amin’ny fianakaviana ihany fa eo amin’ny Fiangonan’ny Tompo koa, amin’ny maha-vady sy reny ary renibe, amin’ny maha-rahavavy sy nenitoa; amin’ny maha-mpampianatra sy mpitarika ary indrindra amin’ny maha-ohatra sy mpiaro ny finoana feno fanolorantena azy ireo.” 1

178 taona lasa izay dia nanoro hevitra ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana voalohany tao Nauvoo ny Mpaminany Joseph Smith mba “hiaina mifanaraka amin’ny tombontsoa [ananan’izy ireo].” 2 Mampianatra antsika amin’izao fotoana izao ny ohatra nasehon’izy ireo. Niara-niray hina izy ireo nanaraka ny feon’ny mpaminany ary niaina tamin’ny finoana tsy voahozongozana an’i Jesoa Kristy teo am-panampian’izy ireo nanorina ny fototra izay ijoroantsika ankehitriny. Ry rahavavy isany, anjarantsika izao. Manana asa masina avy amin’ny Tompo isika, ka iankinan’izany ireo fandraisana anjara mahatoky sy miavaka avy amintsika.

Nanazava ny Filoha Spencer W. Kimball hoe: “Antso mendri-kaja manokana ny hoe vehivavy marina ao anatin’ireo toe-java-miseho izay mikorontana eto amin’ity tany ity, mialoha ny fiavian’ny Tompo fanindroany. Ny tanjaka sy ny hery enti-mitaona ananan’ny vehivavy marina amin’izao fotoana izao dia mety ho avo folo heny noho izay misy mandritra ireo fotoana izay tony kokoa.” 3

Niangavy toy izany koa ny Filoha Russell M. Nelson manao hoe: “Miangavy an’ireo rahavavy ato amin’[ny ] Fiangonana … aho mba handroso hanao asa! Raiso ny toeranareo izay anananareo zo sady ilainareo ao an-tokantranonareo sy any amin’ny fiarahamonina misy anareo ary ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, ataovy mihoatra noho izay nataonareo teo aloha izany.” 4

Vao haingana aho sy ny andiana ankizy ao amin’ny Kilonga no nanana fahafahana lehibe hihaona tamin’ny Filoha Russell M. Nelson, tamin’ny fampiainana ny takarivan’ny mpianakavin’ny fianakaviana Smith tao Palmyra, New York. Henoy anie ny zavatra ampianarin’ny mpaminanintsika an`ireo ankizy momba ny zavatra azon’ izy ireo hatao mba handrosoana hanao asa e.

Rahavavy Jones: “Mba tiako ho fantatra hoe mety misy fanontaniana ve tianareo apetraka amin’ny Filoha Nelson. Manatrika ny mpaminany ianareo izao. Misy zavatra ve nirianareo mafy mba hanontaniana ny mpaminany? Eny, Pearl.”

Pearl: “Sarotra ve izany hoe mpaminany izany? Ianao ve tena be atao be?”

Filoha Nelson: “Mazava ho azy fa sarotra. Ny zavatra rehetra ka mifandray amin’ny hoe ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa dia sarotra avokoa. Ohatra, rehefa naniry ny hanome ireo Didy Folo an’i Mosesy Andriamanitra dia taiza no nasainy nalehan’i Mosesy? Teny an-tampon-tendrombohitra, teny an-tampon’ny tendrombohitra Sinay. Noho izany dia tsy maintsy nihanika hatreny an-tampon’izany tendrombohitra izany i Mosesy mba hahazoana ireo Didy Folo. Ankehitriny, azon’ny Ray any An-danitra natao ny nilaza hoe: “Ry Mosesy! Eo ianao no manomboka, dia izaho kosa hanomboka eto, dia hihaona aminao eny antsasa-dalana aho.” Tsy izany no izy. Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka satria ny ezaka dia mitondra valisoa izay tsy azo raha tsy misy ezaka. Ohatra, efa nianatra nitendry pianô ve ianareo?”

Ny ankizy: “Eny.”

Pearl: “mianatra mitendry lokanga aho.”

Filoha Nelson Nelson: “Dia manao fanazarana ve ianareo?”

Ny ankizy: “Eny.”

Filoha Nelson Nelson: “Inona no mitranga raha tsy manao fanazarana ianao?”

Pearl: “Dia hanadino.”

