2020
Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika
Mey 2020


Ny fitahiana entin’ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ny fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika

Fanambarana mitohy no voaray ary mbola raisina amin’ny alalan’ny fomba fifaneraserana izay napetraky ny Tompo.

Anio aho dia hiresaka mikasika ny fanambarana tsy tapaka amin’ireo mpaminany sy ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika.

Indraindray isika dia mandray fanambarana na dia tsy fantatsika aza ny tanjon’ny Tompo. Mialoha kely ny niantsoana ny Loholona Jeffrey R. Holland ho Apôstôly tamin’ny volana jona 1994, dia niaina zavatra tena tsara miendrika fanambarana aho fa ho antsoina izy. Solontenam-paritra aho tamin’izany ary tsy hitako izay antony hanomezana ahy izany fahalalana izany. Saingy mpiara-manompo izahay raha misiônera tanora tany Angletera tany amin’ny fiandohan’ny taona 1960 tany ho any, ary lehibe ny fitiavako azy. Noraisiko ho toy ny famindram-po lehibe nomena ahy io traikefa io. Vao taona vitsivitsy lasa izay dia nanontany tena aho raha toa ny Tompo ka manomana ahy ho zandriolona ao amin’ny Roambinifololahy hiara-hanompo amina misiônera iray mahatalanjona izay namana zandriolona mpiara-manompo tamiko fony izahay misiônera tanora.1 Indraindray aho dia mampitandrina ireo misiônera tanora mba ho tsara fanahy amin’ny namana zandriolona mpiara-mitory amin’izy ireo satria tsy fantatra raha ho lasa mpiara-mitory mpitarika azy ireo any aoriana any.

Manana fijoroana ho vavolombelona mafy orina aho fa ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia tarihin’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy. Fantany hoe iza no tokony hantsoiny ho Apôstôliny sy ny laharana hiantsoana azy ireo. Fantany ihany koa ny fomba hanomanana ny Apôstôliny ela niasana indrindra ho mpaminany sy Filohan’ny Fiangonana.

Sambatra isika taninkeo maraina nandre ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Russell M. Nelson, namoaka fanambarana lalina ho an’izao tontolo izao mikasika ny faha-roanjato taonan’ny Famerenana tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.2 Io fanambarana lehibe nataon’ny Filoha Nelson io dia nametraka mazava tsara fa ny niandohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy, sy ny fisiany ary ny lalana izorany amin’ny ho avy dia miankina tanteraka amin’ny fitsipiky ny fanambarana mitohy. Io fanambarana vaovao io dia maneho fampandrenesana avy amin’ny Ray feno fitiavana ho an’ireo zanany.

Tany aloha tany ny Filoha Spencer W. Kimball dia naneho ireo fahatsapana izay tsapako ankehitriny. Hoy izy: “Amin’ireo zavatra rehetra izay … tokony hahavelom-pankasitrahana antsika indrindra dia ny hoe misokatra tokoa ny lanitra ary ny fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia miorina eo amin’ny vatolampin’ny fanambarana. Ny fanambarana mitohy tokoa no tena mamelona ny filazantsaran’ilay Tompo sy Mpamonjy velona, dia i Jesoa Kristy.”3

Hitan’i Enôka mialoha ireo andro izay iainantsika ankehitriny. Ny Tompo no nampahafantatra an’i Enôka ilay faharatsiana lehibe izay hanjaka ary naminany momba ireo “fahoriana be” izay hitranga. Na izany aza dia nampanantena ny Tompo hoe, “Fa ny oloko kosa dia hotsimbiniko.”4 “Ary fahamarinana no haidiko avy any an-danitra; ary ny marina no halefako avy eto an-tany mba ho vavolombelona manambara ny Lahitokako.”5

