2020
Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-190
Mey 2020


Ireo zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha-190

Nanome hafatra mazava ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany hoe: “Henoy Izy.”

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Tokony hikatsaka isika, amin’ny fomba rehetra ananantsika, mba hihaino an’i Jesoa Kristy, izay miteny amintsika amin’ny alalan’ny hery sy ny asan’ny Fanahy Masina.”

“Ny tanjon’ity fihaonambe ity sy ny fihaonambe maneran-tany rehetra dia ny hanampy antsika hihaino Azy” (pejy 7).

Tao anatin’ilay fihaonambe izay nifantoka tamin’ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana amin’ny laoniny dia nampianarina isika fa afaka mihaino Azy, toy ny nataon’i Joseph Smith tao amin’ny Ala kely Masina. Noho isika voahodidin’ny vokatra aterak’ilay valanaretina mihanaka maneran-tany izay misy fiantraikany eo amin’olona an-tapitrisany dia nampianarina isika mba hihaino Azy hahazoana torolalana ao anatin’ireo olana atrehantsika. Ao anatin’ny fiandrandrana hoavy mamirapiratra ho an’ny Fiangonana sy ny ho antsika tsirairay avy, dia nampianarina isika mba hanavao ny ezaka ataontsika mba hihaino Azy sy hanaraka Azy.

“Ireo votoatin-dresaka maro izay nitaona fanahy nandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana aprily 2020 ity,” hoy ny Filoha Nelson, “… dia azo fintinina amin’ny teny anankiroa izay nolazain’ Andriamanitra: -Henoy Izy.- Mivavaka izahay mba ho ny fifantohanareo amin’ny Ray any An-danitra, izay nilaza ireo teny ireo, sy amin’i Jesoa Kristy Zanany Malala, no ho tafapaka lalina ao an-tsainareo amin’ireo zavatra rehetra izay niseho teto.”

Rehefa mandalina ireo hafatra nandritra ity fihaonambe ity ianao ary mikatsaka ny “tena handre sy hihaino ny tenin’ny Mpamonjy,” dia hahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny mpaminany eo amin’ny fiainanao izay ahitana “[fihenan’ny tahotra ary fitomboan’ny finoana].” (pejy 114).

  • Nampahafantatra ilay marika famantarana vaovao ny Fiangonana ny Filoha Nelson ao amin’ny pejy 73.

  • Nampahafantatra ilay fanambarana mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filoha Nelson ao amin’ny pejy 91.

  • Nitarika fivoriana masina maneran-tany ny Filoha Nelson ao amin’ny pejy 92.

  • Nanambara tempoly vaovao miisa valo ny Filoha Nelson ao amin’ny pejy 115.

  • Fantaro bebe kokoa ny fomba ahafahantsika manampy ny hafa #Hihaino Azy ao amin’ny HearHim.ChurchofJesusChrist.org.