Fanampiana amin’ny fandalinana
Fiakarana


Fiakarana

Fialan’ny Mpamonjy avy teto an-tany, efapolo andro taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Ny Fiakarana ho any an-danitra dia nitranga teo amin’ny toerana iray teo an-tendrombohitr’i Oliva, teo anatrehan’ny mpianatra (Mar. 16:19; Lio. 24:51). Tamin’izay fotoana izay, dia anjely roa avy any an-danitra no vavolombelona nanambara fa amin’ny hoavy dia hiverina “tahaka izay ihany” ny Tompo (Asa 1:9–12).