Nampianatra tamin-kery lehibe ny Filoha Ezra Taft Benson fa ny Bokin’i Môrmôna, ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika, dia nipoitra avy ao anaty tany ho fanatanterahana an’ilay fanambarana nataon’ny Tompo tamin’i Enôka. Ny Ray sy ny Zanaka ary ireo anjely sy mpaminany izay niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith dia “notarihan’ny lanitra mba hamerina amin’ny laoniny ireo fahefana ilaina ho an’ny fanjakana.”6

Nandray fanambarana niampy fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith. Ny sasany amin’izany dia noresahina nandritra ity fihaonambe ity. Fanambarana maro voarain’i Joseph Mpaminany no voatahiry ho antsika ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ireo boky soratra masina ankatoavin’ny Fiangonana dia ahitana ny sain’ny Tompo sy ny sitrapony ho antsika amin’izao fotoampitantanana farany izao.7

Ankoatra ireo soratra masina manan-danja fototra ireo, dia sambatra isika noho ny fanambarana mitohy amin’ireo mpaminany velona. Ireo mpaminany dia “iraka voatendrin’ny Tompo, nahazo lalana hiteny eo amin’ny toerany.”8

Ny fanambarana sasany dia tena manan-danja loatra, ary ny hafa kosa dia mampitombo ny fahatakarantsika ireo fahamarinana manan-danja avy amin’ Andriamanitra ary manome fitarihana ho an’ny androntsika.9

Velom-pankasitrahana tsy misy ohatr’izany isika noho ilay fanambarana nomena ny Filoha Spencer W. Kimball izay manolotra ny fisoronana sy ireo fitahiana entin’ny tempoly ho an’ny lehilahy mendrika rehetra mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny 8 jona 1978.10

Izaho dia niara-nanompo tamin’ny maro tamin’ireo Roambinifololahy izay nanatrika ary nandray anjara tamin’ny nandraisana an’io fanambarana sarobidy io. Izy tsirairay ireo, tao anaty resaka nifanaovana tamiko, dia samy nanamafy ilay fitarihana ara-panahy mahery sy mampiray izay voarain’izy ireo sy ny Filoha Kimball. Maro no nilaza fa io no fanambarana mahery vaika indrindra voarain’izy ireo teo aloha sy taorian’izany fotoana izany.11

Izahay izay manompo ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ankehitriny dia voatahy raha fanambarana manan-danja maro no tonga tamin’ny alalan’ireo mpaminany faramparany.12 Ny Filoha Russell M. Nelson dia iraka notendren’ny Tompo indrindra ho an’ireo fanambarana hanampiana ireo fianakaviana hanorina toera-masin’ny finoana ao an-tokantranony, sy hanangona an’i Isiraely niely patrana eo amin’ny lafiny roa amin’ny voaly, ary hitahy ireo mpikambana nandray fanafiana masina eo amin’ny resaka mahakasika ireo ôrdônansy masin’ny tempoly.

Rehefa nambara nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2018 ireo fanovana manan-danja hitahiana ireo tokantranontsika, dia nijoro ho vavolombelona aho “fa tao anatin’ireo fifanakalozan-kevitra nandritra ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tany amin’ny tempoly, … ary taorian’ny fangatahan’ny mpaminany malalantsika fanambarana [tamin’ny Tompo] … , dia nisy fanamafisana mahery vaika voarain’ny rehetra.”13

Tamin’io fotoana io, dia fanambarana hafa mahakasika ireo ôrdônansin’ny tempoly masina no voaray saingy tsy nambara na tsy nampiharina.14 Io fitarihana io dia nanomboka tamina fanambarana miendrika faminaniana tamin’ny Filoha Russell M. Nelson samirery, ary fanamafisana tony sy feno hery tamin’ireo izay nandray anjara tamin’ilay raharaha. Nampandraisan’ny Filoha Nelson anjara manokana ireo rahavavy izay miahy ny rafitry ny Fikambanana Ifanampiana, sy ny Zatovovavy ary ny Kilonga. Ny taridalana farany, tao amin’ny tempoly, ho an’ny Fiadidiana Volahany sy ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia tena ara-panahy lalina sy nahery vaika. Samy nahafantatra izahay tsirairay fa nandray ny sain’ny Tompo sy ny sitrapony ary ny feony izahay.15

