2020
Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra
Mey 2020


Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra

Ny fomba mahomby indrindra hanatrarantsika ny fahafahantsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra dia ny miara-miasa, omban’ny hery sy fahefan’ny fisoronana.

Ry rahavavy sy anadahy malala, tena maharavoravo ny miaraka aminareo. Na aiza na aiza ianareo no mihaino, dia maninjitra ny tanako aho hamihina ireo rahavaviko sy mandray tanana amim-pitiavana ireo anadahiko. Miray hina ao amin’ny asan’ny Tompo isika.

Rehefa mieritreritra an’i Adama sy i Eva isika dia matetika ny fiainan’izy ireo tsy manam-paharoa tao amin’ny Sahan’i Edena no eritreretintsika voalohany. Eritreretiko hoe tonga lafatra ny toetr’andro, sady tsy mafana loatra no tsy mangatsiaka loatra, ary ireo voankazo sy legioma betsaka sy matsiro dia mora nalaina ka afaka nihinana isaky ny te-hihinana izy ireo. Satria tontolo vaovao ho azy ireo izany dia betsaka no azo nozahaina, koa nampitolagaga ny isan’andro rehefa nifandray tamin’ny fiainan’ny biby izy ireo ary nizaha ny tontolo mahafinaritra nanodidina azy ireo. Nomena azy ireo ihany koa ny didy hankatò ary nanana fomba samihafa nandraisana ireo toromarika izy ireo, izay nahatonga fanahiana sy fifanjevoana sasany tamin’ny voalohany. 1 Kanefa rehefa nandray fanapahan-kevitra izay nanova mandrakizay ny fiainany izy ireo dia nianatra niara-niasa sy lasa niray hina teo amin’ny fanatontosana ireo tanjon’ Andriamanitra ho azy ireo, sy ho an’ny zanany rehetra.

Izao dia alaivo sary an-tsaina hoe eto amin’ny fiainana an-tany ireo mpivady ireo ihany. Nila niasa izy ireo hahazoany sakafo, ny biby sasany nihevitra azy ireo ho sakafo, ary nisy ireo fanamby sarotra izay tsy azo noresena raha tsy rehefa niara-nifanolo-tsaina sy nivavaka niaraka izy ireo. Eritreretiko hoe farafahakeliny dia nisy fotoana vitsy nananan’izy ireo hevitra tsy nitovy ny amin’ny fomba niatrehana ireny fanamby ireny. Nianatra anefa izy ireo tamin’ny alalan’ny Fahalavoana fa manan-danja ny manao asa amin’ny firaisan-kina sy fitiavana. Tao amin’ny fampianarana sy fampiofanana noraisin’izy ireo avy tamin’ Andriamanitra dia nampianarina ny drafitry ny famonjena sy ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo mba hampahomby ilay drafitra. Satria takatr’izy ireo fa ny tanjony eto an-tany sy ny tanjony mandrakizay dia mitovy, dia nahita fahafaham-po sy fahombiazana izy ireo tamin’ny fianarana miasa miaraka amim-pitiavana sy amim-pahamarinana.

Sary
i Adama sy i Eva mampianatra ireo zanany

Rehefa niteraka izy ireo dia nampianarin’i Adama sy i Eva ny fianakavian’izy ireo izay nianaranany avy tamin’ireo iraka avy tany an-danitra. Nifantohan’izy ireo ny fanampiana ny zanak’izy ireo hahatakatra sy hankamamy ireo fitsipika izay hahafaly azy ireo eto amin’ity fiainana ity, sy ho vonona koa ny hiverina any amin’ireo ray aman-dreny any an-danitra rehefa avy nampitombo ny fahafahany manao zavatra sy nampiseho ny fankatoavany an’ Andriamanitra. Nandritra izany dia nianatra nankasitraka ireo tanjaka samy hafa nanan’izy ireo i Adama sy i Eva ary nifanohana teo amin’ny asa nanan-danja mandrakizay nataon’izy ireo. 2

