Fanampiana amin’ny fandalinana
Helamàna, Zanakalahin’i Helamàna


Helamàna, Zanakalahin’i Helamàna

Mpaminany sady mpitana rakitsoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay nampianatra ny vahoaka Nefita. Zafin’i Almà zanany izy ary rain’i Nefia izay nomena fahefana amin’ny singa rehetra. Izy sy i Nefia zanakalahiny no nanoratra ny bokin’i Helamàna.

Ny bokin’i Helamàna

Toko 1–2: mitantara ny fotoan’ny korontana pôlitika lehibe. Toko 3–4: mirakitra fa farany dia nisy fotoana nahavitan’i Helamàna sy i Môrônihà, lohan’ny kapitenin’ny tafika Nefita, nampandry fahalemana ny tany. Na dia teo aza anefa ny fitarihan’ireo lehilahy tsara ireo, dia nitombo hatrany hatrany ny faharatsian’ny vahoaka. Ao amin’ny Helamàna 5:1–6:14 dia nafoin’i Nefia ny toeram-pitsarana, toy ny efa nahafoizan’i Almà raibeny izany koa, mba hampianatra ny vahoaka. Nisy fotoana nibebahan’ny olona. Ao amin’ny Helamàna 6:15–12:26 anefa dia ny firenena Nefita no nanjary ratsy. Ny toko farany 13–16 dia mirakitra ny tantara mahagagan’ny mpaminany atao hoe Samoela ilay Lamanita izay nilaza mialoha ny fahaterahana sy ny Fanomboana ny Mpamonjy mbamin’ireo famantarana izay hanamarika izany.