Manambara amin’ny fomba miezinezina tanteraka aho fa fanambarana mitohy no voaray ary mbola raisina amin’ny alalan’ny fomba fifaneraserana izay napetraky ny Tompo. Mijoro ho vavolombelona aho fa ilay fanambarana vaovao izay nomen’ny Filoha Nelson aninkeo maraina dia fanambarana hitondrana fitahiana ho an’ny olona rehetra.

Manolotra fanasana ho an’ny rehetra izahay mba hivoky eo amin’ny latabatry ny Tompo

Ambaranay ihany koa ny fanirianay avy amin’ny fo ny hitambatra indray amin’ireo izay manana olana eo amin’ny fijoroany ho vavolombelona, na izay malaindaina, na izay mangataka ny hanesorana ny anarany tsy ho ao amin’ny firaketan’ny Fiangonana. Maniry izahay ny hiara-hivoky aminareo, “amin’ny tenin’i Kristy,” eo amin’ny latabatry ny Tompo, mba hahafantarana ireo zavatra izay tokony hataontsika rehetra.16 Mila anao izahay! Mila anao ny Fiangonana! Mila anao ny Tompo! Ny vavaka avy amin’ny fo ataonay dia ny hiarahanao aminay hidera an’ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. Fantatray fa ny sasany aminareo dia mety niharana fanafintohinana, na haratsiam-panahy, na fihetsika hafa izay tsy araka ny toetran’i Kristy. Fantatray koa fa ny sasany dia nanana olana teo amin’ny finoany izay mety tsy takatra na azo na voavaha tanteraka.

Ny sasany amin’ireo mpikambana azo ianteherana sy mahatoky indrindra ato amintsika dia nisy fotoana niaina fitsapana ny finoany. Tiako ilay tantara marina momba an’i W. W. Phelps, izay nandao ny Fiangonana ary nijoro ho vavolombelona nanohitra an’i Joseph Smith tany amin’ny fitsarana iray tany Missouri. Rehefa avy nibebaka izy dia nanoratra tamin’i Joseph hoe “Fantatro ny toerana misy ahy, fantatrao izany, ary fantatr’ Andriamanitra, ary maniry ny ho voavonjy aho raha mety hanampy ahy ireo namako.”17 Namela azy tokoa i Joseph ka namerina azy tamin’ny asa ary nanoratra tamim-pitiavana hoe “Ireo namana tany aloha dia mbola namana indray amin’ny farany.”18

Ry rahalahy sy anabavy isany, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy anao dia fantaro fa te-handray anao tsara ny Fiangonana sy ny mpikambana ao aminy!

Fanambarana ho an’ny tena manokana hitarihana ny fiainantsika

Ireo rehetra izay mikatsaka amim-panetrentena fitarihana avy amin’ny Tompo dia afaka mandray fanambarana ho an’ny tenany manokana. Manan-danja mitovy amin’ny fanambarana avy amin’ny mpaminany izany. Ny fanambarana ara-panahy ho an’ny tena manokana avy amin’ny Fanahy Masina dia nahatonga olona an-tapitrisany nandray ny fijoroana ho vavolombelona ilaina mba hatao batisa sy horaisina ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia ilay fitahiana lalina raisina aorian’ny batisa rehefa amasinina isika “amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.”19 Tsaroako ny fanambarana ara-panahy iray manokana fony aho 15 taona. Teo am-pikatsahana fitarihana avy amin’ny Tompo ilay rahalahiko sarobidy mikasika izay hatao amin’ny rainay, izay tsy nanaiky ny handehanan’ny rahalahiko hanao asa fitoriana. Nivavaka tamin-kitsim-po koa aho ary nandray fanambarana ho an’ny tena manokana mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara.

