2020
Loholona Jorge T. Becerra
Mey 2020


Loholona Jorge T. Becerra

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Saro-kenatra sy tsy dia be teny ny Loholona Jorge T. Becerra rehefa nihalehibe, saingy nomen’ny filohan’ny misiônany fahafahana hitarika izy. Nody avy tany amin’ny Misiônan’i Arcadia Californie i Jorge niaraka tamin’ny faniriana ny hirotsaka ao amin’ny asan’ny Tompo mandritra ny androm-piainany.

Tonga aloha kokoa noho ny nieritreretana azy ireo fahafahana mitarika. Voantso ho ao amin’ny episkôpà izy tamin’ny faha-27 taonany. Voantso ho eveka izy tamin’ny faha-32 taonany. Nahatsapa ho tsy ampy fahaiza-manao izy tamin’ny voalohany rehefa nanatona azy mba hizara ny olan’izy ireo ny olona.

“Tsy takatry ny saiko ny zavatra ataoko,” hoy izy tamin’ny rainy.

Nampianatra azy lesona manan-danja ny valinteny nomen’ny rainy, sy nampahatsiahy azy ny fananan’ny filohan’ny misiônany finoana fa afaka ny hahavita zavatra izy, ary nanampy azy hiomana amin’ireo antso ho mpitarika amin’ny ho avy, ka tafiditra tao anatin’izany ny naha-filohan’ny tsatòka azy tamin’izy 37 taona.

“Hoy ny raiko hoe, -Ry zanako, firy taona ny Fanahy Masina?-” Hoy ny fitantaran’ny Loholona Becerra. “Fotoana lehibe nandraisana fampianarana izany ho ahy satria fantatro fa afaka mahavita izay zavatra angatahin’ny Tompo amiko aho.”

Nitoetra tao amin’ny Loholona Becerrea nandritra ireo taona maro nanompoany tamin’ny fo tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany lesona izany.

Naterak’i Juan C. Becerra sy i Celia T. Becerra tao Salt Lake City, Utah, Etazonia, izay toerana nitaizana azy i Jorge Eduardo Torres Becerra tamin’ny 18 desambra 1962.

Rehefa avy nanao asa fitoriana nandritra ny fotoana feno ny Loholona Becerra, dia nanambady an’i Debbie Ilene Schneberger tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny 10 aogôsitra 1984. Manan-janaka dimy izy ireo.

Ny Loholona Becerra dia nahazo mari-pahaizana momba ny études générales avy tao amin’ny University of Utah ary diplôme d’associé ès arts en comptabilité avy tao amin’ny Salt Lake Community College. Nianatra momba ny fandraharahana tao amin’ny University of Phoenix koa izy. Tamin’ny 1998 dia lasa mpiara-miombon’antoka tao amin’ny Allegis Advisor Group izy, izay orinasa mpanoro hevitra momba ny fandraharahana ara-bola. Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia mpanoro hevitra momba ny fametraham-bola ampiasaina tao amin’ny Intermountain Financial Partners izy.

Ny Loholona Becerra dia efa filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny misiôna, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny sampana, mpampianatra seminera, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, eveka, filohan’ny tsatòka ary filohan’ny Misiônan’i Arcadia Californie. Fitopololahin’ny Vondromparitra izy tamin’ny fotoana niantsoana azy.