2020
Loholona Jeremy R. Jaggi
Mey 2020


Loholona Jeremy R. Jaggi

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Fony zatovo ny Loholona Jeremy R. Jaggi, dia nisy otrikaretina tafiditra tany amin’ny atidohan’i Kristen anabaviny izay fito taona. Nilaza ny dokotena fa tsy ho tafavoaka velona amin’izany izy.

Nandohalika teo akaikin’ny fandriany tao amin’ny tranon’ny fianakaviana tao Salt Lake City, Utah, Etazonia i Jeremy tovolahy ary nitalaho tamin’ny Tompo mba hahafantatra ny antony hahafaty azy mbola kely taona loatra. Nandray tsodranon’ny fisoronana anefa ny anabaviny ary velona.

Nanosika an’i Jeremy izay 17 taona izany mba “hanitsy ny fitondran-tenany ho araka ny sitrapon’ Andriamanitra,” ary nitarika azy hamaky vao voalohany amim-pahamatorana ny Bokin’i Môrmôna. Taty aoriana dia lasa misiônera nanompo tamin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Cleveland Ohio izy.

Taona maro taty aoriana dia niverina nandohalika nivavaka mafy indray i Jeremy rehefa nihetsi-jaza nialoha ny fotoana tokony hiterahana an’ilay zanak’izy ireo fahatelo i Amy vadiny. “Nahatsapa fiadanana lalina aho tamin’izay fotoana izay, fiadanana izay ny hany azo hamaritana azy dia sandrim-pitiavan’ny Ray any An-danitra izay mamihina ahy miaraka amin’ilay hafanana avy amin’ny Fanahy Masina,” hoy izy.

Nitrotro azy nandritra ilay fotoana fohy nahaveloman’ilay zaza izany fiadanana izany sy ireo volana feno alahelo taorian’izany izay nisehoan’ny fahafahan-jaza iray hafa. “Samy mandalo fitsapana isika rehetra,” hoy izy, “saingy mbola -[ataontsika] ho fifaliana avokoa izany- [Jakoba 1:2] noho ny fanomezan’ny Mpamonjy fomba antsika mba hananana fiadanana sy fifaliana.”

Naterak’i Robert Stanley Jaggi sy i Judy Anne Roos tao Salt Lake City, Utah, Etazonia, tamin’ny 23 martsa 1973 i Jeremy Robert Jaggi. Nanambady an’i Amy Anne Stewart tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ny 12 jona 1995. Manan-janaka dimy izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana licence en sciences des affaires et du comportement avy tao amin’ny University of Utah ny Loholona Jaggi ary mari-pahaizana maîtrise en gestion d’entreprise avy tao amin’ny Ohio University. Nitantana ny lafin’ny varotra teo amin’ny faritra ho an’ny Alkermes izy ary nitantana ny fandraharahana ara-barotra mikasika ny fananan-trano sy tany tao amin’ny HCA Investments tamin’ny fotoana niantsoana azy.

Ny Loholona Jaggi dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny Misiônan’i Ogden Utah, mpitantsoratra mpanatanteraka mpanampy teo anivon’ny tsatòka, eveka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpampianatra seminera, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy, mpampianatra ny fiomanana ho misiônera teo anivon’ny tsatòka ary tompon’andraikitra misahana ny asa fitoriana teo anivon’ny paroasy.