Fanampiana amin’ny fandalinana
Ômnia


Ômnia

Nefita mpitana rakitsoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay nanoratra manodidina ny 361 taona talohan’i Kristy (Jar. 1:15; Ômn. 1:1–3).

Ny bokin’i Ômnia

Boky nadika avy amin’ny takelaka kelin’i Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Tsy misy afa-tsy toko iray ny boky, toko izay mirakitra ny fitantarana ireo ady nifanaovan’ny Nefita sy ny Lamanita. Tsy nanoratra afa-tsy ny andininy telo voalohany ao amin’ny boky i Ômnia. Nifandimby nihazona ny takelaka rehefa izany i Amarôna, i Kemisa, i Abinadôma ary farany i Amalekià. I Amalekià no nanome ireo takelaka an’ny mpanjaka Benjamina, mpanjakan’i Zarahemlà.