Fanampiana amin’ny fandalinana
Rota


Rota

Ao amin’ny Testamenta Taloha, Moabita vinantovavin’i Naomy sy i Elimeleka izay samy Isiraelita. Nanambady an’i Boaza havan’i Naomy i Rota taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. I Obeda zanakalahin’izy ireo no razamben’i Davida sy i Kristy. Mampiseho tsara ny fiovam-pon’ny tsy Isiraelita ho ao amin’ny valan’i Isiraely ny tantaran’i Rota. Namela ny andriamaniny taloha sy ny fiainany taloha i Rota mba hiray amin’ny mpianakavin’ny finoana amin’ny fanompoana ny Andriamanitr’i Isiraely (Rota 1:16).

Ny bokin’i Rota

Toko 1: milazalaza ny fiainan’i Elimeleka sy ny fianakaviany tany Moaba. Taorian’ny fahafatesan’ireo vadiny dia nankany Betlehema i Naomy sy i Rota. Toko 2: milaza fa nitsimpona salohim-bary tany an-tsahan’i Boaza i Rota. Toko 3: mitantara ny nanoroan’i Naomy hevitra an’i Rota mba hankany am-pamoloana sy handry eo an-tongotr’i Boaza. Toko 4: tantaran’ny nivadian’i Rota sy i Boaza. Niteraka zazalahy atao hoe Obeda izy ireo, ka avy aminy ny firazanan’i Davida sy i Kristy.