2020
Hosana sy Haleloia!—Ilay Jesoa Kristy Velona: Ivon’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Paska
Mey 2020


Hosana sy Haleloia!—Ilay Jesoa Kristy Velona: Ivon’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Paska

Amin’izao vanim-potoan’ny hosana sy haleloia izao, dia mihirà hoe Haleloia, satria hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy!

Ry rahalahy sy anabavy malala: amin’ny hosana sy haleloia no hankalazantsika an’ilay Jesoa Kristy velona amin’izao vanim-potoan’ny Famerenana amin’ny laoniny mitohy sy ny Paska izao. Omban’ny fitiavana tanteraka no hanomezan’ny Mpamonjy toky antsika hoe: “[Ato amiko no] hanananareo fiadanana … . Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”1

Taona vitsy lasa izay, rehefa nihaona tamina fianakaviana iray maha-te ho tia izaho sy Rahavavy Gong, dia menamenatra ery i Ivy zanaka vavikelin’izy ireo namoaka ny fitoeran-dokangany. Navoakany ilay fikasohan-dokanga, nohenjaniny ary nasiany colophane. Avy eo dia naveriny tao amin’ilay vata ilay fikasohan-dokanga, dia niondrika izy naneho fanajana, ary nipetraka. Noho izy vao nanomboka nianatra dia izay zavatra rehetra hainy momba ny lokanga ihany no nasehony. Ankehitriny, taona maro aty aoriana, dia mahay mitendry lokanga tsara ery i Ivy.

Sary
Ivy sy ny lokangany

Mandritra ity fiainana an-tany ity, dia misy itovizantsika rehetra amin’i Ivy sy ny lokangany. Manomboka any amin’ny voalohany isika. Fa rehefa manao fanazaran-tena sy milofo, dia mivoatra sy mihatsara. Rehefa mandeha ny fotoana dia manampy antsika hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy antsika ny fampiasana ny fahafahana misafidy sy ny zavatra iainana eto amin’ny fiainana an-tany rehefa miara-miasa Aminy ao amin’ny tanimboliny isika2 ary manaraka ny lalan’ny fanekempihavanany.

Ireo tsingerin-taona, anisan’izany ity faha roanjato taona ity, dia mampahatsiahy fa efa nisy hatrany ny lamin’ny famerenana amin’ny laoniny.3 Amin’izao fankalazana ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny izay mitohy hatrany dia miomana ho amin’ny Paska ihany koa isika. Mifaly amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy isika amin’izy roa ireo. Velona Izy, tsy tamin’izany ihany fa ankehitriny koa, tsy ho an’ny sasantsasany ihany, fa ho an’ny rehetra. Tonga Izy tamin’izany ary mbola tonga ankehitriny hanasitrana ny malahelo, hanafaka ny mpifatotra, hampahiratra ny jamba, ary hanafaka izay nampahorina.4 Izany hoe isika tsirairay. Mihatra amintsika ny fampanantenany manavotra, na toy ny ahoana ny lasantsika, na ny fiainantsika ankehitriny, na izay ahiahintsika momba ny hoavintsika.

Sary
Ilay fidirana tamim-boninahitra tao Jerosalema

Alahadin’ny Sampan-drofia rahampitso. Ny sampan-drofia dia tandindona masina hanehoana ny fifaliana ao amin’ny Tompontsika, tahaka ny tamin’ilay fidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema, izay nahitana “vahoaka betsaka … naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy.”5 (Mety hahaliana anao ny hahafantatra fa ilay sary hosodoko tena izy nataon’i Harry Anderson momba an’io dia mihantona ao amin’ny biraon’ny Filoha Russell M. Nelson, aorian’ny latabatra fiasany mihitsy.) Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, ireo izay midera an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry dia “niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany.”6 Tafiditra tao amin’ny vavaka fanokanana ny Tempolin’i Kirtland miaraka amin’ny “akanjon’ny fahamarinana” sy ny “satroboninahitra” ny sampan-drofia.7

Mazava ho azy fa mihoatra lavitra ny hoe vahoaka miarahaba an’i Jesoa miaraka amin’ny sampan-drofia ny hevitry ny hoe Alahadin’ny Sampan-drofia. Ny Alahadin’ny Sampan-drofia dia niditra tao Jerosalema i Jesoa, tamin’ny fomba izay fantatr’ireo mahatoky fa fahatanterahana faminaniana. Araka ny nambaran’i Zakaria8 sy ny mpanao Salamo mialoha tamin’ny faminaniana, dia niditra tao Jerosalema ny Tompontsika nitaingina boriky, ary ny vahoaka kosa nihiaka tamin’ny nahim-pony hoe “Hosana any amin’ny avo indrindra.”9 Ny Hosana dia midika hoe “vonjeo re izahay.”10 Tamin’izany fotoana izany, toy ny ankehitriny dia mifaly isika hoe “Hotahina anie izay avy amin’ny anaran’i Jehovah.”11