Ny anjara andraikitry ny Fanahy Masina

Ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia mifototra amin’ireo fahamarinana ara-panahy voaray avy amin’ny Fanahy Masina.20 Ny Fanahy Masina no mpanambara sy mpijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana rehetra, indrindra mahakasika ny Mpamonjy. Raha tsy eo ny Fanahy Masina dia tsy afaka mahalala marina isika hoe i Jesoa no Kristy. Ny anjara asany tena manan-danja dia ny mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka sy ny anjara toeran’ Izy ireo ary ny voninahitr’ Izy ireo.

Ny Fanahy Masina dia afaka miantraika amin’ny fomba mahery vaika amin’ny tsirairay.21 Tsy hitohy lalandava io fiantraikany io raha tsy atao batisa ny olona iray ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina ihany koa dia toy ny mpanadio eo amin’ny fizotry ny fibebahana sy ny famelan-keloka.

Ny Fanahy dia manambara zavatra amin’ny fomba mahatalanjona. Nampiasa ity famariparitana mahafinaritra ity ny Tompo:

“Hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay ho tonga ao aminao sy hitoetra ao am-ponao.

“Ankehitriny indro, io no fanahin’ny fanambarana.”22

Na dia mety ho mahery vaika izay tsy izy aza ny fiantraikany, mazàna izany dia tonga amin’ny fomba mangina amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka.23 Ny soratra masina dia ahitana ohatra maro momba ny fiantraikan’ny Fanahy amin’ny saintsika, anisan’izany ny milaza fiadanana amin’ny saintsika,24 mibahana ao an-tsaintsika,25 manazava ny saintsika,26 ary mandefa feo mankao an-tsaintsika mihitsy aza.27

Anisan’ny fitsipika izay manomana antsika handray fanambarana ireto:

  • Mivavaka mba hahazoana fitarihana ara-panahy. Mila mikatsaka sy mangataka amim-panajana lalina sy amim-panetrentena28 isika ary maharitra sy manoa.29

  • Miomana handray fitaomam-panahy. Izany dia mitaky antsika hifikitra amin’ny fampianaran’ny Tompo ary hiaina mifanaraka amin’ireo didiny.

  • Mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana. Rehefa manao izany isika dia mijoro ho vavolombelona sy manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa hitondra eo amintsika ny anaran’ny Zanakalahiny masina, sy hahatsiaro Azy, ary hitandrina ny didiny.

Ireo fitsipika ireo dia manomana antsika handray sy hamantatra ary hanaraka ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fitarihany. Tafiditra ao amin’izany ireo “zavatra mitondra fiadanana … izay mitondra fifaliana [ary] … fiainana mandrakizay.”30

Mihatsara tokoa ny fiomanantsika ara-panahy rehefa mandalina tsy tapaka ny soratra masina isika, sy ireo fahamarinan’ny filazantsara ary mandinika ao an-tsaina ny fitarihana izay katsahantsika. Saingy tsarovy fa tokony haharitra sy hatoky ny fotoan’ny Tompo isika. Ny fitarihana dia omen’ny Tompo izay mahay ny zava-drehetra amin’ny fotoana izay Izy no “minia misafidy hanabe antsika.”31

Fanambarana amin’ny antso sy asa nampandraiketina antsika

Ny Fanahy Masina dia hanome ihany koa fanambarana eo amin’ny antsotsika sy ny asa ampandraiketina antsika. Araka ny traikefako dia mazàna tonga ny fitarihana ara-panahy manan-danja rehefa miezaka isika hitahy ny hafa eo am-panatanterahana ny andraikitsika.