Rehefa tonga sy nandalo ny taonjato sy arivotaona maro dia nanjary rakotra fahadisoam-pahalalana sy tsy fifankahazoana ny fahazavan’ny fandraisana anjara nentanim-panahy sy nifampiankina teo amin’ny lehilahy sy vehivavy. Nandritra ny fotoana teo anelanelan’izany fiantombohana mahagaga tao amin’ny Sahan’i Edena izany sy ankehitriny dia somary nahomby ihany ny fahavalo tamin’ny fampisaraham-bazana ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny ezaka ataony hambaboana ny fanahintsika. Fantatr’i Losifera fa raha toa ka afaka manimba ny firaisan-kina tsapan’ny lehilahy sy ny vehivavy izy, raha afaka mampisavorovora antsika momba ny lanjantsika eo amin’ Andriamanitra sy ireo andraikitsika araka ny fanekempihavana izy, dia hahomby izy amin’ny fandravana fianakaviana, izay rantsana manan-danja amin’ny mandrakizay.

Mandrisika fifampitahana i Satana ho fitaovana hamoronana fahatsapana ho ambony na ambany, manafina ilay fahamarinana mandrakizay fa ireo tsy fitoviana voajanahary eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia avy amin’ Andriamanitra ary manana lanja mitovy. Niezaka izy hanetry ny fandraisana anjaran’ny vehivavy na eo amin’ny fianakaviana na ao amin’ny fiarahamonina, ka dia mampihena ny fitaomana mankaherin’izy ireo hanao ny tsara. Ny tanjony dia ny hampitsiry ady mahery vaika fa tsy fankalazana ny fandraisana anjara miavaka ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy izay mifameno sy mampisy firaisan-kina.

Koa, nandritra ny taona maro sy manerana izao tontolo izao, dia nanjavona tokoa ny fahatakarana feno ny maha-mifampiankina araka an’ Andriamanitra kanefa samy hafa ireo anjara biriky sy andraikitry ny vehivavy sy ny lehilahy. Ireo vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina maro dia lasa mpanompon-dehilahy fa tsy namana miara-dia, lasa voafetra amina zavatra vitsy ny fahafahan’izy ireo manao zavatra. Mihisatra ny fitomboan’izy ireo ara-panahy mandritra ireo fotoam-pahamaizinana ireo, eny, zara raha misy hazavana ara-panahy kely tafiditra ao an-tsainy sy ao am-pony izay tototry ny fombafomba mampanjaka ny fifehezana.

Dia avy eo namirapiratra “nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro” 3 ny fahazavan’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny rehefa niseho tamin-jazalahy nantsoina hoe Joseph Smith ny Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy tany amin’ny fiandohan’ny lohataonan’ny 1820 tao amin’ilay tany rakotr’ala masin’ny tanànan’i New York. Izany tranga izany no niantombohan’ny fanambarana betsaka avy any an-danitra. Anisan’ireo singa voalohan’ny Fiangonan’i Kristy tany am-boalohany izay tsy maintsy naverina tamin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra. Rehefa nitohy nandroso ny Famerenana amin’ny laoniny dia nanomboka fantatry ny lehilahy sy ny vehivavy indray ny lanja sy ny herin’ny fiaraha-miasan’izy ireo, izay nahazo lalana sy fitarihina ao amin’ity asa masina ity.

Sary
Ny rafitry ny Fikambanana Ifanampiana

Tamin’ny 1842, rehefa naniry hanangana vondrona ôfisialy mba hanampiana amin’ny asa ireo vehivavy tao amin’ilay Fiangonana tsy dia nanan-traikefa, dia nahatsapa ny Filoha Joseph Smith fa tokony handamina azy ireo “teo ambanin’ny fisoronana araka ny lamin’ny fisoronana.” 4 Hoy izy: “Izao aho dia manolotra fanalahidy aminareo amin’ny anaran’ Andriamanitra…—izao no fiantombohan’ny andro tsara kokoa.” 5 Ary hatramin’ny nanolorana ilay fanalahidy dia nanomboka nihitatra nanerana izao tontolo izao ireo fahafahana ara-pianarana, sy ara-pôlitika, ary ara-toe-karena ho an’ny vehivavy. 6

