2020
Ilay drafitra lehibe
Mey 2020


Ilay drafitra lehibe

Isika izay mahafantatra ny drafitr’ Andriamanitra ary nanao fanekempihavanana handray anjara dia manana andraikitra mazava hampianatra ireo fitsipika ireo.

Tena voatahy isika na dia ao anatin’ireo fitsapana sy olana miavaka aza! Nanolotra antsika ireo harena sy fifaliana miavosa avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Nifaly isika tamin’ilay fahitana nahitana ny Ray sy ny Zanaka izay nisantatra ny Famerenana amin’ny laoniny. Nampahatsiahivina antsika ilay fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny fomba mahagaga izay ny hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany no tanjony fototra. Niaina fihavaozana isika noho ny fisian’ny fanambarana ho an’ireo mpaminany sy ho an’ny tenantsika manokana, izay mahafaly. Nandre fijoroana ho vavolombelona sarobidy isika momba ilay Sorompanavotan’i Jesoa Kristy tsy manam-petra sy ny fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny. Ary nampianarina fahamarinana hafa isika momba ny fahafenoan’ny filazantsarany izay nambara tamin’i Joseph Smith taorian’ny nanambaran’ny Ray tamin’io mpaminany vao nantsoina io hoe: “Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:17).

Nahazo tanjaka isika teo amin’ny fahalalantsika ny famerenana ny fisoronana sy ireo fanalahidiny. Niaina fihavaozana isika teo amin’ny fahavononantsika hanao izay hahafantarana ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny amin’ilay tena anarany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ary nasaina isika handray anjara amin’ny fifadian-kanina sy vavaka mba hampihenana ny voka-dratsy entin’ilay valanaretina mandringana manerana an’izao tontolo izao amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy. Anikeheo maraina dia nahazo fanentanam-panahy isika tamin’ny alalan’ny mpaminany velon’ny Tompo rehefa nanolotra fanambarana manan-tantara izy momba ny Famerenana amin’ny laoniny. Tohananay ny fanambarana ao anatin’izany fa “ireo izay mandalina ombam-bavaka ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny sy manao asa amim-pinoana dia ho voatahy amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenan’izy ireo manokana momba ny maha-avy amin’ Andriamanitra izany sy ny tanjon’izany dia ny manomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika Fanindroany izay efa nampanantenaina.”1

Ilay drafitra

Tafiditra ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra daholo izany rehetra izany ka ny tanjony dia ny hanome fahafahana an’ireo zanak’ Andriamanitra hisandratra sy hitovy Aminy. Io drafitra io, izay nambara ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny, ary antsoina ao amin’ny soratra masina hoe “ny drafitra lehiben’ny fahasambarana,” “ny drafitry ny fanavotana,” ary ny “drafitry ny famonjena” (Almà 42:8, 11, 5), dia nanomboka tamina filankevitra tany an-danitra. Fony isika fanahy dia naniry ny hahazo ilay fiainana mandrakizay izay efa azon’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra. Tamin’izany fotoana izany dia nivoatra araka izay vitantsika isika tao anatin’ny tsy fananana traikefa momba ny fiainana an-tany miaraka amin’ny vatana nofo. Mba hanolorana izany traikefa izany dia nanao drafitra ny Ray any An-danitra hamoronana ity tany ity. Ao anatin’ilay fiainana an-tany izay nomanina, dia ho voaloton’ny fahotana isika rehefa hiatrika ny fanoherana izay ilaina ho an’ny fivoarantsika ara-panahy. Lasa iharan’ny fahafatesan’ny vatana ihany koa isika. Mba hamonjena antsika amin’ny fahafatesana sy ny fahotana dia hanolotra Mpamonjy ny Raintsika any An-danitra. Hanavotra ny rehetra amin’ny fahafatesana ny Fitsanganany amin’ny maty, ary ny sorompanavotany dia hanefa ny sarany ilaina mba hahavoadio antsika rehetra amin’ny fahotana rehefa manaraka ireo fepetra asaina arahina mba hampitombo ny fivoarantsika. Ivon’ny drafitry ny Ray io Sorompanavotan’i Jesoa Kristy io.

