2020
“Aoka izany trano izany haorina ho an’ny anarako”
Mey 2020


“Aoka izany trano izany haorina ho an’ny anarako”

(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:40)

Ireo fanekempihavanana voaray sy ireo ôrdônansy notanterahina ao amin’ny tempoly dia ilaina ho an’ny fanamasinana ny fontsika sy ho an’ny fisandratan’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra amin’ny farany.

200 taona lasa izay tao amin’ilay alakely masina, no nahitan’ny zatovolahy Joseph Smith sy niresahany tamin’ Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay, sy i Jesoa Kristy Zanany Lahy. Nianaran’i Joseph avy tamin’Izy ireo ny toetra marin’ny Andriamanitra sy ny fanambarana mitohy satria io fahitana masina io no nisantatra ny “fitantanana ny fotoam-pahafenoana” amin’izao andro farany izao.”1

Tokony ho telo taona taty aoriana, ho valin’ny vavaka iray natao tamin-kitsimpo ny alin’ny 21 septambra 1823, dia heniky ny hazavana ny efitrano fatorian’i Joseph mandra-pahatongan’izany ho “[n]azava bebe kokoa noho ny amin’ny mitataovovonana.”2 Nisy olona niseho teo anilan’ny fandriany, niantso an’ilay zazalahy kely tamin’ny anarany ary nanambara fa “iraka avy teo anatrehan’ Andriamanitra izy … ary i Môrônia no anarany.”3 Nampahafantatra an’i Joseph mikasika ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna izy.

Avy eo i Môrônia dia nilaza teny avy ao amin’ny bokin’i Malakia ao amin’ny Testamenta Taloha, fa nisy fahasamihafana kely amin’ny fiteny ampiasaina ao amin’ny Baiboly nosoratan’ny Mpanjaka James izany:

“Indro, hambarako aminareo ny Fisoronana amin’ny tanan’i Elia mpaminany, mialoha ny fiavian’ny andron’ny Tompo, andro lehibe sy mahatahotra. …

“Ary izy hamboly ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin-drainy ary ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy. Fa raha tsy izany dia horavana tanteraka ny tany manontolo amin’ny fiaviany.”4

Ny tena manan-danja, dia nanomboka ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny fanaovana tantaram-pianakaviana amin’izao andro farany izao ny fampianarana nomen’i Môrônia an’i Joseph Smith momba ny iraka nampanaovina an’i Elia ary nitana anjara asa fototra tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny “ny zavatra rehetra, izay nampilazain’ Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ny voalohany indrindra”.5

Mivavaka aho mba hahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina eto am-piarahantsika mianatra momba ireo fanekempihavanana, ôrdônansy ary fitahiana izay afaka ny ho azontsika ao amin’ny tempolin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny fiverenan’i Elia

Atomboko amin’ny fametrahana fanontaniana fototra iray: Nahoana no nanan-danja ny fiverenan’i Elia?

“[Ianarantsika avy amin’ireo fanambaran’ny andro farany fa i Elia no nihazona ny fahefana mamehy ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka”6 ary “mpaminany farany nihazona izany talohan’ny fotoanan’i Jesoa Kristy.”7

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith fa “Ny fanahy sy ny fahefana ary ny antson’i Elia dia, ny hanana ny fahefana hihazona ny fanalahidin’ny … fahafenoan’ny Fisoronana Melkizedeka … ; ary ny … hahazo … ireo ôrdônansy rehetra izay an’ny fanjakan’ Andriamanitra, ka anisan’izany ny fampitodihana ny fon’ny ray amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka amin’ny ray, eny fa na ireo any an-danitra aza.”8

Io fahefana masin’ny famehezana io dia ilaina ka “na inona na inona fehezinao ety ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao ety ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.”9

Nanazava misimisy koa i Joseph hoe: “Ahoana no hamonjen’ Andriamanitra ity taranaka ity? haniraka an’i Elia mpaminany Izy. … I Elia dia hanambara ireo fanekempihavanana mba hamehezana ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny ray.”10

Niseho niaraka tamin’i Mosesy teo amin’ny Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Elia ary nanome izany fahefana izany an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona.11 Niara-niseho ihany koa tamin’i Mosesy sy i Elià i Elia tamin’ny 3 aprily 1836, tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ary nanolotra ireo fanalahidy ireo an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery.12

Nilaina amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefan’ny famehezana izay nataon’i Elia tamin’ny 1836 ary nampitsiry ny fahalianana mikasika ny fikarohana ny tantaram-pianakaviana izay tsy mitsaha-mitombo sy lasa miely maneran-tany.

