Fanampiana amin’ny fandalinana
Jakoba, Zanakalahin’i Lehia


Jakoba, Zanakalahin’i Lehia

Mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary mpanoratra ireo toriteny maro ao amin’ny boky 2 Nefia sy Jakoba (2 Ne. 6–11; Jkb. 1–7).

Ny bokin’i Jakoba

Ny boky fahatelo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny toko 1 dia milaza fa nanolotra an’i Jakoba ny rakitsoratra i Nefia ary nanokana an’i Jakoba sy i Josefa rahalahiny ho mpisorona sy mpampianatra ny vahoaka. Toko 2–4 dia toriteny mananatra ny olona hanana fitondrantena mendrika. Nampianatra ny amin’ny fiavian’ny Mesia Mpanavotra i Jakoba ary nanome ny antony tsy haneken’ny Isiraely sasany Azy amin’ny fiaviany. Toko 5–6 dia mirakitra ny tenivavolombelon’i Jakoba sy ny fanoharana miendrika faminaniana momba ny tantara sy ny asa anirahana ny vahoakan’i Isiraely. Ny toko 7 dia mirakitra ny tantaran’ilay mpikomy mahay atao hoe Serema izay resin’ny tenivavolombelona avy amin’ Andriamanitra nataon’i Jakoba.