2020
Loholona William K. Jackson
Mey 2020


Loholona William K. Jackson

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Taorian’ny 23 taona naha-mpitsabo misahana ny fitsaboana teo amin’ny faritra azy tao amin’ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny raharaham-bahiny, dia nangatahina i William K. Jackson mba hizara ireo zavatra niainana niavaka miisa 20 tamin’izy nipetraka sy niasa tany amin’ireo faritra tsy nandroso indrindra teto amin’izao tontolo izao.

Rehefa nandinika tsara ilay fangatahana izy nialoha ny lanonana hankalazana ny fisotroany ronono, dia tsapany fa “izy roapolo tamin’ireo zavatra niavaka niainana niisa roapolo dia nisy ifandraisany daholo tamin’ny Fiangonana na tamin’ny fianakaviana,” hoy izy.

Naterak’i E. William sy i Lois Andrey Jackson tany Washington, D.C., Etazonia tamin’ny 29 martsa 1956 i William King Jackson. Lehibe tany Ojai, Californie, Etazonia izy saingy noho ny asa an-tsitrapo nataon’ny ray aman-dreniny, dia nianatra tany Honduras sy Algérie ary Afghanistan koa izy.

Rehefa avy nanao asa fitoriana tany amin’ny Misiônan’i La Paz Bolivie ny Loholona Jackson, dia nihaona tamin’i Ann Kesler tamin’ny fotoam-pahavaratry ny taona 1977.

“Tonga dia latsa-pitia taminy aho vao nahita azy,” hoy izy. “Nandany ny ambin’io fotoam-pahavaratra io aho nandresena lahatra azy fa izaho no izy.”

Nivady tamin’ny 29 desambra 1977 tao amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie izy ireo. Manan-janaka valo izy ireo ary ny telo tamin’izany dia natsangana ka avy any Inde, Népal ary Cambodge izy ireo.

Ny Loholona Jackson dia nianatra tao amin’ny Brigham Young University, nahazo mari-pahaizana licence ès sciences avy tao amin’ny University of California, Berkeley, ary nahazo ny mari-pahaizana docteur en médicine avy tao amin’ny University of California, San Francisco, tamin’ny 1983.

Taorian’ny nahavitany ny internat dia niasa tany ivelany nandritra ny 26 taona izy. Vao haingana izy no talen’ny fitsaboana tao amin’ny Valley Family Health Care, izay hita any Idaho sy Oregon, Etazonia.

Rehefa nipetraka tany ivelan’i Etazonia izy ireo dia nanokana ny ankamaroan’ny fotoan’izy ireo niarahana tamin’ireo mpikambana izay izy ireo no taranaka voalohany mpikamban’ny Fiangonana ao amin’izy ireo.

“Ny iray amin’ireo ampahany lehibe indrindra mandrafitra ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny filazantsara dia ny fijerena ny zavatra ataon’ny filazantsara amin’ireo olona izay tianay ireo,” hoy izy. “Manova azy ireo izany.”

Ny Loholona Jackson dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny Misiônan’i New Delhi Inde, filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny sampana, mpampianatra institiota ary mpampianatra ny Fotopampianaran’ny Filazantsara. Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia eveka izy.