Ity fikambanana vaovao ho an’ny vehivavy tao amin’ny Fiangonana ity, izay nomena anarana hoe Fikambanana Ifanampiana, dia tsy nitovy tamin’ireo fiarahamonim-behivavy tamin’izany andro izany satria naorin’ny mpaminany iray izay niasa niaraka tamin’ny fahefan’ny fisoronana mba hanomezana fahefana, sy andraikitra masina, ary toerana ôfisialy ho an’ny vehivavy ao anatin’ny rafitry ny Fiangonana, fa tsy ivelan’izany. 7

Hatramin’ny andron’ny Mpaminany Joseph Smith ka hatramin’izao androntsika izao, ny famerenana amin’ny laoniny ny zavatra rehetra izay mbola mitohy dia nitondra fahazavana momba ny filàna ny fahefana sy herin’ny fisoronana eo amin’ny fanampiana na ny lehilahy na ny vehivavy mba hanatontosa ny andraikitra nampiandraiketin’ Andriamanitra azy ireo. Vao haingana isika no nianatra fa ny vehivavy izay natokana teo ambany fitarihan’ny olona iray mpihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana dia miasa miaraka amin’ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny antson’izy ireo. 8

Tamin’ny ôktôbra 2019, ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fa ireo vehivavy nanao fanafiana masina tany amin’ny tempoly dia manana ny herin’ny fisoronana eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ao an-tokantranon’izy ireo rehefa mitandrina ireo fanekempihavanana masina nataony tamin’ Andriamanitra izy ireo. 9 Nanazava izy fa: “misokatra ny lanitra ho an’ireo vehivavy izay efa notafiana ny herin’ Andriamanitra mitobaka avy amin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo, tsy misy hafa amin’ny hisokafan’izany ho an’ireo lehilahy mpihazona fisoronana.” Ary namporisika ny rahavavy tsirairay izy mba “hanovo amin-kalalahana ny herin’ny Mpamonjy ianareo hanampiana ny fianakavianareo sy ireo hafa izay tianareo.” 10

Koa midika inona ho ahy sy ho anareo izany? Manova ny fiainantsika amin’ny fomba ahoana ny fahatakarana ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana? Anisan’ireo zavatra manan-danja ny mahatakatra fa rehefa miara-miasa ny vehivavy sy ny lehilahy dia mahatontosa zavatra goavana noho izay ataontsika misaraka isika. 11 Ireo anjara asantsika dia mifameno fa tsy mifaninana. Na dia tsy voatendry amina anjara fanompoan’ny fisoronana aza ny vehivavy, araka ny voalaza teo aloha, dia mahazo ny herin’ny fisoronana rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataony, ary miasa omban’ny fahefan’ny fisoronana rehefa atokana amin’ny antso iray.

Tamin’ny andro iray an’ny volana aogositra, dia voninahitra ho ahy ny niara-nitafa tamin’ny Filoha Russell M. Nelson tao amin’ny tranon’i Joseph sy i Emma Smith tao Harmony, Pennsylvanie, izay nohavaozina, teo akaikin’ny toerana namerenana tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna amin’izao andro farany izao. Tao amin’ny resaka nataonay dia niresaka momba ny anjara asa manan-danjan’ny vehivavy eo amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filoha Nelson.

Filoha Nelson: “Anisan’ireo toetra manan-danja indrindra izay tsaroako rehefa tonga eto amin’ity toerana namerenana tamin’ny laoniny ny fisoronana ity ny anjara asa manan-danjan’ireo vehivavy ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

“Tamin’ny vao nanomboka nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph, dia iza no niandraikitra ny fanoratana? Eny, nanao kely izy, fa tsy betsaka. I Emma no niditra an-tsehatra.