Nandritra ny Filankevitra tany An-danitra dia nampahafantarina an’ireo fanahy rehetra zanak’ Andriamanitra ilay drafitry ny Ray, tafiditra ao anatin’izany ireo vokany sy ireo fitsapana entiny ety an-tany, ireo fanampiana avy any an-danitra ho azo avy amin’izany ary ilay anjara feno voninahitra hoentin’izany. Hitantsika tany am-piandohana ny fiafarany. Ireo olombelona rehetra maro sesehena izay efa teraka teto amin’ity tany ity dia nisafidy ny drafitry ny Ray ary niady ho an’izany nandritra ilay ady tany an-danitra taorian’izany. Maro koa no nanao fanekempihavanana tamin’ny Ray mikasika izay hataony mandritra ny fiainana an-tany. Tsy mbola voambara hoe tamin’ny fomba ahoana, fa nisy fiantraikany amin’ny zavatra iainantsika eto an-tany ireo zavatra nataontsika tany amin’ny tontolon’ny fanahy .

Fiainana an-tany sy tontolon’ny fanahy

Izao aho dia hamintina ny sasany amin’ireo singa fototra ao amin’ny drafitry ny Ray, noho izy ireo misy fiantraikany amintsika mandritra ny diantsika eto an-tany sy any amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’izany.

Ny tanjon’ny fiainana an-tany sy ny fivoarana aorian’ny fiainana an-tany izay afaka miseho aorian’izany dia ny mba hahatonga ireo zanak’ Andriamanitra ho lasa tahaka Azy. Izany no fanirian’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany rehetra. Mba hahatongavana amin’izany anjara feno fifaliana izany dia takian’ireo lalàna mandrakizay ny tsy maintsy hahatongavantsika ho olona voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hahafahantsika mitoetra eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka ary hisitraka ireo fitahian’ny fisandratana. Araka ny ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna dia manasa ny “rehetra [Izy] hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony, ary tsy mandà izay manatona Azy Izy; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; ary mahatsiaro ny hafa firenena Izy; ary ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” (2 Nefia 26:33; jereo koa ny Almà 5:49).

Ilay drafitr’ Andriamanitra hahatongavantsika amin’ilay natao hahatongavantsika dia mitaky antsika hanao safidy ny handà ilay fanoherana ratsy izay maka fanahy ny olombelona hanao zavatra mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra sy ny drafiny. Izany koa dia mitaky ny hanekentsika ireo fanoherana hafa misy eto an-tany, toy ny avy amin’ny fahotana ataon’ny hafa na noho ny tsy fahatomombanana ara-batana hatrany am-bohoka. Indraindray, tanteraka kokoa amin’ny alalan’ny fijaliana sy ny fahoriana ilay fivoarana ilaintsika noho ny amin’ny alalan’ny fiadanam-piainana sy ny filaminana. Ary tsy misy amin’ireo fanoherana misy eto an-tany ireo ka afaka ahatanteraka ilay tanjony mandrakizay raha toa ka miditra an-tsehatra Andriamanitra manala antsika amin’ireo voka-dratsy rehetra entin’ny fiainana an-tany.

Ilay drafitra dia mampiseho ny hiafarantsika any amin’ny mandrakizay, ny tanjon’ny diantsika eto amin’ny fiainana an-tany sy ireo fepetra mihatra amin’izany ary ireo fanampiana avy any an-danitra izay ho azontsika. Ireo didin’ Andriamanitra dia mampitandrina antsika mba tsy hitonantonana ao anatin’ny toe-javatra mampidi-doza. Mitarika ny lalan-kalehantsika sy manome toky izay mampivoatra ilay diantsika mandrakizay ny fampianaran’ireo mpitarika entanim-panahy.

Manome antsika karazana toky miisa efatra hanampiana antsika mandritra ny diantsika eto an-tany ny drafitr’ Andriamanitra. Izy rehetra ireo dia omena antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, izay ivon’ilay drafitra. Ny voalohany dia manome toky antsika fa amin’ny alalan’ny fijaliany noho ireo fahotana izay ibebahantsika, dia afaka ny ho voadio amin’ireo fahotana ireo isika. Ary “tsy [h]ahatsiaro izany intsony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42) ilay mpitsara farany be famindram-po.

Faharoa, tafiditra ao anatin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny nitondrany teo Aminy ireo rofy hafa rehetra eo amin’ny fiainana an-tany. Izany dia ahafahantsika mandray fanampiana avy amin’ Andriamanitra sy hery hahazakana ireo enta-mavesatra tsy azo ihodivirana eto an-tany, na mianjady amin’ny tena manokana na amin’ny olon-drehetra, toy ny ady sy ny areti-mandringana. Ny Bokin’i Môrmôna no manome ny famaritana ara-tsoratra masina mazava indrindra ananantsika mikasika an’izany herin’ny Sorompanavotana tena manan-danja izany. Ny Mpamonjy dia nitondra teo Aminy “ny fanaintainana sy ny aretina [ary ny rofin’ny] olony. … Ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Alma 7:11–12).

