2020
Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiovam-po
Mey 2020


Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiovam-po

Manome antsika sakafo ara-panahy, manome antsika paikady, ary mampifandray antsika amin’ny Fanahy Masina ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa avy nijery ny tatitra avy amin’ny fizaham-pahasalamana iray vao haingana aho dia nahafantatra fa nila nanova ny fomba fiainako sasany. Mba hanampiana ahy dia nasain’ny mpitsaboko nanaraka paikady ara-tsakafo sy ara-panatanjahan-tena aho, ka raha mifidy ny hanaraka izany aho, dia hahatonga ahy ho olona salama kokoa izany.

Raha nandalo fizaham-pahasalamana ara-panahy isika tsirairay avy, dia inona no mety ho fantatsika momba ny tenantsika? Inona ny fanovana mety ho nasain’ny mpitsabo antsika ara-panahy mba harahantsika? Mba hahatonga antsika ho ilay olona ilaina ahatongavantsika dia zava-dehibe ny hahalalantsika ny zavatra tokony hataontsika sy ny hanaovantsika izay zavatra fantatsika.

I Jesoa Kristy no ilay Mpampianatra Mpitsabo.1 Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany no hamehezany ny ferintsika sy hitondrany eo Aminy ny rofintsika, ary hanasitranany ny fontsika maratra.2 Afaka ny ho lasa tanjaka ny fahalementsika amin’ny alalan’ny fahasoavany.3 Manasa antsika hanaraka Azy Izy4 amin’ny alalan’ny fianarana Aminy, sy ny fihainoana ny teniny, ary ny fandehanana amin’ny fahalemem-panahiny.5 Nampanantena ny hanampy antsika Izy6 ao anatin’izao dingan’ny fiovam-po mandritra ny fiainana izao, izay manova antsika sy mitondra fifaliana maharitra mandrakizay.7

Nomen’ny Mpamonjy ny Bokin’i Môrmôna isika mba ho fitaovana mahery vaika hanampiana antsika amin’ny fiovam-po. Ny Bokin’i Môrmôna dia manome antsika sakafo ara-panahy, manome antsika paikady, ary mampifandray antsika amin’ny Fanahy Masina. Noho izy io nosoratana ho antsika 8 dia mirakitra ny tenin’ Andriamanitra9 amin’ny fomba mazava tsara izany ary milaza amintsika ny momba antsika, sy ny tanjontsika ary izay hiafarantsika.10 Ny Bokin’i Môrmôna dia miara-mijoro ho vavolombelona amin’ny Baiboly momba an’i Jesoa Kristy11 ary mampianatra ny fomba ahafahantsika mahafantatra ny marina sy ahatongavantsika tahaka Azy.

Sary
Rahalahy Saw Polo

58 taona rahalahy Saw Polo fony izy nampahafantarina momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Tamin’ny fotoana nihaonako taminy dia efa filohan’ny sampana nandritra ny taona maro izy, saingy nahafantatra aho fa tsy mbola namaky ny Bokin’i Môrmôna mihitsy izy satria tsy mbola nisy tamin’ny fiteny Birmana izay fitenin-dreniny izany. Rehefa nanontaniako azy ny fomba nahafantarany fa marina ilay boky kanefa tsy mbola novakiny akory, dia novaliany fa nandalina ilay boky misy sary hoe Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isan’andro izy tamin’ny alalan’ny fijerena ireo sary, dia nampiasa rakibolana mba handikana ireo teny anglisy, ary nandray an-tsoratra tsara ny zavatra nianarany. Nanazava izy hoe: “Isak’izay nandalina aho dia nivavaka momba ny zavatra nianarako, ary nahatsapa fiadanana sy fifaliana, nanana fahazavan-tsaina aho, ary lasa nalefaka ny foko. Tsapako ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona tamiko fa marina izany. Fantatro fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna.”

