Fanampiana amin’ny fandalinana
Môrmôna, Mpaminany Nefita


Môrmôna, Mpaminany Nefita

Mpaminany Nefita, jeneraly amin’ny tafika, ary mpitahiry rakitsoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Niaina tamin’ny 311–385 taona taorian’i Kristy i Môrmôna (Môrm. 1:2, 6; 6:5–6; 8:2–3). Mpitari-tafika izy nandritra ny ankamaroan’ny androm-piainany, nanomboka tamin’ny faha-dimy ambin’ny folo taonany (Môrm. 2:1–2; 3:8–12; 5:1; 8:2–3). Nampianatra an’i Môrmôna i Amarôna ho fanomanana azy hiandraikitra sy hitana rakitsoratra (Môrm. 1:2–5; 2:17–18). I Môrmôna, rehefa avy nanoratra ny tantara tamin’ny androam-piainany, dia namintina tao amin’ny takelak’i Môrmôna ny takelaka lehiben’i Nefia. Nomeny hotandreman’i Môrônia zanany lahy izany rakitsoratra masina izany taty aoriana. Ampahany amin’ny rakitsoratra nandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna ireo takelaka ireo.

Ny tenin’i Môrmôna

Boky kely ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Eo anelanelan’ny teny farany nataon’i Amalekia ao amin’ny Bokin’i Ômnia sy ny voalohan-teny ao amin’ny Bokin’i Môzià no nampidirin’i Môrmôna, mpamoaka ireo takelaka rehetra, io boky kely io. (Jereo ny “fanazavana fohy momba ny Bokin’i Môrmôna” ao amin’ny fanombohan’ny Bokin’i Môrmôna).

Ny bokin’i Môrmôna

Boky iray manokana ao amin’ny rakitsoratra masina fantatra amin’ny anarana hoe “Ny Bokin’i Môrmôna.” Toko 1–2: milaza ny amin’i Amarôna, mpaminany Nefita, manoro an’i Môrmôna ny toerana sy ny fotoana hakana ny takelaka. Nanomboka ihany koa ireo ady lehibe, ary nesorina ireo Nefita telolahy noho ny haratsian’ny olona. Toko 3–4: mitantara an’i Môrmôna miantso fibebahana amin’ny olona, saingy efa donto izy ireo, ary haratsiana lehibe noho izay efa nisy teo amin’i Isiraely no nanjaka. Toko 5–6: mirakitra ny ady farany teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Maty niaraka tamin’ny ankabeazan’ny firenena Nefita i Môrmôna. Ao amin’ny toko 7, talohan’ny hahafatesany i Môrmôna dia niantso ny olona tamin’izany sy amin’ny ho avy—mba hibebaka. Toko 8–9: milaza fa i Môrônia zanakalahin’i Môrmôna no sisa tavela. Nanoratra ny sehatra farany amin’ny fahafatesana sy vonoan’olona izay nahitana ny faharinganan’ny vahoaka Nefita izy, ary nanoratra hafatra ho an’ny taranaka ho avy sy ireo izay hamaky io rakitsoratra io.