Fanampiana amin’ny fandalinana
Fiaran’ny Fanekena


Fiaran’ny Fanekena

Fantatra koa amin’ny hoe Fiaran’i Jehovah sy Fiaran’ny Vavolombelona, ny Fiaran’ny Fanekena dia vata lavalava natao tamin’ny hazo ary nohosorana volamena. Izany no tranainy sy masina indrindra amin’ny fanehoan-javatra ara-pivavahana teo amin’ny Isiraelita. Ny Fitoeran’ny Famindram-po izay mandrakotra izany dia noheverina ho toy ny fitoeran’i Jehovah ety an-tany (Eks. 25:22). Nony efa tafatsangana ny tempoly dia napetraka tao amin’ny fitoerana masina indrindra izay Efitra Masina Indrindra ao amin’ny lay ny fiara (1 Mpan. 8:1–8).