Manova sy mampitodika ary manadio ny fo

Ny teny hoe fo dia ampiasaina mihoatra ny an’arivony ao amin’ireo soratra masina nankatoavina. Io teny tsotra kanefa manan-danja io dia matetika no ilazana ny zavatra tsapan’ny olona iray ao anatiny. Ny fontsika, ilay fitambaran’ny faniriantsika, ny fitiavantsika, ny fikasantsika, ny anton-javatra mampazoto antsika, ary ireo fihetsitsika, dia mamaritra hoe iza isika ary manoritra hoe ho lasa inona isika. Ary ny toetra mamaritra ny asan’ny Tompo dia ny manova sy mampitodika ary manadio ny fo amin’ny alalan’ireo fanekempihavanan’ny filazantsara sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Tsy ny hananan’ny isam-batan’olona na ny fianakaviana traikefa tsy hay hadinoina ihany no antony hananganantsika tempoly masina na ny hidirantsika ao. Ireo fanekempihavanana voaray sy ireo ôrdônansy tanterahina ao amin’ny tempoly kosa dia ilaina ho an’ny fanamasinana ny fontsika sy ho an’ny fisandratan’ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra amin’ny farany.

Ny fambolena ao am-pon’ny zanaka ireo fampanantenana natao tamin-drainy, anisan’izany i Abrahama, Isaka, ary Jakoba, ny fampitodihana ny fon’ny zanaka amin-drain’izy ireo, ny fanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana, ary ny fanatanterahana ireo ôrdônansy isiloana tena ao amin’ny tempoly dia asa izay mitahy ny olona ao amin’ny lafy roan’ny voaly. Rehefa lasa mazoto mirotsaka ao amin’ity asa masina ity isika, dia mankatò ireo didy mba hitia sy hanompo an’ Andriamanitra sy ireo namantsika.13 Ary ny asa fanompoana tsy mila tambiny toy izany dia manampy antsika “hihaino Azy marina”14 sy hanatona ny Mpamonjy.15

Ao amin’ny tempoly ihany, dia ny Tranon’ny Tompo, no handraisantsika ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny fisoronana masina indrindra. Ny zavatra rehetra izay ianarana sy atao ao amin’ny tempoly dia manamafy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asa tanany ao amin’ilay drafitra lehiben’ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra.

Avy ao anaty mankaty ivelany

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia namariparitra lamina iray manan-danja izay ampiasain’ny Mpanavotra mba hanatanterahana “ny tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizain’ny olona.”16 Hoy Izy hoe: “Miasa avy ao anaty mankaty ivelany ny Tompo. Miasa avy aty ivelany mankao anaty izao tontolo izao. Manaisotra ny olona avy ao amin’ny toerana mahantra izao tontolo izao. Manaisotra ny toerana mahantra avy ao anatin’ny olona i Kristy ary avy eo dia manaisotra ny tenan’izy ireo avy ao amin’ny toerana mahantra izy ireo. Mamolavola ny olona amin’ny alalan’ny fanovana ny tontolo iainany izao tontolo izao. Manova ny olona i Kristy, ary ireo olona ireo no manova ny tontolo iainany avy eo. Mamolavola ny fitondrantenan’ny olombelona izao tontolo izao, fa afaka manova ny toetran’ny olombelona kosa i Kristy.”17

Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny fisoronana dia tena ilaina ao anatin’ny fizotran’ny dingan’ny fahaterahana indray sy ny fiovana ara-panahy. Ireo no fitaovana izay iarahan’ny Tompo miasa amin’ny tsirairay amintsika avy ao anaty mankaty ivelany. Ireo fanekempihavanana izay voatandrina mafy sy tsaroana lalandava ary voasoratra “tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona … teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo”18 dia manolotra tanjona sy fananana fahatokiana fa hahazo fitahiana eto an-tany sy mandrakizay. Ireo ôrdônansy izay noraisina tamim-pahamendrehana sy tsaroana tsy tapaka dia manokatra ilay fantsona any an-danitra, ka amin’ny alalan’izany no ahafahan’ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra mitosaka eo amin’ny fiainantsika.

