2020
Ireo fotoana tsy hay hadinoina nandritra ny fihaonambe
Mey 2020


Ireo fotoana tsy hay hadinoina nandritra ny fihaonambe

Araka ny nampanantenain’ny Filoha Russell M. Nelson, dia tsy hay hadinoina amin’ny endriny maro ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity.1 Ireto misy fotoana vitsivitsy tsy hay hadinoina nandritra ny fihaonambe.

Marika famantarana vaovao

Nanambara marika famantarana vaovao ny Fiangonana ny Filoha Nelson (jereo ao amin’ny pejy 73). Io marika famantarana io dia ahitana ny anaran’ny Fiangonana voahodidina ao anaty mahitsizoro izay maneho vato fehizoro. Eo ambonin’izany dia misy sarivongana iray antsoina hoe Christus izay ao ambanin’ny andohalambo iray, mampahatsiahy antsika ny Mpamonjy sy ilay fasany foana.

Fanambarana nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona

Ny Filoha Nelson dia namaky “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” izay manasa ny olona na aiza na aiza mba hahafantatra fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy noresahina tao amin’ny Testamenta Vaovao dia eto an-tany indray amin’izao fotoana izao. Ny dikanteny ôfisialin’izany dia hita amin’ny fiteny miisa 12 ao anatin’ny fonony eo anoloana ao amin’ity laharana ity. Ireo mpikambana izay mbola miandry ny dikanteny ôfisialy dia afaka mahita dikanteny mialoha an’ilay fanambarana ao amin’ny lahatenin’ny Filoha Nelson (jereo ny pejy 91).

Fivoriana masina

Nisy “fivoriana masina” notanterahina tao anatin’ny fankalazan’ny Fiangonana ny faha-roanjato taonan’ny Fahitana Voalohany. Nandritra izany fivoriana masina izany no nitarihan’ny Filoha Nelson ireo Olomasina tamin’ny fanaovana ny Fihobiana Hôsana, fiarahana maneho fiderana izay ampiasaina mandritra ny fotoana manokana toy ny fanokanana tempoly (jereo ny pejy 92).

Fifadian-kanina maneran-tany fanindroany

Fanindroany tao anatin’ny sivy andro ny Filoha Nelson no nanasa an’izao tontolo izao mba hifady hanina sy hivavaka “mba hahafahana mifehy ilay areti-mifindra amin’izao fotoana izao, mba hiarovana ireo izay misahana ny fitsaboana, mba hampatanjahana ny toe-karena, ary mba hiverenan’ny fiainana amin’ny laoniny” (pejy 74). Io fifadian-kanina fanindroany maneran-tany io dia natao nandritra ny zoma masina, 10 aprily 2020.

Tempoly vaovao

Nanambara ny fikasana hanorina tempoly vaovao miisa valo manerana an’izao tontolo izao ny Filoha Nelson (jereo ny pejy 115). Amin’izao fotoana izao dia miisa 168 no tempoly notokanana maneran-tany ary misy 7 eo an-dalam-panavaozana.

Zatovo nandaha-teny

Ny fivoriana sabotsy hariva dia nahitana lahateny nataon’ny zatovo anankiroa, i Laudy Ruth Kaouk sy i Enzo Serge Petelo, izay niresaka momba ny fomba hitahian’ny fisoronana an’ireo zatovo (jereo ny pejy 56 sy 58). Efa ho 20 taona mahery lasa izay no nahitana zatovo mpandahateny tao anatin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Hira tena manentana fanahy

Efa noraketina mialoha ny sary sy ny feon’ireo hira natolotra nandritra ny fihaonambe. Ny fihaonambe dia nofaranan’ireo Olomasina manerana an’izao tontolo izao tamin’ny fihirana ny “Misaotra Anao noho ny mpaminany” niaraka tamin’ireo amboaram-peo tany Ghana, Nouvelle Zélande, Mexico City, Corée du Sud, Allemagne, ary Brésill (jereo ny pejy 2).

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Lahateny famaranana,” Liahona, nôv. 2019, 122.