Fanampiana amin’ny fandalinana
Famorana


Famorana

Ny famantarana ny Fanekempihavanan’i Abrahama ho an’ny lehilahy Isiraelita nandritra ny fotoanandron’ny Testamenta Taloha (Gen. 17:10–11, 23–27; DJS, Gen. 17:11 [Tovana]). Ny famorana dia tanterahina amin’ny fandidiana ny kambo nofo eo amin’ny zazalahy sy ny lehilahy lehibe. Ireo izay nandray izany dia nahazo ny tombontsoa ary nanaiky ny andraikitry ny fanekempihavanana. Ny famorana amin’ny maha-famantarana ny fanekempihavanana azy dia foana noho ny asa nanirahana an’i Kristy. (Môrô. 8:8; F&F 74:3–7).