Tahaka an-dRahalahy Saw Polo dia afaka mandalina ny Bokin’i Môrmôna arakaraka ny zavatra iainantsika isika tsirairay avy. Rehefa maniry ny hino sy hisaintsaina ireo fampianarany ao am-pontsika isika dia afaka mangataka amin’ Andriamanitra amim-pinoana raha toa ka marina ny fampianarana.12 Rehefa maniry amin-kitsim-po ny hahafantatra isika omban’ny tena fitiavana ny hanao zavatra, dia hamaly antsika ao am-pontsika Izy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Amin’ny herin’ny Fanahy Masina no hahafantarantsika ny fahamarinan’ny zava-drehetra.13 Rehefa mahazo ny tenivavolombelon’ Andriamanitra momba ny Bokin’i Môrmôna isika dia ho fantatsika ihany koa amin’ny alalan’io hery io ihany fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao, fa i Joseph Smith no mpaminaniny, ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonany tafaverina amin’ny laoniny.14

Fony aho tovolahy vao nanomboka ny asa fitoriako ny filazantsara, dia nitaingina fiaramanidina nankany Australie aho. Koa satria aho nahatsapa ho tena nanirery sy feno tebiteby ary tsy nahay kanefa efa nanolo-tena ny hanompo, dia nila nahazo antoka fatratra aho fa marina ny zavatra izay ninoako. Nivavaka sy namaky tamin-kitsim-po ny soratra masiko aho, kanefa rehefa nihanandroso ilay fiaramanidina dia nihamafy ny fisalasalako ary niharatsy ny toe-batako. Rehefa avy nitolona nandritra ny ora maromaro aho dia nisy mpikarakara ny mpandeha fiaramanidina iray nandeha teo amin’ny lalantsara ary nijanona teo akaikin’ny sezako. Nalainy teny an-tanako ilay Bokin’i Môrmôna novakiko. Nojereny ny foniny dia hoy izy hoe, “Boky tsara be ity!” Dia naveriny tamiko ilay izy ary nanohy ny diany izy. Tsy nahita azy intsony aho.

Raha mbola niverimberina tao an-tsofiko ny teniny dia nahare sy nahatsapa niavaka tsara tao am-poko aho hoe: “Eto Aho, ary fantatro ny toerana misy anao. Ataovy fotsiny izay tsara indrindra vitanao, satria Izaho no hanao ny sisa.” Tao anatin’izany fiaramanidina izany teny ambonin’ny Ranomasimbe Pasifika no nahazoako fijoroana ho vavolombelona manokana tamin’ny alalan’ny fandalinako ny Bokin’i Môrmôna sy ny bitsiky ny Fanahy Masina fa nahafantatra ahy ny Mpamonjy ary marina ny filazantsara.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fijoroana ho vavolombelona dia ny fahafantarana fa marina ny filazantsara. Ny fiovam-po dia ny mijanona ho mahatoky hatrany amin’ny filazantsara.”15 Ny fiovam-po dia mitaky antsika ho “mpankatò ny teny … fa tsy mpihaino fotsiny ihany.”16 Ny paikady omen’ny Tompo antsika, ny fotopampianaran’i Kristy, dia ampianarina amin’ny fomba faran’izay mazava ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.17 Tafiditra amin’izany ireto:

  • Voalohany: fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fahatokisana Azy, sy fitandremana ny didiny, ary fahafantarana fa hanampy antsika Izy.18

  • Faharoa: fibebahana isan’andro amin’ny tsy fahatanterahantsika sy fiainana fifaliana sy fiadanana rehefa mamela antsika Izy.19 Mitaky antsika hamela ny hafa ny fibebahana20 ary manampy antsika handroso. Nampanantena ny Mpamonjy fa hamela antsika isak’izay mibebaka isika.21

  • Fahatelo: fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy fitandremana izany amin’ny alalan’ireo ôrdônansy toy ny batisa. Hihazona antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra antsika mankany Aminy izany.22

