Fanampiana amin’ny fandalinana
Nebokadnezara


Nebokadnezara

Ao amin’ny Testamenta Taloha, mpanjakan’i Babylona (604–561 taona talohan’i Kristy) izay nandresy an’i Joda (2 Mpan. 24:1–4) sy nanao fahirano an’i Jerosalema (2 Mpan. 24:10–11). Nodidina handositra an’i Jerosalema ny mpaminany Lehia nanodidina ny 600 taona talohan’i Kristy mba tsy ho lasa babo any Babylona (1 Ne. 1:4–13), raha nitondra ny mpanjaka Zedekia sy ny vahoaka i Nebokadnezara (2 Mpan. 25:1, 8–16, 20–22). Nanazava ny hevitry ny nofin’i Nebokadnezara i Daniela (Dan. 2; 4).