Fahatelo, ny Mpamonjy, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy manam-petra, dia manaisotra ny maha fiafarana ny fahafatesana ary manome toky tena mahafaly fa hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra. Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra hoe: “Ity famerenana amin’ny laoniny ity dia ho tonga amin’ny rehetra, na antitra na tanora, na mpifatotra na olon’afaka, na lahy na vavy, na ny ratsy na ny marina; ary tsy hisy na dia singam-bolo iray amin’ny lohany aza ho very; fa ny zavatra tsirairay kosa dia haverina amin’ny endriny tomombana” (Almà 11:44).

Mankalaza ny fisian’ny Fitsanganana amin’ny maty isika amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao. Izany dia manome antsika fomba fijery sy tanjaka ahafahana mahazaka ireo olana eto an-tany atrehantsika tsirairay sy atrehan’ireo olon-tiantsika, toy ny tsy fahatomombanana ara-batana na ara-tsaina na ara-pihetseham-po lovaintsika hatrany am-bohoka na azontsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Noho ny Fitsanganana amin’ny maty dia fantatsika fa izany tsy fahatomombanana iainana eto an-tany izany dia mandalo fotsiny ihany!

Ny filazantsara naverina amin’ny laoniny dia manome toky antsika fa ny Fitsanganana amin’ny maty dia ahitana fahafahana ho tafaraka amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika dia ny vady sy ny zanaka ary ny ray aman-dreny. Famporisihina mahery vaika ho antsika izany hanatanteraka ireo andraikitsika eo anivon’ny fianakaviana mandritra ny fiainana an-tany. Izany dia manampy antsika hiara-hiaina amim-pitiavana mandritra ity fiainana ity eo am-piandrandrana ilay fihaonana sy fiarahana feno fifaliana any ankoatra.

Fahaefatra sady farany, ny fanambarana maoderina dia mampianatra antsika fa tsy voatery hifarana amin’ny fiafaran’ny fiainana eto an-tany akory ny fivoarantsika. Kely ihany no voambara mahakasika izany fanomezan-toky manan-danja izany. Nolazaina isika fa izao fiainana izao no fotoana hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra ary tsy tokony hanemotra ny fibebahantsika isika (jereo ny Almà 34:32–33). Fa mbola ampianarina isika fa any amin’ny tontolon’ny fanahy dia torina na dia amin’ny “olon-dratsy sy ny tsy mpankatò izay efa nitsipaka ny fahamarinana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29) aza ny filazantsara ary ireo izay ampianarina any dia afaka mibebaka mialoha ny Fitsarana Farany (jereo ny andininy 31–34, 57–59).

Ireto misy zavatra fototra hafa ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra:

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia manolotra antsika fomba fijery miavaka mikasika ny fahadiovam-pitondrantena, sy ny fanambadiana ary ny fananahana. Izany dia mampianatra fa ny fanambadiana araka ny drafitr’Andriamanitra dia ilaina amin’ny fanatanterahana ny tanjon’ny drafitr’ Andriamanitra, mba hametrahana ilay lamina napetrak’ Andriamanitra mahakasika ny fahaterahan’ny olona eto an-tany ary mba hanomanana ireo olona ao amin’ny fianakaviana ho amin’ny fiainana mandrakizay. “Voatendrin’ Andriamanitra ho an’ny olona ny fanambadiana,” hoy ny Tompo, “… mba hahatratraran’ny tany ny tanjona namoronana azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:15–16). Eo anatrehan’izany, ny drafiny mazava ho azy dia mifanohitra amin’ireo fironana matanjaka sasantsasany eto amin’izao tontolo izao eo amin’ny lalàna sy ny fomba amam-panao.