Filoha Nelson: “Eny, tsy mivoatra ianao, sa tsy izany? Noho izany dia eny no valiny ry Pearl. Mila ezaka, fisasarana be, sy fandalinana be, ary tsy misy fiafarany mihitsy. Tsara izany! Tsara izany satria mivoatra foana isika. Na dia any amin’ny fiainana manaraka aza dia misy ivoarantsika.”

Miantefa amintsika tsirairay avy ny valin-tenin’ny Filoha Nelson ho an’ireo ankizy sarobidy ireo. Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka, ary ny ezaka dia mitondra valisoa. Miezaka hatrany isika. Mivoatra hatrany isika raha toa ka mbola milofo ny hanaraka ny Tompo. 5 Tsy miandrandra fahatanterahana eo no ho eo Izy. Manohy mihanika ny tendrombohitr’i Sinay antsika manokana isika. Toy ny tamin’ny taloha dia tena mitaky ezaka, fisasarana, ary fandalinana ny diantsika, saingy ny fanolorantenantsika mba hivoatra dia miteraka valisoa mandrakizay. 6

Inona ihany koa no zavatra ianarantsika avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith, sy ny Fahitana Voalohany momba ny ezaka, sy fisasarana, ary ny fandalinana? Ny Fahitana voalohany dia manome antsika torolalana amin’ireo anjara asa miavaka sy mitohy sahanintsika . Amin’ny maha-vehivavy manam-pinoana antsika dia afaka misintona fitsipika amin’ireo zavatra niainan’ny Mpaminany Joseph isika mba hanome hevi-baovao antsika amin’ny fandraisana fanambarana ho an’ny tenantsika manokana. Ohatra:

  • Mitolona ao anatin’ny fahasahiranana isika.

  • Mitady fanampiana avy amin’ny soratra masina isika mba handray fahendrena amin’izay hatao.

  • Maneho ny finoantsika sy fatokisantsika amin’ Andriamanitra isika.

  • Mampiasa ny herintsika isika mba hitalahoana amin’ Andriamanitra mba hanampy antsika hanohitra ny herin’ilay fahavalo.

  • Mamboraka ny fanirian’ny fontsika amin’ Andriamanitra isika.

  • Mifantoka amin’ny fahazavany isika mba hitarika antsika amin’ireo safidy manan-danja eo amin’ny fiainantsika ka hitoetra amintsika rehefa mitodika Aminy.

  • Takatsika fa fantany amin’ny anarantsika isika tsirairay avy ary manana anjara asa hotanterahantsika tsirairay avy Izy. 7

Ankoatra izany i Joseph Smith dia namerina tamin’ny laoniny ny fahalalana fa isika dia manana fahafahana ho lasa tahaka an’ Andriamanitra ary manana lanjany mandrakizay. Noho izany fifandraisana amin’ny Raintsika any An-danitra izany dia, mino aho fa Izy dia miandrandra antsika mba handray fanambarana avy Aminy.

Notoroina hevitra koa i Emma mba “[handray] ny Fanahy Masina,” hianatra betsaka, sy “hahafoy ny zavatr’izao tontolo izao … hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa” ary “[hifikitra] amin’ny fanekempihavanana izay efa natao[ny]” tamin’ Andriamanitra. 8 Ny fianarana no tontolon’ny fivoarana, indrindra rehefa ny fiarahan’ny Fanahy Masina amintsika mandrakariva no mampianatra antsika ireo zavatra mila hafointsika, izany hoe ny zavatra izay mety mandrebireby antsika na manemotra ny fivoarantsika.

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana.” 9 Ao an-tsaiko tsy tapaka ireo tenin’ny mpaminanintsika rehefa mandinika ny fahaizan’ny vehivavy mandroso ka manao asa aho. Miangavy antsika izy; izany dia manondro laharam-pahamehana. Mampianatra antsika izy amin’izany ny fomba hahavelomantsika ara-panahy ao anatina tontolo vesaran’ota, amin’ny alalan’ny fandraisana fanambarana sy ny fampiharana fanambarana. 10 Rehefa manao izany isika, izany hoe mitandrina sy miaina ireo didin’ny Tompo, dia ampanantenaina ny “satroboninahitry ny fahamarinana” toa an’i Emma isika. 11 Ny Mpaminany Joseph dia nampianatra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fahafantarana fa ny lalana izorantsika amin’izao androm-piainana izao dia ankatoavin’ Andriamanitra. Raha tsy misy izany fahalalana izany dia “ho torovana ny sain[tsika] ka ho trotraka.” 12