Tsaroako fony aho eveka mbola tanora raha nandray antso feno tebiteby avy amina mpivady izay, fotoana fohy mialoha ny hanatrarako sidina iray noho ny andraikitro teo amin’ny asako. Nitalaho tamin’ny Tompo aho mialoha ny hahatongavan’izy ireo mba hahafantarana ny fomba ahafahako manampy azy ireo. Nambara tamiko ny karazana olana nananan’izy ireo sy ny valiny tokony omeko. Io fitarihana miendrika fanambarana io dia nahafahako nanatanteraka ny andraikitra masina teo amin’ny antsoko tamin’ny naha eveka ahy na dia tena voafetra aza ny fotoana nananako. Ireo eveka rehetra maneran-tany dia miaina zavatra mitovy karazana amin’izany niainako izany. Tamin’izaho filohan’ny tsatòka dia tsy hoe nandray fanambarana nanan-danja fotsiny fa nandray ihany koa fanitsiana ny tenako manokana izay nilaina mba hahatanteraka ny tanjon’ny Tompo.

Manome toky anao aho fa afaka mandray fitarihana miendrika fanambarana isika tsirairay avy rehefa miasa amim-panetrentena ao amin’ny tanimboaloboky ny Tompo. Ny ankamaroan’ireo fitarihana raisintsika dia tonga amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Indraindray izany, ary noho ny antony manokana, dia tonga mivantana avy amin’ny Tompo. Izaho manokana dia mijoro ho vavolombelona fa marina izany. Ny fitarihana ho an’ny Fiangonana manontolo dia tonga amin’ny Filoha sy mpaminanin’ny Fiangonana.

Izahay, amin’ny maha-Apôstôly maoderina anay, dia manana tombontsoa miara-miasa sy manao dia miaraka amin’ny mpaminanintsika ankehitriny, ny Filoha Nelson. Somary amboariko ny voalazan’i Wilford Woodruff mikasika ny Mpaminany Joseph Smith; izay marina koa raha momba ny Filoha Nelson. Hitako “ny fiasan’ny Fanahin’ Andriamanitra taminy, sy ireo fanambaran’i Jesoa Kristy taminy, ary ny fahatanterahan’ireo fanambarana ireo.”32

Ny fangatahako feno fanetrentena anio dia ny hikatsahantsika tsirairay fanambarana mitohy hitarihana ny fiainantsika sy hanarahantsika ny Fanahy eo am-piderantsika an’ Andriamanitra Ray amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika, izay hijoroako ho vavolombelona ny Aminy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Tamin’ny taona 1960, raha naidina ho 19 taona fa tsy ho 20 taona intsony ny taona hiantsoana ireo zatovolahy hanompo amin’ny asa fitoriana, dia izaho no anisan’ireo 20 taona farany nantsoina. Ny Loholona Jeffrey R. Holland no anisan’ireo 19 taona voalohany nantsoina.

  2. Jereo “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana nyfaha-roanjato taona” ao amin’ny Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 91. Io fanambarana io dia ampiarahana amin’ny fanambarana dimy hafa izay navoakan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ity fotoampitantanana ity.

  3. Enseignements des Présidents de l’Église: Spencer W. Kimball (2006); jereo ihany koa ny Matio 16:13–19.

  4. Mosesy 7:61.

  5. Mosesy 7:62. Notohizan’ny Tompo hoe “ary fahamarinana sy marina no hasaiko mipaoka ny tany toy ny amin’ny tondra-drano, ka hanangona ny olom-boafidiko avy amin’ny vazan-tany efatra” (Mosesy 7:62; jereo ihany koa ny Salamo 85:11).

  6. Ezra Taft Benson, “The Gift of Modern Revelation,” Ensign, Nov. 1986, 80.

  7. Jereo ny Ezra Taft Benson, “The Gift of Modern Revelation,” 80.

  8. Hugh B. Brown, “Joseph Smith among the Prophets” (Lahateny Fankalazana an’i Joseph Smith fanao isan-taona faha enina ambin’ny folo, Logan Institute of Religion, 7 des. 1958), 7.

