Fanampiana amin’ny fandalinana
Filemona, Epistily ho an’i


Filemona, Epistily ho an’i

Boky ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nalaina avy amin’ny taratasy nosoratan’i Paoly: ny taratasin’i Paoly ho an’i Filemona dia taratasy manokana momba an’i Onesimosy izay andevo nandroba an’i Filemona tompony sy nandositra tany Roma. Naverin’i Paoly tany amin’ny tompony tany Kolosy izy, niaraka tamin’i Tykiko izay nitondra ny taratasin’i Paoly ho an’ny Kolosiana. Nangataka ny hamelana an’i Onesimosy sy ny handraisana azy toy ny samy Kristiana i Paoly. Nanoratra io taratasy io i Paoly fony izy nigadra voalohany tany Roma.