Fanampiana amin’ny fandalinana
Mana


Mana

Sakafo kely miendrika boribory, mitovy tsiro amin’ny mofo misy tantely (Eks. 16:14–31) na mofo misy diloilo vao (Nom. 11:7–8). Ny Tompo no nanome izany mba hamahanana ny zanak’i Isiraely nandritra ny efapolo taona nandehanany tany an’efitra (Eks. 16:4–5, 14–30, 35; Jos. 5:12; 1 Ne. 17:28).

Nantsoin’ny zanak’i Isiraely hoe “mana” izany (na man-ho amin’ny Hebreo)—izay midika hoe: “Inona ity?”—Satria tsy fantany (Eks. 16:15). Niantsoana azy koa ny hoe “hanin’ny anjely” sy “mofo avy any an-danitra” (Sal. 78:24–25; Jao. 6:31). Tandindon’i Kristy izay ho Mofon’Aina izany (Jao. 6:31–35).