Fanampiana amin’ny fandalinana
Filazantsara (Testamenta Vaovao)


Filazantsara (Testamenta Vaovao)

Ireo rakitsoratra na tenivavolombelona efatra momba ny fiainan’i Jesoa teto an-tany mbamin’ireo toe-javatra mifandraika amin’ny asa fanompoany dia voarakitra ao amin’ireo boky efatra voalohany amin’ny Testamenta Vaovao. Nosoratan’i Matio, i Marka, i Lioka ary i Jaona ireo sady tenivavolombelona voarakitra ny amin’ny fiainan’i Kristy. Ny boky 3 Nefia, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia mitovy amin’ny lafiny maro amin’ireo Filazantsara efatry ny Testamenta Vaovao ireo.

Nosoratana tamin’ny teny Grika ireo bokin’ny Testamenta Vaovao tany am-piandohana. Ny teny Grika misolo ny filazantsara dia “Vaovao mahafaly” no heviny. Ny vaovao mahafaly dia izao: efa vitan’i Jesoa Kristy ny sorompanavotana izay hanavotra ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana ka hamaly ny olona tsirairay araka ny asany (Jao. 3:16; Roma. 5:10–11; 2 Ne. 9:26; Almà 34:9; F&F 76:69).

Jereo koa ny Filaharan’ireo Filazantsara ao amin’ny tovana.