Tsy mankany amin’ny tempoly isika mba hiafina na hitsoaka ny faharatsian’izao tontolo izao. Fa mankany amin’ny tempoly kosa isika mba handresy ny tontolon’ny faharatsiana. Rehefa manasa eo amin’ny fiainantsika ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”19 isika amin’ny alalan’ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana masina, dia mahazo tanjaka mihoatra izay ananantsika20 mba handresena ny fakam-panahy sy ny olana eto amin’ny fiainana an-tany ary hanaovana soa sy hahatongavana ho olona tsara.

Hiely ny lazan’ity trano ity

Ny tempoly voalohany tamin’ity fotoampitantanana ity dia naorina tao Kirtland Ohio ary natokana tamin’ny 27 martsa 1836.

Tao anatina fanambarana izay nomena ny Mpaminany Joseph Smith herinandro taorian’ilay fanokanana dia nanambara ny Tompo hoe:

“Aoka ny fon’ny vahoakako rehetra hifaly, ny vahoakako izay efa nanorina ity trano ity tamin’ny heriny ho an’ny anarako. …

“Eny, ny fon’ny an’arivony sy ny an’alina dia hifaly fatratra tokoa noho ny fitahiana izay harotsaka sy ny fanafiana masina izay efa nanafiana ny mpanompoko tao amin’ity trano ity.

“Ary hiely any an-tany hafa ny lazan’ity trano ity; ary izany no fiandohan’ny fitahiana izay harotsaka eo ambonin’ny lohan’ny vahoakako.”21

Mba diniho ireo andian-teny hoe ny fon’ny an’arivony sy ny an’alina dia hifaly fatratra, sy ny hoe hiely any an-tany hafa ny lazan’ity trano ity. Fanambarana nampitolagaga ireo tamin’ny aprily 1836 raha tsy nanana afa-tsy mpikambana vitsy monja sy tempoly iray ny Fiangonana.

Amin’izao 2020 izao dia manana tempoly 168 miasa isika. Tempoly hafa fanampiny miisa sivy amby efapolo no eo andalam-panamboarana na efa nambara. Maro ireo tranon’i Jehovah eo an-dalam-panamboarana any amin’ireo “nosin-dranomasina”22 sy ireo firenena izay noheverin’ny maro fa tsy hahazo tempoly mihitsy.

Ny fanatanterahana ny fanafiana masina ankehitriny dia atao amin’ny fiteny 88 ary mbola hisy amin’ny fiteny maro hafa fanampiny rehefa misy tempoly aorina mba hitahiana zanak’ Andriamanitra misimisy kokoa. Ao anatin’ireo 15 taona manaraka dia hitombo avo roa heny ny isan’ireo fiteny azo ampiasaina hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Amin’ity taona ity isika dia hisantatra ny hady fototra sy hanomboka ny fanamboarana tempoly 18. Mifanohitra amin’izay, dia naharitra 150 taona ny fananganana ireo tempoly 18 voalohany, nanomboka tamin’ny fanorenana ny Fiangonana tamin’ny 1830 ka hatramin’ny fanokanan’ny Filoha Spencer W. Kimball ny Tempolin’i Tokyo Japon tamin’ny 1980.

Sary
Tempoly anankienina

Eritrereto ny hafainganan’ny asa atao any amin’ny tempoly izay nitranga nandritra ny fiainan’ny Filoha Russell M. Nelson fotsiny. Tamin’ny nahaterahan’ny Filoha Nelson ny 9 septambra 1924 dia nanana tempoly enina niasa ny Fiangonana.

Sary
Temploly 26

Rehefa notendrena ho Apôstôly izy tamin’ny 7 aprily 1984, 60 taona taty aoriana, dia tempoly 26 no niasa, izany hoe tempoly 20 amboniny tao anatin’ny 60 taona.