“Dia avy eo aho mieritreritra ny fomba nandehanan’i Joseph tao an’ala mba hivavaka teo akaikin’ny tranon’izy ireo tao Palmyra, New York. Taiza izy no nandeha? Nandeha tao amin’ilay Ala Masina izy. Nahoana izy no nankao? Satria tao no nandehanan’ny reniny rehefa te hivavaka.

“Anankiroa fotsiny amin’ireo vehivavy izay nanana anjara asa fototra tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana sy ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana ireo. Azontsika lazaina tsy amin’ahiahy fa ireo vehivavy vadintsika dia manan-danja toy ny tamin’izany andro izany. Mazava ho azy fa manan-danja izy ireo.”

Toa an’i Emma sy i Lucy ary i Joseph, dia mahomby tokoa isika rehefa manaiky hifampianatra sy miray hina amin’ireo tanjontsika ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy ary hanampy ny hafa manerana izany lalana izany.

Ampianarina isika fa ny “fisoronana dia mitahy ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny fomba tsy tambo isaina. … Ao anatin’ireo antso[m-piangonana], ireo ôrdônansin’ny tempoly, sy ireo fifandraisan’ny mpianakavy, ary ny asa fanompoana atao mangingina sy ataon’ny tena manokana, dia miara-mandroso ireo vehivavy sy lehilahy Olomasin’ny Andro Farany miaraka amin’ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana. Tena zava-dehibe ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy io fifampiankinan’ny lehilahy sy ny vehivavy io ao anatin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny heriny.” 12

Ny firaisan-kina dia manan-danja amin’ny asan’ Andriamanitra, izay voninahitra ho antsika ny manao izany ary antsoina hanao izany isika, kanefa tsy mitranga ho azy izany. Mitaky ezaka sy fotoana izany miara-mifanolo-kevitra marina izany. Izany hoe, mifampihaino, mahatakatra ny fomba fijerin’ny hafa, ary mizara traikefa kanefa miteraka fanapahan-kevitra entanim-panahy kokoa ilay dingana. Na any an-tokantrano na ao amin’ireo andraikitsika ao amin’ny Fiangonana, ny fomba mahomby indrindra hanatrarantsika ny fahafahantsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra dia ny miara-miasa, omban’ny hery sy ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ireo anjara asantsika samy hafa kanefa mifameno.

Toy ny ahoana ny endriky ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiainan’ireo vehivavy manao fanekempihavanana ankehitriny? Mamelà ahy hizara ohatra iray.

Sary
Mpivady mitaingina bisikileta ho an’olon-droa

Niavaka ny fiaraha-miasan’i Alison sy i John. Niara-namoy bisikileta ho an’olon-droa izy ireo tamina fifaninanana halavirana fohy sy lava. Mba hifaninanana amim-pahombiazana eo amin’izany bisikileta izany dia tsy maintsy mitovy fivoy ireo olon-droa mpitaingina. Mila miara-mitongilana any amin’ny fizorana iray amin’ny fotoana iray izy ireo. Tsy afaka mifehy ny anankiray ny iray hafa, kanefa tsy maintsy mifampiteny tsara ka samy manao ny anjarany avy. Ilay kapiteny, eo aloha, dia manana fahefana amin’ny fotoana hijanonana sy hamoizana. Ilay mpitaingina ato aoriana dia mila mijery tsara izay mitranga ary vonona ny hanome hery fanampiny raha toa ka tavela any aoriana izy ireo na manamora ny hafainganam-pandeha raha toa ka manakaiky loatra ireo mpitaingina bisikileta hafa izy ireo. Tsy maintsy mifanohana izy ireo mba handrosoana sy hanatontosana ny tanjon’izy ireo.

