2020
Loholona Moisés Villanueva
Mey 2020


Loholona Moisés Villanueva

Fitopololahy Manampahefana Ambony

10 taona monja izy tamin’izany, saingy tsy hadinon’ny Loholona Moisés Villanueva velively ny zavatra tsapany rehefa nampianatra azy sy ny fianakaviany ny filazantsara ireo misiônera tany Oaxaca, Mexique.

“Tsaroako ilay Fanahy izay tsapako, ny fiadanana izay tsapako tao am-poko,” hoy izy.

Rehefa natao batisa niaraka tamin’ny efatra tamin’ireo iray tampo aminy i Moisés, dia niverina navitrika tao am-piangonana indray ny reniny izay reny tokan-tena nitaiza an’i Moisés sy ireo iray tampo aminy niisa fito tao anatin’ny toe-javatra sarotra.

Taty aoriana rehefa niomana ny hanao asa fitoriana i Moisés izay 18 taona, dia mbola niaina fahasahiranana ara-nofo ihany ny fianakaviany. Niahiahy tamin’ilay fanapahan-keviny handeha izy ary niteny tamin’ny reniny fa te hijanona mba hanampy azy.

“Raha tena te hanampy ahy ianao,” hoy izy taminy, dia “mandehana manompo ny Tompo.”

Rehefa nandohalika teo akaikin’ny fandriany izy tamin’ny fiafaran’ilay andro voalohany tao amin’ny Misiônan’i Hermosillo Mexique, dia tsapan’i Moisés fa faly tamin’ilay fanapahan-keviny ny Tompo. Nankasitraka ny asa fitoriana nataony izy noho ny nampitomboan’izany ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

“I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no mitarika ity Fiangonana ity,” hoy ny Loholona Villanueva. “Fantany amin’ny anarantsika tsirairay avy isika. Fantany ireo zavatra ilaintsika sy ireo olantsika ary ireo ahiahintsika. Fantany koa ny tanjantsika, eny fa na ireo faniriana ao am-pontsika aza.”

Naterak’i Rubén Villanueva Platas sy i Delfina López Domínguez tamin’ny 13 desambra 1966 tao Oaxaca, Mexique i Moisés Villanueva López. Nanambady an’i Leticia Ávalos Lozano tao amin’ny Tempolin’i Mexico City Mexique izy tamin’ny 30 jona 1995. Manan-janaka telo izy ireo.

Ny Loholona Villanueva dia nahazo mari-pahaizana licence en gestion d’entreprise avy tao amin’ny Southeast Regional University tamin’ny 1997 ary mari-pahaizana maîtrise en innovation pour le perfectionnement des affaires avy tao amin’ny Tecnológico de Monterrey in 2011. Vao haingana izy no tale jeneralin’ny Sertexa, izay orinasa misahana ny fitaterana.

Fitopololahin’ny Vondromparitra tao Mexique ny Loholona Villanueva tamin’ny fotoana niantsoana azy. Izy koa dia efa filohan’ny Misiônan’i Arcadia Californie, filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, eveka, ary talen’ny fifaneraserana amin’ny any ivelany.