Fanampiana amin’ny fandalinana
Deoteronomia


Deoteronomia

Ny boky fahadimy ao amin’ny Testamenta Taloha

Deoteronomia dia mirakitra ny lahateny telo farany izay nataon’i Mosesy teo amin’ny lemak’i Moaba taloha kelin’ny nanovana azy. Ny lahateny voalohany (toko 1–4) dia teny fampidirana. Ny lahateny faharoa (toko 5–26) dia mizara roa: (1) toko 5–11—ny Didy Folo sy ny fanazavana ny fampiharana azy; ary (2) toko 12–26—fehezan-dalàna izay mandrafitra ny votoatin’ny boky manontolo. Ny lahateny fahatelo (toko 27–30) dia mirakitra ny fanavaozana hentitra ny fanekempihavanana eo amin’i Isiraely sy Andriamanitra mbamin’ny filazana ny tsodrano izay manaraka ny fankatoavana ary ny ozona izay manaraka ny tsy fankatoavana. Toko 31–34 dia milazalaza ny fanolorana ny lalàna ho an’ireo Levita, ny hiran’i Mosesy sy ny tsodrano farany ary ny fandehanan’i Mosesy.