  • Fahefatra: fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Io fanomezana io dia mamela antsika hanana mandrakariva miaraka amintsika ilay mpanamasina sy mpampahery ary mpitarika antsika.23

  • Ary fahadimy: faharetana hatramin’ny farany amin’ny alalan’ny fibosesehana mandroso amim-piorenana mafy eo am-pivokisana isan’andro amin’ny tenin’i Kristy.24 Rehefa mivoky avy amin’ny Bokin’i Môrmôna isika ary mihazona mafy amin’ny fampianarany dia afaka ny handresy ireo fakam-panahy sy hahazo fitarihana ary fiarovana mandritra ny fiainantsika.25

Rehefa mampihatra tsy tapaka ny fotopampianaran’i Kristy eo amin’ny fiainantsika isika, dia handresy ny fironana hijanona amin’izao izay manakana ny fiovana sy tsy mampahomby ny zavatra atao. Hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana isika, satria ny Fanahy Masina dia “hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo,”26 ary “hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’ i Kristy.”27

Nandritra ny 20 taona dia nitolona tamin’ny fisotroan-toaka, ny sigara, ary ny filokana izay manesika azy rahalahy Huang Juncong. Rehefa nampahafantarina momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny rahalahy Huang dia naniry ny hiova ho an’ny fianakaviany vao herotrerony. Ny fifohana sigara no olany lehibe indrindra. Tsy maty afo mihitsy izy, ary efa niezaka niala imbetsaka, saingy tsy nahomby. Indray andro dia niraikitra tao an-tsainy ireto teny avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto: “amin-kitsimpo, … omban’ny tena finiavana.”28 Na dia tsy nahomby aza ireo andrana teo aloha dia tsapany fa angamba izy afaka ny hiova raha miaraka amin’ny fanampiana avy amin’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

Nanambatra ny finoan’izy ireo tamin’ny azy ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno ary nanolotra paikady sy tetikady tsotra hialany amin’ny sigara, niaraka tamin’ny vavaka mahery vaika sy fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Tamin-kitsim-po sy finiavana marina no nanaovan-drahalahy Huang asa tamim-pahavononana nifono fahatokiana ary nahitany fa rehefa nifantoka bebe kokoa tamin’ireo fahazarana vaovao tiany hananana izy, toy ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna, dia nihena ny fifantohany tamin’ireo fahazarana izay tiany hialana.

Raha nampahatsiahy ny zavatra niainany hatramin’ny 15 taona lasa izy dia nilaza hoe: “Tsy tsaroako hoe oviana marina aho no niala tamin’ny fifohana sigara, saingy rehefa niezaka mafy isan’andro aho ny hanao ireo zavatra izay fantatro fa nilaiko natao mba hanasana ny Fanahin’ny Tompo ho eo amin’ny fiainako sy hanohy hanao izany hatrany, dia tsy voasariky ny sigara intsony aho ary tsy mbola voasarika hatramin’izay fotoana izay.” Niova tamin’ny alalan’ny fampiharana ny fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna ny fiainan-drahalahy Huang, ary lasa vady sy ray tsara kokoa izy.

Sary
I Huang Juncong sy ny fianakaviany

Nampanantena ny Filoha RussellM. Nelson hoe: “Rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vaninandro izao, eny na dia ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina mihitsy aza.”29

Ry namako malala, tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, ary hanakaiky azy kokoa isika raha mandalina izany.30 Rehefa manandrana ny teny ao anatiny isika, dia hahazo tenivavolombelona ny amin’ny fahamarinany.31 Rehefa miaina tsy tapaka araka ny fampianarana ao anatiny isika, dia “tsy [hanana] intsony ny faniriana hanao ratsy .”32 Hiova ny fontsika sy ny endritsika ary ny toetrantsika mba hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy.33 Zaraiko aminareo ny tenivavolombeloko azo antoka fa i Jesoa no Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ary Namantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.