Ato amin’ity fihaonambe ity isika dia handre ireo fahamarinana izay hitaona antsika mba hanova, sy hampivoatra, ary hanamasina ny fiainantsika. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana isika dia afaka miala amin’ilay antsoin’ny sasany hoe “tototry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany”, rehefa miala eto omban’ny fahavononana ny hanao azy rehetra amin`izao. Manana andraikitra maro samihafa ny vehivavy, kanefa tsy vita, ary tsy ilaina ny hanatanterahana azy rehetra indray maka. Manampy antsika ny Fanahy hamantatra ireo anjara asa mila ifantohantsika androany. 13

Ny fitaomana feno fitiavana avy amin’ny Tompo izay tsapa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia manampy antsika hahafantatra ny laharam-pahamehany ho an’ny fivoarantsika. Ny fanarahana ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia mitarika ho amin’ny fivoaran’ny tena manokana. 14 Mihaino isika ary avy eo miasa. 15 Hoy ny Tompo: “Angataho amin’ny anarako ny Ray, amin’ny finoana rehefa mino fa handray ianareo, dia hanana ny Fanahy Masina ianareo, izay maneho ny zavatra rehetra ilaina.” 16 Ny anjara asantsika mitohy dia ny mandray fanambarana mitohy.

Rehefa mahatratra fahombiazana lehibe kokoa isika amin’ny fanaovana izany dia afaka mandray hery misimisy kokoa eo amin’ireo anjara asantsika tsirairay mba hanompo sy hanatontosa ny asan’ny famonjena sy ny fisandratana—dia ny “[hahafoizantsika tokoa] ny zavatr’izao tontolo izao ary hikatsaka ny zavatry ny tontolo tsara kokoa.” 17 Avy amin’izany isika avy eo no afaka mitaona am-pahombiazana ireo taranatsika vao misondrotra mba hanao tahaka izany koa.

Ry anadahy sy rahavavy, isika rehetra dia mikatsaka ny herin’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainantsika. 18 Misy firaisan-kina mahafinaritra eo amin’ny vehivavy sy lehilahy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ankehitriny. Mandray izany herin’ny fisoronana izany isika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana, izay natao voalohany tao amin’ny ranon’ny batisa ary avy eo ao anatin’ny rindrin’ny tempoly masina. 19 Nampianatra antsika ny Filoha Nelson hoe: “Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay manao fenekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany fanekempihavanana izany sy mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra.” 20

Miaiky manokana aho ankehitriny fa amin’ny maha-vehivavy ahy dia tsy tonga saina mihitsy aho taloha teo amin’ny fiainako fa hay aho afaka mandray ny herin’ny fisoronana amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana ataoko. 21 Ry Rahavavy isany, mivavaka aho mba ho fantatsika sy holalaintsika ny herin’ny fisoronana rehefa “mifikitra amin’ny fanekempihavanan[tsika],” 22 sy mankamamy ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina, ary manaraka ny tenin’ireo mpaminanintsika velona isika.

‘Ndeha isika hanambara amim-pahasahiana ny fanolorantenantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika omban’ny “[ny finoana] Azy tsy voahozongozona ary ny [fianteherana] tanteraka amin’ny fahamendrehan’ilay Mahery ka mahavonjy.” 23 Ndeha isika hitozo amim-pifaliana eo amin’ity dia ity izay mitondra amin’ny hery ara-panahy faratampony ananantsika ka hanampy ireo manodidina antsika hanao mitovy amin’izany amin’ny alalan’ny fitarihana, fitiavana, sy asa fanompoana, ary fangorahana.

Mampatsiahy antsika amim-pitiavana ny Loholona James E. Talmage hoe: “Ny mpanohana lehibe indrindra ny vehivavy sy ny toetra maha-vehivavy eto amin’izao tontolo izao dia i Jesoa ilay Kristy.” 24 Raha dinihina farany ireo anjara asa mitohy sahanin’ny vehivavy ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ho antsika rehetra dia inona no anjara asa faratampony? Mijoro ho vavolombelona aho fa izany dia ny mihaino Azy, 25 manaraka Azy, 26 sy matoky Azy, 27 ary ny ho lasa ny sandrim-pitiavany. 28 Fantatro fa velona Izy. 29 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.