  9. Jereo ny Hugh B. Brown, “Joseph Smith among the Prophets,” 7. Na manao ahoana na manao ahoana, ireo fanambarana dia mirindra tsara amin’ny tenin’ Andriamanitra nomena ireo mpaminany tany aloha.

  10. Jereo ny Filazana Ôfisialy 2; jereo ihany koa ny 2 Nefia 26:33. Ilay fanambarana dia mampihatra ny fotopampianarana voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,” ka ao anatin’izany ny hoe “na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lahy na vavy” (2 Nefia 26:33). Io fanambarana miavaka io dia voaray sy nohamafisin’ny Filankevitry ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao amin’ny efitra ambony masina ao amin’ny Tempolin’i Salt Lake.

  11. Maro tamin’ireo Apôstôly no nilaza fa io fanambarana io dia nahery vaika tokoa sy masina tokoa ka na inona na inona teny nentina hanoritsoritana izany dia tsy ho ampy ary, amin’ny lafiny iray, hampihena ny mahalalina sy mahamahery vaika an’io fanambarana io.

  12. Jereo “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2017. Io fanambarana io dia novakin’ny Filoha Gordon B. Hinckley tamin’ny fivoriamben’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany izay natao tamin’ny 23 septambra 1995, tany Salt Lake City, Utah. Jereo ihany koa ny Thomas S. Monson, “Tonga soa eto amin’ny Fihaonambe,” Liahona, nôv. 2012. Ny Filoha Monson dia nanambara fampidinana ny taona ambany indrindra takiana ho an’ny fanompoana eo amin’ny asa fitoriana.

  13. Quentin L. Cook, “Fiovam-po lalina sy maharitra ao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo,” Liahona, nôv. 2018, 11.

  14. Ireo fanambarana mahakasika ireo ôrdônansy masin’ny tempoly dia nampiharina tany amin’ny tempoly rehetra nanombaka tamin’ny 1 janoary 2019. Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny antsipiriany manokana mahakasika ireo ôrdônansin’ny tempoly dia tsy resahana raha tsy ao anatin’ny tempoly. Na izany aza dia ampianarina ireo fitsipika. Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra tamin’ny fomba kanto ny lanjan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly ary ny fomba “ahafahan’ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra mitosaka eo amin’ny fiainantsika” amin’ny alalan’izy ireny” (“Fa aoka kosa hatsangana ny trano ho an’ny anarako,,” Liahona, mey 2020).

  15. Io lamina io sy ireo fivoriana dia nitranga tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny volana janoary sy febroary sy martsa ary aprily 2018. Ny fanambarana farany tamin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia tamin’ny 26 aprily 2018.

  16. Jereo ny 2 Nefia 32:3.

  17. Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 418.

  18. Saints, 1:418.

  19. 3 Nefia 27:20.

  20. Ny Fanahy Masina dia mpikambana ao amin’ny Ny Andriamanitra (jereo ny 1 Jaona 5:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:28). Manana vatana fanahy Izy izay manana endrika mitovy amin’ny olona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22). Afaka miantefa na aiza na aiza ny fiantraikany. Miray hina Izy, raha ny tanjony, amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika.

  21. Mba hahatakarana feno kokoa ny Fahazavan’i Kristy sy ny fahasamihafan’ny Fahazavan’i Kristy amin’ny Fanahy Masina, dia jereo ny 2 Nefia 32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:7, 11–13; “Fahazavana, Fahazavan’i Kristy,” Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Jereo ihany koa Boyd K. Packer, “The Light of Christ,” Liahona, Apr. 2005, 8–14.

  22. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3.

  23. Jereo ny Helamàna 5:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85:6.

  24. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23.

  25. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:1.

  26. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:13.

  27. Jereo ny Enôsa 1:10.

  28. Jereo ny Matio 7:7–8.

  29. Jereo ny Môzià 3:19.

  30. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61.

  31. Neal A. Maxwell, All These Things Shall Give Thee Experience (2007), 31.

  32. Wilford Woodruff, ao amin’ny Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007).