Herinandro aorian’ny Alahadin’ny Sampan-drofia ny Alahadin’ny Paska. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa i Jesoa Kristy “dia tonga mba hanefa ny trosa izay tsy tokony efainy satria isika dia nanana trosa tokony nefaintsika kanefa tsy afaka nandoa izany.”12 Marina tokoa fa noho ny Sorompanavotana nataon’i Kristy, dia “azo vonjena [ny zanak’ Andriamanitra rehetra], amin’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara.”13 Mihira Haleloia isika rehefa Paska. Ny Haleloia dia midika hoe “Derao Jehovah Tompo.”14 Ilay fiverenan-kira hoe Haleloia ao amin’ny Mesia nataon’i Handel dia fanambarana tena tsara mahakasika ny Paska fa Izy no “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.”15

Ireo trangan-javatra masina teo anelanelan’ny Alahadin’ny Sampan-drofia sy ny Alahadin’ny Paska dia tantara momba ny hosana sy haleloia. Ny hosana dia ny fitalahoantsika an’ Andriamanitra mba hamonjy. Ny haleloia dia maneho ny fiderantsika ny Tompo noho ny fahafahana manantena famonjena sy fisandratana. Ekentsika amin’ny hosana sy haleloia fa Ilay Jesoa Kristy Velona no ivon’ny Paska sy ny famerenana amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao.

Ny Famerenana amin’ny laoniny amin’izao andro farany izao dia miantomboka amin’ny fisehoan’ Andriamanitra amin’olona iray, dia ny fisehoan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany ara-bakiteny tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Hoy ny Mpaminany Joseph: “Raha afaka mibanjina ny lanitra mandritra ny dimy minitra ianao dia hahafantatra mihoatra noho izay ho fantatrao raha mamaky izay rehetra efa voasoratra momba izany lohahevitra izany.”16 Noho ny fisokafan’ny lanitra indray, dia mahafantatra sy “mino an’ Andriamanitra, ilay Ray Mandrakizay [isika]…, ary mino an’ i Jesoa Kristy Zanany sy ny Fanahy Masina”17 dia Ny Andriamanitra masina.

Tamin’ny Alahadin’ny Paska faha 3 aprily 1836, tany amin’ny fiandohan’ny Famerenana amin’ny laoniny, dia niseho i Jesoa Kristy velona taorian’ny fitokanana ny Tempolin’i Kirtland. Ireo izay nahita Azy tao dia nijoro ho vavolombelona momba Azy tamin’ny fampifandraisana zavatra roa mifanohitra dia ny afo sy ny rano nanao hoe: “Ny masony dia tahaka ny lelafo; ny volon-dohany dia fotsy tahaka ny orampanala tsy misy fangarony; ny tarehiny dia manjelanjelatra mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny rano be, dia ny feon’i Jehovah.”18

Tamin’io fotoana io dia nanambara ny Mpamonjintsika hoe: “Izaho no voalohany sy farany; Izaho no Ilay velona; Izaho no Ilay efa novonoina; Izaho no mpisolovava anareo ao amin’ny Ray.”19 Mbola fampifandraisana zavatra roa mifanohitra ihany: voalohany sy farany, velona sy novonoina. Izy no Alfa sy Omega, fiandohana sy fiafarana,20 tompon’ny finoantsika sy mpanefa azy.21

Taorian’ny nisehoan’i Jesoa Kristy dia tonga ihany koa i Mosesy sy Elià ary Elia. Naverin’ireo mpaminany lehibe fahiny ireo tamin’ny alalan’ny fitarihan’ Andriamanitra ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana. Noho izany “ny fanalahidin’ity fotoampitantanana ity [dia atolotra]”22 ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny mba hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.

Ny fiavian’i Elia tao amin’ny Tempolin’i Kirtland dia nanatanteraka ihany koa ny faminanian’i Malakia ao amin’ny Testamenta Taloha hoe hiverina i Elia “dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra.”23 Io fisehoan’i Elia io dia nifanojo, na dia tsy fifandrifian-javatra aza, tamin’ny vanim-potoan’ny Paskan’ny Jiosy fahiny izay fomba fanao miandrandra amim-panajana ny fiverenan’i Elia.

