Fanampiana amin’ny fandalinana
Josefa, Zanakalahin’i Jakoba


Josefa, Zanakalahin’i Jakoba

Ao amin’ny Testamenta Taloha: ny zanaka lahimatoan’i Jakoba sy i Rahely (Gen. 30:22–24; 37:3).

Nahazo ny fizokiana tany Isiraely i Josefa, satria Robena, ilay zanaka lahimatoan’ny vady voalohan’i Jakoba, dia namery ny zony noho ny fandikan-dalàna (1 Tan. 5:1–2). Noho i Josefa mendrika, dia izy, araka ny maha-zanaka lahimatoan’ny vady faharoan’i Jakoba azy, no olona manaraka tokony hahazo ny tsodrano. Nahazo tsodrano tamin-drainy koa i Josefa taloha kelin’ny nahafatesan’i Jakoba (Gen. 49:22–26).

Josefa dia lehilahy mahitsy fo izaitsizy, olona “malina sady hendry” (Gen. 41:39). Ny fandavany ny vadin’i Potifara dia maneho finoana, fahadiovam-pitondrantena ary hitsim-po manokana (Gen. 39:7–12). Rehefa nanambara tamin’ireo rahalahiny ny momba azy marina i Josefa tany Egypta, dia nisaotra azy ireo tamin’ny fomba nitondrany azy izy fa tsy mba nandevilevy. Nino izy fa ny nataon’izy ireo dia nanampy tamin’ny fanatontosana ny sitrapon’ Andriamanitra (Gen. 45:4–15).

Ny fanambaran’ny andro farany dia manambara ny asa lehibe kokoa anirahana ny mpianakavin’i Josefa amin’ny andro farany (DJS, Gen. 50:24–38 [Tovana]; 2 Ne. 3:3–24; 3 Ne. 20:25–27).