Sary
Tempoly 159

Rehefa notohanana ho Filohan’ny Fiangonana ny Filoha Nelson dia tempoly 159 no niasa, izany hoe tempoly 133 amboniny tao anatin’ny 34 taona izay naha mpikambana azy tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy.

Sary
Tempoly am-perinasa sy tempoly vao nampahafantarina

Hatramin’ny naha-lasa azy ho Filohan’ny Fiangonana tamin’ny 14 janoary 2018 dia efa nanambara tempoly vaovao 35 ny Filoha Nelson.

Enina amby sivifolo isan-jaton’ireo tempoly misy no efa natokana nandritra ny androm-piainan’ny Filoha Nelson. 84 isan-jato no natokana hatramin’ny nanendrena azy ho Apôstôly.

Mifantoha hatrany amin’ireo zavatra izay manan-danja indrindra

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny antsika dia talanjona isika amin’ny hafainganan’ny asany tsy tapaka amin’izao andro farany izao. Ary tempoly maro no mbola ho avy.

Naminany i Brigham Young hoe: “Mba hanatontosana ity asa ity dia tsy tokony ho tempoly iray ihany no hisy fa anarivony kosa, ary lehilahy sy vehivavy anarivony sy analiny no handeha ho ao amin’ireo tempoly ireo ka hanao asa ho an’ireo olona izay efa niaina hatrany amin’ny taloha ela indrindra izay hambaran’ny Tompo.”23

Mazava ho azy fa loharanon’ny hafaliana lehibe sy antony iray hanaterana fisaorana ho an’ny Tompo ny fanambarana ny tempoly tsirairay avy. Na izany aza anefa dia tokony ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy izay afaka manova ny fotsika sy mampitombo ny fanoloran-tenantsika ho an’ny Mpamonjy no tokony hifantohantsika voalohany fa tsy ny toerana sy ny hatsaran’ilay trano fotsiny.

Ny adidy fototra izay ananantsika amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia (1) ny “mihaino Azy”24 sy ny manova ny fontsika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy, ary (2) ny manatanteraka amim-pifaliana ilay andraikitra voatendrin’ Andriamanitra mba hanolotra ireo fitahian’ny tempoly ho an’ny fianakaviamben’ny olombelona iray manontolo ao amin’ny lafiny roan’ny voaly. Mazava ho azy fa hahatontosa ireo adidy masina ireo isika miaraka amin’ny fitarihany sy ny fanampiany.

Ny fananganana an’i Ziona

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Ny fananganana an’i Ziona dia antony izay mahaliana ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny taonany rehetra; lohahevitra izay andrasan’ny mpaminany, mpisorona, ary mpanjaka tamim-pitiavana manokana mihitsy, efa nandradrain’izy ireo tamim-pifaliana tokoa ny vaninandro izay hiainantsika izao; ary niredareda ny fanantenan’ny lanitra sady faly, nihira izy ireo ary nanoratra sy naminany ity androntsika ity; … isika no olona niavaka nosafidian’ Andriamanitra hitondra ny voninahitry ny andro farany”25

“Hampiray amin`ny zavatra eto an-tany ny Fisoronana avy any an-danitra, mba ho tanteraka ireo tanjona lehibe; … asa iray izay nahaliana anʼ Andriamanitra sy ny anjely hatrany taloha elabe; izay namporisika fatratra ny fanahinʼireo patriarika sy mpaminany fahiny; asa izay natao mba hitondrana ny fandravana ny herinʼny maizina, ny fanavaozana ny tany, ny voninahitrʼAndriamanitra, ary ny famonjena ny zanakʼolombelona.”26

Mijoro ho vavolombelona manokana aho fa niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray sy ny Zanaka, ary naverin’i Elia tamin’ny laoniny ny fahefan’ny famehezana. Afaka mampatanjaka antsika ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy masina ary manadio ny fontsika rehefa “mihaino Azy” isika27 ary mandray ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ary mijoro ho vavolombelona aho fa handrava ny herin’ny haizina ity asan’ny andro farany ity ary hitondra famonjena ho an’ny fianakaviamben’ny olombelona. Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.