2020
Ny fomba hitahian’ny fisoronana an’ireo zatovo
Mey 2020


Ny fomba hitahian’ny fisoronana an’ireo zatovo

Afaka mahazo hery isika amin’ny alalan’ny fisoronana. Mitondra fahazavana eo amin’ny tontolontsika ny fisoronana.

Feno fankasitrahana aho manatrika etoana. Raha vao nahafantatra aho hoe homena fahafahana hiteny aminareo anio dia nahatsiaro ho tena nientanentana nefa koa nahatsapa fanetren-tena lehibe. Nandany fotoana maro aho nieritreritra mikasika izay azoko zaraina, ary manantena aho fa hiresaka mivantana aminareo ny Fanahy amin’ny alalan’ny hafatra ampitaiko.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Lehia dia nanome tsodrano an’ireo zanany lahy tsirairay mialoha ny hahafatesany, izay nanampy azy ireo hamantatra ny hery ananan’izy ireo sy izay mety ho ahatongavany rahatrizay. Izaho no farany amin’ny zanaka valo, ary tamin’iny taona lasa iny dia izaho no sambany zaza tokana sisa tavela tao an-trano. Sarotra tamiko izany hoe tsy manana ireo iray tampo amiko eo anilako eo sy tsy manana mandrakariva olona hiresahana. Tao ireo alina izay nahatsapako ho tena irery. Feno fankasitrahana an’ireo ray aman-dreniko aho nanao izay rehetra vitany hanampiana ahy. Ohatra amin’izany ny fotoana nanomezan’ny raiko ahy tsodranon’ny fisoronana ho fankaherezana nandritra ny fotoana iray tena nananako olana lehibe. Taorian’ny tsodrano nomeny, dia tsy tonga dia niova akory ny fandehan-javatra, saingy afaka nahatsapa fiadanana sy fitiavana aho avy tamin’ny Raiko any An-danitra sy avy tamin’i dada. Mahatsiaro ho voatahy aho manana ray mendrika afaka manome ahy tsodranon’ny fisoronana isaky ny mila izany ary afaka manampy ahy hamantatra ny hery ananako sy izay mety hahatongavako rahatrizay, tsy misy hafa amin’ny nataon’i Lehia tamin’izy nitsodrano an’ireo zanany.

Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainanao dia afaka mahazo ireo tsodranon’ny fisoronana mandrakariva ianao. Amin’ny alalan’ny olona ao amin’ny fianakaviana, sy ireo namana, ireo rahalahy mpanompo, ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, ary ny Ray any An-danitra izay tsy handao anao na oviana na oviana, dia afaka mandray ireo tsodranon’ny fisoronana ianao. Hoy ny Loholona Neil L. Andersen: “Ireo fitahian’ny fisoronana dia lehibe lavitra noho ilay lehilahy iray izay angatahina mba hanatanteraka ilay [fanomezana]. … Raha mendrika isika, dia hanatsara ny fiainantsika […] ireo ôrdônansin’ny fisoronana.”1

Aza misalasala mangataka tsodrano rehefa mila fitarihana fanampiny ianao. Amin’ny fotoan-tsarotra lalovantsika no tena ilantsika indrindra ny fanampian’ny Fanahy. Tsy misy tonga lafatra izany ary samy mandalo fotoan-tsarotra daholo isika. Ny sasany amintsika dia mety be fitaintainana, rera-tsaina amam-panahy, miankin-doha amin-javatra, na manana fahatsapana ho tsy mahavita azy. Afaka manampy antsika ny tsodranon’ny fisoronana handresy ireny olana ireny sy hahatsapa fiadanana eo am-pirosoantsika mankany amin’ny ho avy. Manantena aho fa miezaka hanana fiainana mendrika isika hahafahana mandray ireny tsodrano ireny.

