2020
Fihobiana Hosana
Mey 2020


Fihobiana Hosana

Ankehitriny ry rahalahy sy anabaviko malala, eto am-pankalazantsika ny Fahitana Voalohany nahitan’i Joseph Smith ny Ray sy ny Zanaka, dia tsapanay fa mety tsara ny hiarahantsika mifaly amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny Fihobiana Hosana.

Nandritra ny fanokanana ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny 27 Martsa 1836 no nanaovana voalohany io fihobiana masina io tamin’ity fotoampitantanana ity. Atao mandritra ny fanokanana ny tempoly tsirairay izany ankehitriny. Fanomezam-boninahitra masina ho an’ny Ray sy ny Zanaka izany, izay tandindon’ny fihetsika nasehon’ny vahoaka rehefa niditra tamin’ny fomba manetriketrika tao Jerosalema ny Mpamonjy. Hamafisin’izany ihany koa ny zavatra niainan’ny zatovolahy Joseph tamin’io andro io tao amin’ilay Alakely Masina, dia ny hoe: ny Ray sy ny Zanaka dia Olona roa feno voninahitra izay ivavahantsika sy deraintsika.

Izao aho dia haneho ny fomba hiventesana ny Fihobiana Hosana. Eo am-panaovako izany dia manasa ireo mpiara-miasa amintsika ao amin’ny haino aman-jery aho mba handray ity fombafomba tena masina ity amim-pahamendrehana sy fanajana.

Ny tsirairay izay mandray anjara dia mandray mosara fotsy madio, mihazona izany amin’ny zorony iray, ary manofahofa izany sady miara-miredona hoe: “Hosana, Hosana, Hosana ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry,” averina in-telo, dia arahina “Amena, Amena, diaAmena.” Raha tsy manana mosara fotsy ianao, dia azonao ahofahofa fotsiny ny tananao.

Ry rahalahy sy ranabavy, manasa anareo aho izao hitsangana ka handray anjara amin’ny Fihobiana Hosana, aorian’izay dia hohiraina ny “Hira fanevan’ny Hosana” sy ny “Fanahin’ny Ray”1 .

Rehefa manome famantarana ny mpitarika hira dia asaina ianareo hiara-hihira aminay ny “Fanahin’ny Ray.”

Hosana, Hosana, Hosana ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry.

Hosana, Hosana, Hosana ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry.

Hosana, Hosana, Hosana ho an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry.

Amena, Amena, dia Amena.

Fanamarihana

  1. Fihirana sy hiran’ny ankizy,lah. 56.