Fianakaviana Jiosy votom-pinoana maro no manisa toerana ho an’i Elia eo amin’ny latabatry ny Paska. Maro no mameno kaopy mitafotafo hanasana sy handraisana azy. Ary ny sasany, mandritra ny Sakafon’ny Paska izay fanaon-drazana, dia maniraka zaza eny am-baravarana, izay navela hisokatra kely indraindray, hahitana sao miandry ao ivelany ho ampandrosoana i Elia.24

Ho fanatanterahana faminaniana sy ho ampahan’ilay famerenana ny zavatra rehetra izay nampanantenaina,25 dia tonga araka ny nampanantenaina tokoa i Elia, tamin’ny Paska sy ny fiantombohan’ny Paska jiosy fahiny. Izy no nitondra ny fahefan’ny famehezana mba hampifamatorana ny fianakaviana eto an-tany sy any an-danitra. Araka ny nampianarin’i Môrônia an’ny Mpaminany Joseph dia i Elia no “hamboly ao am-pon’ny zanaka ny fampanantenana natao tamin-drainy ary ny fon’ny zanaka dia hitodika amin-drainy. Fa raha tsy izany,” hoy i Môrônia nanohy, “dia horavana tanteraka ny tany manontolo amin’ny fiavia[n’ny Tompo].”26 Ny fanahin’i Elia, izay fiasan’ny Fanahy Masina, dia misarika antsika hifanakaiky am-po amin’ireo tarana-pianakaviantsika, taloha sy ankehitriny ary ho avy, ao amin’ny tetiarantsika, sy ny tantarantsika, ary ny asa fanompoana ataontsika any amin’ny tempoly.

Andeha hotsiahivintsika fohy koa ny dikan’ny Paska fahiny. Ny Paska fahiny dia fahatsiarovana ny fanafahana ny zanak’Isiraely tamin’ny fanandevozana naharitra 400 taona. Ny bokin’ny Eksodosy dia mitantara ny nahatongavan’io fanafahana io taorian’ireo lozan’ny sahona, ny moka, ny lalitra, ny fahafatesan’ny biby fiompy, ny vay, ny havandra sy afo, ny valala, ary ny aizim-pito. Ny loza farany dia fandrahonana ny hahafatesan’ireo voalohan-teraka teo amin’ilay tany, afa-tsy ny ao amin’ny tokantranon’ny Isiraely, raha toa ireo tokantrano ireo ka nanosotra ny ran’ny zanak’ondry iray voalohan-teraka sy tsy nisy kilema teo amin’ny tataom-baravaran’izy ireo.27

Nandalo fotsiny teo amin’ireo trano voaisy marika tamin’ilay ran’ny zanak’ondry mifono tandindona ny anjelin’ny fahafatesana.28 Izany fandalovana izany, na fandalovana fotsiny, dia maneho an’i Jesoa Kristy izay nandresy ny fahafatesana tamin’ny farany. Marina tokoa fa ny ra manavotry ny Zanakondrin’ Andriamanitra dia manome hery an’ilay Mpiandry Tsarantsika hanangonana ny olony any amin’ny toerana sy toe-javatra misy rehetra ho ao amin’ny fiarovan’ny valany, amin’ireo lafiny roa amin’ny voaly.

Manan-danja fa ny Bokin’i Môrmôna dia mamaritra ny “hery sy ny fitsanganan’ i Kristy amin’ ny maty”29, izay antony fototra isian’ny Paska, amin’ny hoe famerenana amin’ny laoniny miisa roa.

Voalohany, ny fitsanganana amin’ny maty dia ahitana ny famerenana amin’ny laoniny ara-batana ny “endri[tsika] tsirairay avy sy tomombana”; ny ratsam-batana tsirairay sy ny vaniny,” “na dia singam-bolo iray amin’ny loha aza dia tsy ho very.”30 Io fampanantenana io dia manome fanantenana an’ireo izay tsy manana ratsam-batana, ireo izay tsy mahita intsony, na tsy afa-mandeha, na ireo izay mahatsiaro ho very noho ny aretina mikiky, na ny aretin-tsaina, na aretina hafa manahirana eo amin’ny fiainana. Mitady antsika Izy. Manasitrana antsika Izy.

Fampanantenana faharoa entin’ny Paska sy ny Sorompanavotan’ny Tompo ny hoe, eo amin’ny ara-panahy, “ny zava-drehetra dia haverina amin’ ny laminy tsirairay avy.”31 Io famerenana amin’ny laoniny ara-panahy io, dia ahitana taratra ny asa vitantsika sy ny faniriantsika. Toy ny zavatra atao izao izany ka hitondra vokatsoa any aoriana,32 mamerina amin’ny laoniny “izay tsara” sy “rariny” sy “hitsiny” ary “feno famindram-po.”33 Tsy mahagaga i Almà mpaminany raha nampiasa ny teny hoe averina in-2534 rehefa nanentana antsika “[hanao] araka ny hitsiny, [hitsara] araka ny rariny ary [hanao] ny tsara lalandava.”35

