Fanampiana amin’ny fandalinana
Testamenta Taloha


Testamenta Taloha

Rakitsoratr’ireo mpaminany fahiny izay niasa teo ambany fanentanan’ny Fanahy Masina ary nijoro ho vavolombelona tao anatin’ny taonjato maro momba an’i Kristy sy ny fanompoana hataony. Voarakitra ao ihany koa ny tantaran’i Abrahama sy ny taranany, manomboka amin’i Abrahama sy ny fanekempihavanana na ny testamenta izay nataon’ny Tompo tamin’i Abrahama sy ny taranany.

Ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha dia nosoratan’i Mosesy. Ny Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery ary Deoteronomia izany. Ny Genesisy dia mitantara ny fiandohan’ny tany, ny olombelona, ny fiteny, ny firazanana ary ny fanombohan’ny mpianakavin’i Isiraely.

Ireo boky tantara dia milaza ny zava-nisy teo amin’ny Isiraely. Ireo boky ireo dia ny Josoa, Mpitsara, Rota, Samoela 1 sy 2, Mpanjaka 1 sy 2, Tantara 1 sy 2; Ezra, Nehemia, ary Estera.

Ireo bokin-tononkalo dia mirakitra ny fahendrena sy ny asa soratr’ireo mpaminany. Izany dia ny Joba, Salamo, Ohabolana, Mpitoriteny, Tononkiran’i Solomona ary Fitomaniana.

Nampitandrina an’i Isiraely ny amin’ny fahotany ny mpaminany ary nijoro ho vavolombelon’ny fitahiana ateraky ny fankatoavana. Naminany ny amin’ny fiavian’i Kristy izay hanonitra ny fahotan’ireo izay mibebaka sy mandray ny ôrdônansy ary miaina ny filazantsara izy ireo. Ny bokin’ireo mpaminany dia ny Isaia, Jeremia, Ezekiela, Daniela, Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Jona, Mika, Nahoma, Habakoka, Zefania, Hagay, Zakaria ary Malakia.

Nosoratana tamin’ny teny Hebreo ny ankamaroan’ny bokin’ny Testamenta Taloha. Ahitana teny Aramaika, izay fiteny mitovitovy aminy ny asa soratra vistivitsy.