Ny fahefana hamoronana aina eto an-tany no hery ambony indrindra nomen’ Andriamanitra ireo zanany. Takin’ny didy voalohany nomena an’i Adama sy Eva ny fampiasana izany, kanefa misy didy iray lehibe hafa izay nomena mba handrarana ny fampiasana izany tsy araka ny tokony ho izy. Ny fomba rehetra ampiasana ny fahefan’ny fananahana any ivelan’ny fifamatoran’ny fanambadiana dia fanambaniana mifono fahotana sy fametavetana amin’ny ambaratonga samihafa an’ilay toetra masina indrindra ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny antony anantitranteran’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny mafy an’io lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena io dia noho ilay tanjon’ny fahefan’ny fananahana nomena antsika eo amin’ny fanatanterahana ny drafitr’ Andriamanitra.

Dia inona no manaraka?

Mandritra ity fahatsiarovana ny faha-roanjato taonan’ny Fahitana Voalohany ity, izay nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny, dia mahafantatra ny drafitry ny Tompo isika ary mahazo famporisihina noho ireo roanjato taona nitondran’izany fitahiana tamin’ny alalan’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny. Amin’ity taona 2020 ity, dia 20/20 araka ny filazan’ny maro azy ny hatsaran’ny fahitantsika ireo zava-nitranga tany aloha.

Rehefa mijery ny hoavy anefa isika dia tsy mazava araka izany ny fahitantsika. Fantatsika fa ny tontolon’ny fanahy ankehitriny, roanjato taona taorian’ny Famerenana amin’ny laoniny, dia ahitana mpiasa maro nahazo traikefa teto an-tany afaka manatanteraka ny fitoriana ny filazantsara any. Fantatsika koa fa manana tempoly maro lavitra kokoa isika amin’izao fotoana izao hanatanterahana ireo ôrdônansy ho an’ny mandrakizay ho an’ireo izay mibebaka sy mandray ny filazantsaran’ny Tompo eo amin’ny lafy roan’ny voalin’ny fahafatesana. Mampandroso ny drafitry ny Ray any An-danitra izany rehetra izany. Lehibe tokoa ny fitiavan’ Andriamanitra ka nomeny anjara voninahitra avokoa ny zanany rehetra, afa-tsy ireo vitsy izay minia ho lasa zanaky ny fahaverezana. (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:43).

Fantatsika fa hiverina ny Mpamonjy ary hisy ny arivotaona hanjakana ao anatin’ny fiadanana hamaranana ilay ampahany mahakasika ny fiainana an-tany ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra. Fantatsika koa fa hisy fitsanganana amin’ny maty samihafa, dia ny fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina amin’ny maty, ary tsy maintsy misy fitsarana farany ny olona tsirairay aorian’ny fitsanganany amin’ny maty.

Hotsaraina araka izay zavatra nataontsika sy ny fanirian’ny fontsika ary araka ny karazan’olona izay hiafarantsika isika. Izany fitsarana izany dia hahatonga ny zanak’ Andriamanitra rehetra hiditra amina fanjakam-boninahitra izay mifanaraka amin’ny fankatoavan’izy ireo ary ho toerana mety amin’izy ireo izany. Ny Mpamonjintsika, Jesoa Kristy no mpitsara amin’izany rehetra izany (jereo ny Jaona 5:22; 2 Nefia 9:41). Ny fahalalany ny zava-drehetra dia manome Azy fahalalana tonga lafatra momba ny zavatra rehetra nataontsika sy ny faniriantsika rehetra, na izay tsy nibebahana na tsy voaova, na izay nibebahana na efa tsara. Noho izany, aorian’ny fitsarany, dia hiaiky daholo isika rehetra fa “marina ny fitsarany” (Môzià 16:1).

Hamaranana azy dia hozaraiko ny zavatra maha resy lahatra ahy noho ireo taratasy maro sy tamin’ny fandinihina ireo fangatahana maro hiverina ato amin’ny Fiangonana taorian’ny fanesorana anarana na ny apôstazia. Maro amin’ireo mpikambana ato amintsika no tsy mahatakatra tanteraka io drafitry ny famonjena io izay mamaly ny ankamaroan’ireo fanontaniana momba ny fotopampianarana sy ireo fitsipika azo avy amin’ny fanentanam-panahy izay arahin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Isika izay mahafantatra ny drafitr’ Andriamanitra ary nanao fanekempihavanana handray anjara, dia manana andraikitra mazava hampianatra ireo fitsipika ireo sy hanao izay rehetra vitantsika hahatakaran’ny hafa azy ireo kokoa eo amin’ny toe-javatra misy antsika eto amin’ny fiainana an-tany. Mijoro ho vavolombelona aho momba an’i Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, izay mahatonga izany rehetra izany ho tanteraka, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Ny famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” ao amin’ny Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 91.