Koa satria “Izy Andriamanitra tenany no manonitra ho an’ ny fahotan’ izao tontolo izao,”36 dia tsy hoe afaka mamerina amin’ny laoniny ny zavatra efa nisy fotsiny ny Sorompanavotan’ny Tompo, fa mamerina izay mbola tokony hisy ihany koa. Noho Izy mahafantatra ny manaintaina antsika, ny fahoriana sy ny “fakam-panahy isan-karazany”37 mahazo antsika, dia afaka mamindra fo Izy mamonjy antsika, arakaraka ny rofintsika.38 Koa satria Andriamanitra dia “Andriamanitra marina, fanaperana, ary … Andriamanitra feno famindram-po koa,” dia afaka “[m]anefa ny fitakian’ny fahamarinana” ny drafitry ny famindram-po.39 Mibebaka isika ary manao izay rehetra azontsika atao. Izy kosa mamihana antsika mandrakizay “amin’ireo sandrim-pitiavany.”40

Mankalaza famerenana amin’ny laoniny sy fitsanganana amin’ny maty isika anio. Miaraka aminareo aho mifaly amin’ilay Famerenana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny izay mitohy hatrany. Tahaka ny niantombohan’izany 200 taona lasa izay amin’izao lohataona izao, dia mbola tonga hatrany ny fahazavana sy ny fanambarana amin’ny alalan’ny mpaminany velon’ny Tompo sy ny Fiangonany izay antsoina amin’ny Anarany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary amin’ny alalan’ny fanambarana sy fitaomam-panahy ho an’ny tena manokana avy amin’ilay fanomezana mahatalanjon’ny Fanahy Masina.

Miaraka aminareo aho, amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao, mijoro ho vavolombelona ny amin’ Andriamanitra, Raintsika Mandrakizay, sy ny Zanany Malalany, dia ilay Jesoa Kristy velona. Nisy olombelona mety maty maro nohomboana tamin’ny fomba feno habibiana ary natsangana tamin’ny maty taty aoriana. Fa i Jesoa Kristy velona ihany no mbola mitondra ireo mariky ny fanomboana Azy eo amin’ireo tanany sy tongony ary ny lanivoany amin’ny endriny nitsangana tamin’ny maty izay tonga lafatra. Izy ihany no afaka miteny hoe: “Indro efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao.”41 Izy ihany no afaka miteny hoe: “Izaho Ilay nasandratra. Izaho no Jesoa izay nohomboana. Izaho no Zanak’ Andriamanitra.”42

Tahaka an’i Ivy kely sy ny lokangany, dia mbola vao manomboka daholo amin’ny lafiny maro isika. Marina tokoa fa “tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona, no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy.”43 Amin’izao vaninandro izao, dia afaka mianatra betsaka momba ny hatsaran’ Andriamanitra isika sy ny fahafahantsika mitombo fitiavana hatrany ho an’ny hafa tahaka ny ataon’ Andriamanitra, rehefa mikatsaka Azy isika sy mifanolo-tanana. Amin’ny fomba vaovao sy amin’ny toerana vaovao, dia afaka manao zava-tsoa isika ary ho tonga olona tsara kokoa, andalana anampy andalana, halemem-panahy anampy halemem-panahy, na tsirairay na miaraka.

Ry rahalahy sy anabavy malala na aiza na aiza, rehefa miara-mivory sy miara-mianatra isika dia fenoin’ny finoanareo sy ny hatsaram-panahinareo fahatsapana fientanentanana noho ny filazantsara sy fankasitrahana aho. Ny fijoroanareo ho vavolombelona sy ny fiainanareo ny filazantsara dia mampitombo ny fijoroako ho vavolombelona sy ny fiainako ny filazantsara. Ny ahiahinareo sy ny fifalianareo, ny fitiavanareo ireo Olomasina namanareo sy ny mpianakavin’ Andriamanitra ao amin’ny finoana, ary ny fahatakarana azonareo teo amin’ny fiainana momba ny fahamarinana sy ny fahazavana naverina tamin’ny laoniny dia mampitombo ny fahatakarako ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izay i Jesoa Kristy velona no ivony. Miara mahatoky isika, “Na inona re miseho, Tompo ô, mitoera eto.”44 Miray hina isika mahafantatra, fa na dia eo anivon’ireo enta-mavesatra sy zava-manahirana, dia afaka manisa ireo fitahiana maro raisintsika isika.45 Ao amin’ireo antsipirihan-javatra andavanandro sy ny zava-madinika sy tsotra no ahafahantsika mahita zavatra lehibe tanteraka eo amin’ny fiainantsika.46

“Ary izao no hitranga fa ny olo-marina dia hangonina avy any anivon’ny firenen-drehetra ary ho tonga ao Ziona, mihira ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay.”47 Amin’izao vanim-potoan’ny hosana sy haleloia izao, dia mihirà hoe Haleloia, satria hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy! Mihirà hoe hosana ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry! Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.