Fanampiana amin’ny fandalinana
Josoa


Josoa

Mpaminany sy mpitondra ary mpandimby an’i Mosesy ao amin’ny Testamenta Taloha. Teraka tany Egypta izy talohan’ny nandosiran’ny zanak’i Isiraely (Nom. 14:26–31). Izy sy i Kaleba no anisan’ireo mpisafo tany roa ambin’ny folo nirahina tany Kanana. Izy ireo irery no nanao tatitra tsara momba ilay tany (Nom. 13:8, 16–33; 14:1–10). Maty teo amin’ny faha-110 taonany izy, (Jos. 24:29). Josoa dia sary velon’ny mpiantafika sady mpaminany mafana fo.

Ny bokin’i Josoa

Mitondra ny anaran’i Josoa ity boky ity satria izy no vaindohan’ny tantara saingy tsy izy no mpanoratra. Ny Toko 1–12 dia mitantara ny nahazoana an’i Kanana; ny toko 13–24 dia milaza ny amin’ny fokon’i Isiraely mizara tany sy ny amin’ny anatranatra farany nataon’i Josoa.

Ireo andininy roa misongadina ao amin’ny bokin’i Josoa dia ny fandidian’ny Tompo azy hisaintsaina ny amin’ny soratra masina (Jos. 1:8) sy ny fandrisihan’i Josoa ny vahoaka ho mahatoky amin’ny Tompo (Jos. 24:15).