Fanampiana amin’ny fandalinana
Mandika Teny


Mandika Teny

Milaza amin’ny fiteny iray, amin’ny voambolana mitovy aminy, ny dikan’ny hevitra nomena tamin’ny fiteny iray hafa (Môzià 8:8–13; Fp. 1:8). Voalaza matetika ao amin’ny soratra masina fa fanomezana avy amin’ Andriamanitra izany (Almà 9:21; F&F 8; 9:7–9). Indraindray koa dia mety midika ho fanatsarana na fanitsiana dikanteny efa misy amin’ny fiteny iray, na koa famerenana indray ny asa soratra iray very izany (F&F 45:60–61). I Joseph Smith dia nodidina hanao dikanteny entanim-panahy ny Baibolin’ny Mpanjaka Jakoba (F&F 42:56; 76:15).