Fanampiana amin’ny fandalinana
Lehia, Rain’i Nefia


Lehia, Rain’i Nefia

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, mpaminany hebreo izay nitarika ny fianakaviany sy ireo mpanaraka azy avy ao Jerosalema nankany amin’ny tany nampanantenaina any amin’ny ilam-bolan-tany andrefana, tokony ho 600 taona talohan’i Kristy. I Lehia no mpaminany voalohany teo anivon’ny vahoakany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Nandositra an’i Jerosalema niaraka tamin’ny fianakaviany i Lehia rehefa nodidian’ny Tompo (1 Ne. 2:1–4). Taranak’i Josefa izay namidy tany Egypta izy (1 Ne. 5:14). Nanome azy fahitana ny amin’ny hazon’aina ny Tompo (1 Ne. 8:2–35). Nanamboatra sambo i Lehia sy ny zanany ary niantsambo ho any amin’ny ilam-bolan-tany andrefana (1 Ne. 17–18). Niorim-ponenana tao amin’ny tany vaovao izy sy ny taranany (1 Ne. 18:23–25). Talohan’ny nahafatesany, dia nitsodrano ireo zananilahy i Lehia ary nampianatra azy ny amin’i Kristy sy ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany (2 Ne. 1:1–4:12).

Ny bokin’i Lehia

Nanomboka tamin’ny bokin’i Lehia i Joseph Smith fony izy nandika ny Bokin’i Môrmôna. Izany dia rakitsoratra izay nofintinin’i Môrmôna avy amin’ny takelak’i Lehia. Rehefa nahazo takila sora-tanana miisa 116 pejy nadikany tamin’ny bokin’i Lehia i Joseph, dia nanome ireo takila an’i Martin Harris izay mpitantsoratr’i Joseph nandritra ny fotoana fohy tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Very ireo takila avy eo. Tsy namerina nandika ny bokin’i Lehia intsony i Joseph mba hanoloana ireo takila very, fa kosa nandika rakitsoratra mitovy aminy avy eo amin’ireo takela-bolamena (jereo ny fampidirana ao amin’ny F&F 3; 10). Ireo rakitsoratra hafa ireo no boky enina voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ankehitriny.