Fanampiana amin’ny fandalinana
Filazana Ôfisialy 2


Filazana Ôfisialy 2

Fanambarana miendrika fotopampianarana mikasika ny olona afaka mihazona ny fisoronan’ Andriamanitra, izay voatonta ankehitriny ao amin’ny pejy farany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Tamin’ny fiandohan’ny volana jona 1978, dia nanambara tamin’ny Filoha Spencer W. Kimball ny Tompo fa tokony homena ireo lehilahy mpikambana mendrika rehetra ny fisoronana. Izany dia nahatonga ny fisoronana ho azon’ny lehilahy mendrika rehetra, ary koa ny fitahian’ny tempoly ho azon’ny mpikambana mendrika rehetra, ka tsy ijerena firazanana na volon-koditra. Natolotra ny fihaonamben’ny fiangonana io filazana io ny 30 septambra 1978 ary lanin’ny daholobe.