2020
Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra, ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Mey 2020


Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra, ary ireo Mpiandraikitra Ambony

Ry rahalahy sy anabavy, ankehitriny aho dia hanolotra aminareo ireo Manampahefana Ambony, sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana mba hotohananareo.

Miangavy anareo izahay mba haneho ny fanohananareo amin’ny fomba mahazatra na aiza na aiza mety misy anareo. Raha misy aminareo manohitra na iza na iza amin’ireo atolotra eto, dia mangataka anareo izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkanareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i M. Russell Ballard ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: M. Russell Ballard, Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit Walter Gong, ary Ulisses Soares.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Aroso amintsika ny hisaorana an’ireto manaraka ireto tamin’ny naha-Fitopololahin’ny Vondromparitra azy ireo: Loholona Jorge T. Becerra, Loholona Mark S. Bryce, Loholona Jeremy R. Jaggi, Loholona Kelly R. Johnson, Loholona Adeyinka A. Ojediran, ary Loholona Moisés Villanueva.

Ireo izay maniry ny hiaraka haneho fankasitrahana aminay noho ny asa fanompoana tena tsara nataon’izy ireo, dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hisaorana amin’ny fankasitrahana eram-po ny ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovololahy maneran-tany araka manarka izao: i Stephen W. Owen tamin’ny naha-filoha azy, i Douglas D. Holmes tamin’ny naha-mpanolotsaina voaloha azy, ary i M. Joseph Brough tamin’ny naha-mpanolotsaina faharoa azy.

Ireo rehetra izay te hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahalahy ireo noho ny asa fanompoana niavaka nataon’izy ireo, dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto Fitopololahy Manampahefana ambony manaraka ireto: Jorge T. Becerra, Matthew S. Holland, William K. Jackson, Jeremy R. Jaggi, Kelly R. Johnson, Thierry K. Mutombo, Adeyinka A. Ojediran, Ciro Schmeil, ary i Moisés Villanueva.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, dia aoka haneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho Fitopololahin’ny Vondromparitra: Jay D. Andersen, Faapito Auapaau, Frederick K. Balli Jr., Kevin W. Birch, John W. Boswell III, J. Francisco Bührer, Suchat Chaichana, Matthew R. Clarke, L. Guido Cristobal, Edmarc R. Dumas, Carlos A. Gabaldón, M. Andrew Galt IV, Clark G. Gilbert, Leonard D. Greer, Vladislav Y. Gornostaev, D. Martin Goury, Richard I. Heaton, Broc C. Hiatt, David H. Huntsman, Norman C. Insong, Daniel Kabason, Federico M. Kähnlein, Jeffrey J. Kerr, Youngjoon Kwon, David G. LaFrance, Ricardo C. Leite, Marcelo Louza, Jose G. Manarin, Jeremiah J. Morgan, Mark A. Mortensen, Eduardo F. Ortega, Nathan D. Pace, Michael M. Packer, Omar I. Palacios, Jorge W. Pérez, Kyrylo Pokhylko, Sergio A. Poncio, Arthur Rascon, Miguel A. Reynoso, Gustavo G. Rezende, Robert G. Rivarola, Tonga J. Sai, Luciano Sankari, Rosendo Santos, Henry Savstrom, J. Matthew Scott, James E. Slaughter, Robert T. Smith, Ricardo A. Spencer, Colin C. Stauffer, David C. Stewart, Jared W. Stone, Arlen M. Tumaliuan, Martin J. Turvey, Yan C. Vega, Paul B. Whippy, Chad R. Wilkinson, ary Dow R. Wilson.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany vaovao: i Steven J. Lund ho filoha, Ahmad Saleem Corbitt ho mpanolotsaina voalohany, ary i Bradley Ray Wilcox ho mpanolotsaina faharoa.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo Manampahefana Ambony, Fitopololahin’ny Vondromparitra, sy ireo Mpiandraikitra Ambony hafa araka izay misy ankehitriny.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Averinay indray hoe, manasa ireo izay mety nanohitra na iza na iza tamin’ireo natolotra izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkany.

Misaotra anareo izahay noho ny finoana asehonareo sy ny vavaka ataonareo tsy tapaka ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.