Fanampiana amin’ny fandalinana
Adama


Adama

Ny lehilahy nohariana voalohany teto an-tany.

Adama no Patriarika sady rain’ny taranak’olombelona eto an-tany. Ny fandikan-dalàna nataony tao amin’ny Saha Edena (Gen. 3; F&F 29:40–42; Mos. 4) dia nahatonga azy ho “lavo” ary hanjary mety maty, izay dingana nilaina mba hivoaran’ny olombelona eto an-tany (2 Ne. 2:14–29; Almà 12:21–26). Koa tokony homem-boninahitra i Adama sy i Eva noho ny anjara noraisiny izay nahatonga ny fivoarantsika mandrakizay ho azo tanterahina. Adama no ilay Fahagolan’ny Andro ary fantatra koa amin’ny hoe Mikaela (Dan. 7; F&F 27:11; 107:53–54; 116; 138:38). Izy no ilay arikanjely (F&F 107:54) ary ho avy eto an-tany indray amin’ny maha-patriariky ny fianakavian’olombelona azy (F&F 116).