2020
Loholona Kelly R. Johnson
Mey 2020


Loholona Kelly R. Johnson

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Tsaroan’ny Loholona Kelly R. Johnson ilay andro niantsoana azy ho eveka fony izy 31 taona. Tamin’io andro io izy dia hita fa tratran’ny aretina paralysie de Bell, izay toe-javatra ahitana fa lasa malemy ireo hozatry ny faritra ilany iray eo amin’ny tava.

Fotoan-tsarotra izany, tsy noho ny tsy fahazoan’aina sy ny fahamenarana noho ilay toe-javatra niainana fotsiny fa noho ireo andraikitra vaovao maro. Lasa fitahiana anefa izany fotoan-tsarotra izany.

“Noho ny tsy fahafantarana izay ho fisehoan-javatra any aoriana, dia nanana fangorahana an’ireo olona izay hiaraka amiko mandritra ny androm-piainako aho,” hoy izy. “Tena nianatra aho fa ny olona dia miaina zavatra mafy sy mampalahelo izay tsy voafehin’izy ireo ka misy fiantraikany eo amin’ny fahafahan’izy ireo manao zavatra, sy ny zavatra tsapan’izy ireo ary ny fahatokian-tenan’izy ireo.”

Misy fotoana, tsy mora ny manompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Kanefa tahaka ireo mpianatry ny Mpamonjy izay “nandao ny harato niaraka tamin’izay” (Matio 4:20) mba hanaraka Azy, “na inona angatahina mba hataontsika dia vonona ny hanao izany isika,” hoy ny Loholona Johnson.

Na aiza na aiza iantsoan’ny Tompo azy na ny fianakaviany dia vonona ny handeha amin’ny fo sy saina izy ireo, miandrandra ny hahita ny tsara na inona na inona toe-javatra iainan’izy ireo.

Naterak’i Raymond Johnson Jr. sy i Helen Cragaun tao Pleasant View, Utah, tamin’ny 16 janoary 1963 i Kelly Ray Johnson. Lehibe tao Ogden, Utah izy ary nanambady an’i Teressa Lynn Bartrum tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake tamin’ny 27 martsa 1986. Manan-janaka dimy izy ireo.

Ny Loholona Johnson dia nahavita fianarana tao amin’ny Weber State University tamin’ny 1987 ka nahazo mari-pahaizana licence ès sciences en comptabilité ary nahazo mari-pahaizana maîtrise en gestion d’entreprise avy amin’ny Brigham Young University tamin’ny 1989. Niasa toy ny juricomptable tao amin’ny KPMG International Cooperative izy ary ny vao haingana indrindra dia juricomptable sy mpiara-miombon’antoka tao amin’ny Norman, Townsend, and Johnson.

Ny Loholona Johnson dia Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny fotoana niantsoana azy. Izy koa dia efa filohan’ny misiôna tany amin’ny Misiônan’i Bangkok Thailand, izay toerana naha-misiônera manompo amin’ny fotoana feno azy, ary efa filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, tompon’andraikitra misahana ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy, ary mpampianatra ny fiomanana ho misiônera teo anivon’ny tsatòka.