Ny fomba iray hafa hitahian’ny fisoronana antsika dia amin’ny alalan’ny tsodranon’ny patriarika. Nianatra ny hamaky ny tsodranon’ny Patriarikako aho isaky ny mahatsiaro malahelo na manirery. Ny tsodrano nomena ahy dia manampy ahy hahatakatra izay azoko hahatongavana sy ny drafitra manokana nataon’ Andriamanitra ho ahy. Mankahery ahy izany ary manampy ahy hahita mihoatra noho ny fomba fijeriko amin’ny maha olombelona. Mampahatsiahy ahy an’ireo fanomezam-pahasoavana ananako sy ireo fitahiana ho azoko izany raha miaina amim-pahamendrehana aho. Manampy ahy ihany koa izany hahatsiaro sy hahatsapa fiadanana fa hamaly ahy Andriamanitra ary hanokatra lalana ho ahy amin’ny fotoana tena ilàko izany indrindra.

Manampy antsika ny tsodranon’ny patriarika hiomana hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra. Fantatro fa avy amin’ Andriamanitra ireo tsodranon’ny patriarika ary afaka manampy antsika hamadika ireo fahalementsika ho lasa tanjaka. Tsy hafatra avy amina mpanandro akory ireo. Fa ireo tsodrano ireo dia manambara amintsika izay tokony ho rentsika. Toy ny Liahona izy ireny ho antsika tsirairay. Rehefa Andriamanitra no ataontsika lohalaharana ary mino Azy isika, dia hitarika antsika Izy hamakivaky ny tany foanantsika.

Tsy misy hafa tamin’ny nanomezan’ Andriamanitra an’i Joseph Smith ny fisoronana mba hahafahan’ireo fitahian’ny filazantsara ho tafaverina amin’ny laoniny, no ahafahantsika koa mandray ireo fitahian’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika amin’ny alalan’ny fisoronana. Isan-kerinandro isika dia omena tombontsoa sy fahafahana handray ny fanasan’ny Tompo. Amin’ny alalan’io ôrdônansin’ny fisoronana io no ahafahantsika manana ny Fanahy miaraka amintsika mandrakariva, izay afaka mamotsy sy manadio antsika. Raha tsapanao fa mila mamafa zavatra eo amin’ny fiainanao ianao, dia manatona mpitarika iray mahatoky izay afaka manampy anao hanao ireo zavatra fantatrao fa tokony hatao. Ireo mpitarika anao dia afaka manampy anao hahazo ny hery rehetra ao amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Noho ny fisoronana dia afaka mahazo ireo fitahiana entin’ireo ôrdônansin’ny tempoly ihany koa isika. Nanomboka tamin’ny fotoana voalohany nahafahako niditra tao amin’ny tempoly dia nataoko ho tanjona sy laharam-pahamehana ny ho any tsy tapaka. Noho ny fanokanana fotoana sy fanaovana fahafoizantena ilaina hanatonana kokoa ny Raiko any An-danitra ao amin’ny tranony masina, dia afaka nandray fanambarana sy fitaomam-panahy aho, izay tena nanampy ahy nandritra ny androm-piainako.

Afaka mahazo hery isika amin’ny alalan’ny fisoronana. Mitondra fahazavana eo amin’ny tontolontsika ny fisoronana. Hoy ny Loholona Robert D. Hales: “Raha tsy eo ny herin’ny fisoronana, ‘dia hofongorana tanteraka ny tany manontolo’ (jereo ny F&F 2:1–3). Tsy hisy hazavana, tsy hisy fanantenana—fa haizina fotsiny.”2

Manohana antsika Andriamanitra. Tiany hiverina any Aminy isika. Mahafantatra antsika tsirairay Izy. Mahafantatra anao Izy. Tia antsika Izy. Fantany mandrakariva ny misy antsika ary mitahy antsika Izy na dia rehefa mahatsiaro tena ho tsy mendrika an` izany aza isika. Fantany izay ilaintsika, sy ny fotoana ilantsika an` izany.

“Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo:

“Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana” (Matio 7:7–8).

Raha tsy mbola manana fijoroana ho vavolombelona momba ny fisoronana ianao dia mamporisika anao aho hivavaka sy hangataka mba hahalalanao manokana ny herin’izany, dia mamakia soratra masina avy eo hahenoana ny tenin’ Andriamanitra. Fantatro fa raha manao ezaka isika hiaina ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia ho voatahy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Neil L. Andersen, “Hery ao amin’ny Fisoronana,” Liahona, nôv. 2013, 92.

  2. Robert D. Hales, “Blessings of the Priesthood,” Ensign, Nov. 1995, 32.