Fanampiana amin’ny fandalinana
Jaona, Zanakalahin’i Zebedio


Jaona, Zanakalahin’i Zebedio

Anankiray tamin’ireo Apôstôly Roa ambin’ny folo ao amin’ny Testamenta Vaovao, zanakalahin’i Zebedio ary rahalahin’i Jakoba. Tany am-boalohany dia mpanarato izy (Mar. 1:17–20). Izy angamba ilay mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa tsy voalaza anarana saingy tondroina ao amin’ny Jaona 1:40. Taty aoriana dia nandray ny antso ho mpianatr’i Jesoa Kristy izy (Mat. 4:21–22; Lio. 5:1–11). Izy dia nanoratra ny Filazantsaran’i Jaona, ireo epistily telo ary ny bokin’ny Apôkalipsy. Izy dia anankiray tamin’ireo telo izay niaraka tamin’ny Tompo tamin’ny fananganana ny zanakavavin’i Jaïro tamin’ny maty (Mar. 5:35–42), teo an-tendrombohitry ny Fiovan-tarehy (Mat. 17:1–9), ary tao Getsemane (Mat. 26:36–46). Ao amin’ny asa sorany izy dia manondro ny tenany ho ilay mpianatra izay tian’i Jesoa (Jao. 13:23; 21:20) sy ilay “mpianatra anankiray” (Jao. 20:2–8). Jesoa dia niantso azy koa mbamin’i Boanerjesy rahalahiny hoe: “zana-baratra” (Mar. 3:17). Misy filazana matetika ny momba azy ao amin’ny fitantarana ny Fanomboana sy ny Fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty (Lio. 22:8; Jao. 18:15; 19:26–27; 20:2–8; 21:1–2). Natao sesi-tany tao Patmo i Jaona taty aoriana, ka tao izy no nanoratra ny bokin’ny Apôkalipsy (Apôk. 1:9).

Voalaza matetika ao amin’ny fanambaran’ny andro farany i Jaona (1 Ne. 14:18–27; 3 Ne. 28:6; Ete. 4:16; F&F 7; 27:12; 61:14; 77; 88:141). Ireo andininy ireo dia manamafy ny tantaran’ny baiboly momba an’i Jaona ary koa ahazoana sary an-tsaina ny amin’ny halehibe sy ny lanjan’ny asa efa nomen’ny Tompo azy hataony eto an-tany, amin’ny fotoan’ny Testamenta Vaovao sy amin’ny andro farany. Manazava ny soratra masin’ny andro farany fa tsy nodimandry i Jaona fa navela kosa hitoetra eto an-tany ho mpanompo amin’ny asa fanompoana ambara-pahatongan’ny fotoan’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany (Jao. 21:20–23; 3 Ne. 28:6–7; F&F 7).

Ireo epistilin’i Jaona

Na tsy mitonona anarana aza ny mpanoratra an’ireo epistily telo ireo, dia mitovy fatratra tokoa amin’ny an’i Jaona ny fomba fiteny hany ka heverina fa izy no nanoratra azy telo.

Ny 1 Jaona 1 dia mananatra ny Olomasina hanana fifandraisana amin’ny Tompo. Ny toko 2 dia manantitra fa mahafantatra an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Olomasina ka mampianatra azy ireo tsy ho tia an’izao tontolo izao. Ny toko 3 dia miantso ny rehetra ho tonga zanak’ Andriamanitra sy hifankatia. Manazava ny toko 4 fa Andriamanitra dia fitiavana ary mitoetra ao amin’ireo izay tia Azy. Ny toko 5 dia manazava fa aterak’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy ny Olomasina.

Ny 2 Jaona dia mitovy amin’ny 1 Jaona. Mifaly amin’izany i Jaona noho ny fahatokian’ireo zanak’“ilay vehivavy voafidy”.

Ny Jaona 3 dia midera an’ilay olona atao hoe Gaio noho ny fahatokiany sy ny fanampiany an’ireo izay tia ny fahamarinana.

Ny Filazantsaran’i Jaona

Ao amin’ity bokin’ny Testamenta Vaovao ity no nanambaran’i Jaona ilay Apôstôly fa (1) i Jesoa no Kristy na ny Mesia fa (2) i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra (Jao. 20:31). Ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesoa, izay tantarainy, dia nofantenana fatratra ary narindra mba hibanjina izany tarigetra izany. Ny boky dia manomboka amin’ny filazana ny amin’ny toetran’i Kristy talohan’ny fisiany teto amin’ny mety maty: Izy dia niaraka tamin’ Andriamanitra, Izy dia Andriamanitra, ary mpahary ny zava-drehetra. Nateraka ho Zanaka Lahitokan’ny Ray tao amin’ny nofo Izy. Manjohy ny fizotry ny asa fanompoan’i Jesoa i Jaona sady manantitrantitra fatratra ny maha-Andriamanitra Azy sy ny fitsanganany tamin’ny maty. Lazainy mazava tsara fa i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra, porofoin’ireo fahagagana, vavolombelona, mpaminany ary ny feon’i Kristy mihitsy. Mampianatra i Jaona amin’ny fampifanoherana ny hazavana sy ny haizina, ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy ary Andriamanitra sy ny devoly. Tsy misy any amin’ny rakitsoratra hafa angamba filazana an-karihary toy izany ny fahamasinan’i Jesoa sy ny tsy finoana teo amin’ny mpanapaka Jiosy.

Nanoratra indrindra ny amin’ny asa fanompoan’i Kristy tao Jodia i Jaona, indrindra fa ny amin’ny herinandro farany tamin’ny asa fanompoany teto amin’ny toetry ny mety maty, raha i Matio, i Marka ary i Lioka kosa nanoratra indrindra ny amin’ny asa fanompoany tany Galilia. Lafiny maro tamin’ny Filazantsarany no efa nohazavain’ny fanambaran’ny andro farany (F&F 7 sy F&F 88:138–141).

Ny amin’ny lisitr’ireo toe-javatra niseho teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay notantaraina ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona, jereo ny Filaharan’ireo Filazantsara ao amin’ny tovana.

Ny bokin’ny Apôkalypsy