2020
Loholona Matthew S. Holland
Mey 2020


Loholona Matthew S. Holland

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Ny Loholona Matthew S. Holland dia tsy vahiny intsony ho an’ireo Manampahefana Ambony na rehefa fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Olomasin’ny Andro Farany maro no mahafantatra azy ho zanaky ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ny olona sasany dia mety mahatadidy azy nandray fitenenana fony izy 17 taona nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana tao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny volana aprily 1983.

“Fitahiana lehibe ho ahy nandritra ny fiainako ny nijery ny fomba niainan’ny raiko sy ny reniko, ary ny zavatra nanoloran’izy ireo tena sy ny zavatra nangatahana mba hataon’izy ireo,” hoy ny Loholona Holland, izay miahy ny Misiônan’i Raleigh Caroline du Nord amin’izao fotoana izao.

“Kanefa, noho ireo fomba fijery an’ny tena manokana ireo, dia mihevitra isika fa mahafantatra loatra itony antso itony ka mahatonga antsika hieritreritra fa efa ampy traikefa tsara isika hiatrehana izany,” hoy izy nanampy. “Soa ihany fa fantatsika hoe, izay antsoin’ Andriamanitra dia ataony mahavita izany antso izany, ary mahazo finoana sy fampaherezana lehibe avy amin’izany isika.”

Tsaroan’ny Loholona Holland hoe somary mampatahotra ny mandray fitenenana mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Ny fanomanana hafatra izay amin’ny farany tonga “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30) dia lasa “fitahiana voaray mialoha sy manome toky noho ny fahafantarana fa rehefa manaiky asa ampandraiketina avy amin’ny Tompo ianao, dia hanampy anao Izy ary hanome hevitra sy bitsika ho anao izay ilaina zaraina.”

Teraka tamin’ny 7 Jona 1966, tao Provo, Utah, Etazonia i Matthew Scott Holland, zanakalahin’i Jeffrey R. sy i Patricia Holland. Nanambady an’i Paige Bateman tao amin’ny Tempolin’i St. George Utah izy tamin’ny 20 mey 1996. Manan-janaka efatra izy ireo.

Ny fianarana norantovin’ny Loholona Holland dia ahitana fahazoana mari-pahaizana miisa telo, momba ny science politique, licence en lettres avy tao amin’ny Brigham Young University tamin’ny 1991 ary maîtrise en lettres sy docteur en philosophie izay mari-pahaizana samy azo avy tao amin’ny Duke University, tamin’ny 1997 ny voalohany ary tamin’ny 2001 ny faharoa.

Fony prôfesora mpiara-miasa momba ny science politque tao BYU (2001–2009) izy, dia nantsoina ho filohan’ny Utah Valley University tamin’ny 2009, ka nanompo teo amin’izany toerana izany hatramin’ny nahazoany antso ho filohan’ny misiôna tamin’ny 2018.

Izy dia efa eveka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, mpanoro hevitra ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy, tompon’andraikitra misahana ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy, mpampianatra Sekoly Alahady, misiônera manompo amin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Edinbourgh Écosse.