Nanazava i Alison hoe: “Mandritra ny fotoana elaela, ilay olona eo amin’ny toeran’ny kapiteny dia milaza hoa -voizo- rehefa mila mamoy izahay, ary -mijanona- rehefa mila mijanona tsy mamoy izahay. Rehefa afaka elaela, ilay olona izay ao aoriana dia lasa mahay milaza ny fotoana hitenenan’ilay kapiteny hoe voizo na mijanona, ka tsy mila miteny akory izy. Nianatra nampifanandrify ny zavatra ataon’ny tsirairay izahay ka afaka nahafantatra rehefa sahirana ny anankiray ary [avy eo] dia niezaka nanao izay tsy vitan’ilay anankiray ilay iray hafa. Tena momba ny fifampitokisana sy fiaraha-miasa izany.” 13

Niray hina i John sy i Alison, tsy rehefa nivoy ny bisikiletan’izy ireo ihany, fa niray hina koa izy ireo tao amin’ny fanambadian’izy ireo. Samy naniry ny fahasambaran’ilay iray hafa ny tsirairay mihoatra noho ny an’ny tenany. Samy nitady ny tsara tao amin’ny anankiray ny tsirairay ary niasa mba handresena ilay tenany tsy dia lehibe toy ny ahoana. Nifandimby nitarika izy ireo ary nifandimby nanolotra bebe kokoa rehefa sahirana ny mpiara-miasa iray. Samy nanome lanja ireo anjara biriky nentin’ilay anankiray ny tsirairay ka nahita fomba tsara kokoa hiatrehana ny talenta sy ny loharano nananan’izy ireo. Tena nifamatotra izy ireo tamin’ny alalan’ny fitiavana araka an’i Kristy.

Ny fahatongavana ho iray kokoa amin’ny lamin’ Andriamanitra amin’ny fiaraha-miasa ao anatin’ny firaisan-kina dia manan-danja tokoa amin’izao andro izao izay isian’ireo hafatra hoe “izaho aloha” manodidina antsika. Manana fanomezam-pahasoavana miavaka sy avy amin’Andriamanitra ny vehivavy 14 ary omena andraikitra miavaka, kanefa ireo dia tsy mihoa-danja, na koa latsa-danja amin’ireo fanomezam-pahasoavana sy andraikitr’ireo lehilahy. Ny olona rehetra dia natao sy nilaina hahatanteraka ny drafitra masin’ny Ray any An-danitra mba hanome ny zanany tsirairay ny fahafahana tsara indrindra azony atao hanatrarany ny fahafahany ho lasa tahaka an’ Andriamanitra.

Ankehitriny dia “mila vehivavy izay manana ny risim-po sy ny fahitana nanan’i Eva renintsika isika” 15 mba hiray hina amin’ireo anadahiny amin’ny fitondrana fanahy hankamin’i Kristy. 16 Ny lehilahy dia mila lasa tena mpiara-miasa fa tsy mihevitra fotsiny hoe izy ireo no tompon’andraikitra tanteraka na manao “mody hoe” mpiara-miasa fotsiny kanefa ny vehivavy no mibaby asa betsaka indrindra. Ny vehivavy dia mila vonona ny “[handray] ny toerana izay anana[ny] zo sady ilai[ny]” 17 amin’ny maha-mpiara-miasa fa tsy mihevitra fa izy ireo no mila manao ny zava-drehetra samirery na hiandry holazaina izay tokony hatao. 18

Ny fandraisaina ny vehivavy ho mpandray anjara manan-danja dia tsy famoronana “fitoviana” fa momba ny fahatakarana fahamarinana ara-potopampianarana. Eo amin’ny toeran’ny fanamboarana fandaharan’asa hivoizana izany dia azontsika atao kosa ny miasa amim-pahazotoana mba hanomezan-danja ny vehivavy toy ny efa ataon’ Andriamanitra: mpiara-miasa manan-danja ao amin’ny asa famonjena sy fisandratana.

Vonona ve isika? Moa ve isika hiezaka handresy ireo fironana ara-kolontsaina ka hankamamy ireo lamina sy fomba araka an’ Andriamanitra kosa araka ny fotopampianarana fototra? Manasa antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba “[h]iara-[h]andray anjara ato amin’ity asa masina ity … hanampy hanomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany.” 19 Rehefa manao izany isika dia hianatra hanome lanja ny anjara biriky entin’ny tsirairay sy hampitombo ny fahombiazana izay hanatontosantsika ireo anjara asantsika masina. Hahatsapa fifaliana lehibe kokoa noho izay efa niainantsika hatrizay isika.

