Fanampiana amin’ny fandalinana
Jeremia


Jeremia

Mpaminanin’ny Testamenta Taloha, izay teraka tao amin’ny fianakaviana mpisorona ka naminany tao Joda nanomboka 626 ka hatramin’ny 586 taona talohan’i Kristy. Ny fotoana niainany dia saika akaikin’ny fotoana niainan’ireo mpaminany lehibe hafa, toa an-dry: Lehia, Ezekiela, Hosea, ary i Daniela.

Natokana ho mpaminany tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany i Jeremia (Jer. 1:4–5). Nandritra ny efapolo taona teo ho eo naha-mpaminany azy, dia nampianatra izy ny hanoherana ny fanompoan-tsampy sy ny fitondrantena maloto teo anivon’ny vahoaka Jiosy (Jer. 3:1–5; 7:8–10). Tsy maintsy niatrika fanoherana sy fanaratsiana lalandava izy (Jer. 20:2; 36:18–19; 38:4). Taorian’ny fianjeran’i Jerosalema, ireo Jiosy izay afa-nitsoaka nankany Egypta, dia nitondra an’i Jeremia niaraka taminy (Jer. 43:5–6), ka tany izy, araka ny lovan-tsofina, no notorahany vato ho faty.

Ny bokin’i Jeremia

Ny toko 1–6 dia mirakitra an’ireo faminaniana nomena nandritra ny fitondran’i Josia. Toko 7–20 dia faminaniana nandritra ny fotoan’i Joiakima. Toko 21–38 dia milazalaza ny amin’ny fitondran’i Zedekia. Toko 39–44 dia mirakitra faminaniana ary milazalaza an’ireto toe-javatra manan-tantara taorian’ny fianjeran’i Jerosalema. Toko 45 dia mirakitra fampanantenana ho an’i Baroka mpitan-tsoratr’i Jeremia fa hotsimbinina ny ainy. Farany, ny toko 46–51 dia faminaniana miampanga ireo firenena vahiny. Ny toko 52 dia fehin-teny manan-tantara. Ny sasany amin’ny faminanian’i Jeremia dia voarakitra teo amin’ny takela-barahin’i Labana, izay notehirizin’i Nefia (1 Ne. 5:10–13). Voalaza indroa koa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Jeremia (1 Ne. 7:14; Hel. 8:20).

Hita ao amin’ny bokin’i Jeremia koa ny filazana ny amin’ny fisian’ny olona talohan’ny fahatongavany teto amin’ny fiainana mety maty sy ny fanokanana mialoha an’i Jeremia (Jer. 1:4–5); ny faminaniana momba ny fodian’ny Isiraely avy any amin’ny fielezany; ny fakana olona iray isan-tanàna sy roa isam-pokony ho any Ziona, tany mahafinaritra izay hahafahan’i Isiraely sy i Joda mitoetra ao amin’ny fandriampahalemana sy ny fiadanana (Jer. 3:12–19); ary faminaniana iray momba ny fanangonana ny Isiraely avy any amin’ny tany avaratra amin’ny fanirahana “mpamovo” maro sy “mpihaza” mba hahita azy ireny (Jer. 16:14–21). Ity toe-javatry ny andro farany ity dia hanana akony lehibe kokoa noho ny nitondran’i Mosesy ny Isiraely nivoaka an’i Egypta (Jer. 16:13–15; 23:8).