Enga anie isika tsirairay hisafidy ny hiray hina amin’ny fomban’ny Tompo nentanim-panahy mba hanampy hampandroso ny asany. Amin’ny anaran’ny Mpamonjy mamintsika, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Genesisy 3:1–18; Mosesy 4:1–19.

  2. Jereo ny Mosesy 5:1–12. Ireo andininy ireo dia mampianatra ny fiaraha-miasa marin’i Adama sy i Eva: nifampiteraka izy ireo (andininy 2); niara-niasa izy ireo tamin’ny famelomana ny tenany sy ny fianakaviany (andininy 1); niara-nivavaka izy ireo (andininy 4); niara-nankatò ny didin’ Andriamanitra sy nanolotra fanatitra izy ireo (andininy 5); niara-nianatra (andininy 4, 6–11) sy niara-nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny zanany izy ireo (andininy 12).

  3. Joseph Smith—Tantara 1:16.

  4. Jereo ny Sarah M. Kimball, “Auto-Biography,” Woman’s Exponent, Sept. 1, 1883, 51; jereo ihany koa ny Enseignement des présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 451.

  5. Joseph Smith, ao amin’ny “Nauvoo Relief Society Minute Book,” 40, josephsmithpapers.org.

  6. Jereo ny George Albert Smith, “Address to the Members of the Relief Society,” Relief Society Magazine, Dec. 1945, 717.

  7. Jereo ny John Taylor, ao amin’ny Nauvoo Relief Society Minutes, Mar. 17, 1842, hita ao amin’ny churchhistorianspress.org. Araka an’i Eliza R. Snow, i Joseph Smith dia nampianatra ihany koa fa ireo vehivavy dia nalamina ara-dalàna tao amin’ireo fotoampitantanana teo aloha (jereo ny Eliza R. Snow, “Female Relief Society,” Deseret News, Apr. 22, 1868, 1; Filles dans mon royaume: L’histoire et l’oeuvre de la société de secours [2011], 1–7).

  8. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Ny fanalahidy sy ny fahefan’ny fisoronana,” Liahona, mey 2014, 49–52.

  9. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 76–79.

  10. Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” 77.

  11. “Kanefa ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra ny hevitra mandrakizay fa ny mpivady dia mifampiankina . Mitovy izy ireo. Mpiara-miasa izy ireo” (Bruce R. Hafen and Marie K. Hafen, “Crossing Thresholds and Becoming Equal Partners,” Ensign, Aug. 2007, 26).

  12. Sujets de l’Évangile, “Enseignements de Joseph Smith au sujet de la prêtrise, du temple et des femmes,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

  13. Fifandraisana an-tsoratra manokana.

  14. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” Liahona nôv. 2015, 95–97.

  15. Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” 97.

  16. Jereo ny General Handbook: Serving in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 1.4, ChurchofJesusChrist.org.

  17. Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” 97.

  18. “Ranabavy malala isany, na inona na inona antsonareo, na inona na inona toe-java-misy eo aminareo, mila ny fahatsapanareo sy ny hevi-baovao avy aminareo ary ny fitaomam-panahy anananareo izahay. Mila anareo mba hiteny amim-pahasahiana mandritra ireo filankevitry ny paroasy sy tsatòka izahay. Mila ny rahavavy manambady tsirairay izahay mba hiteny amin’ny maha- - mpiara-miasa mitondra anjara biriky sy feno - anareo rehefa miray hina amin’ny vadinareo ianareo amin’ny fitantanana ny fianakavianareo. Ianareo rahavavy, na manambady na tokan-tena, dia manana fahafahana manao zavatra miavaka sy fahatsapana manokana izay noraisinareo toy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra. Tsy afaka manana fitaomana tahaka ny anareo izahay. …

    “ …Mila ny tanjakareo izahay!” (Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” 97).

  19. Russell M. Nelson, “Fiangaviana ho an’ireo anabaviko,” 97.